Fanatanjahan-tenaPolitikaSongadim-baovao

TOSIKA HO AN’NY FANATANJAHANTENA: Notokanan’ny Filoha ny Kianja manarapenitra ao Fenoarivo Atsinanana

Nanamarika ny andro faharoa tamin’ny dian’ny Filoha Andry Rajoelina tao amin’ny Faritra Analanjirofo ny fitokanana ny Kianja manarapenitra, ao an-tampon-tanànan’I Fenoarivo Atsinanana. Kianja vaovao izay isan’ny fampanantenana nataony tamin’ny vahoaka tany an-toerana, nandritra ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra, ny taona 2018.

Araka ny fangatahan’ny vahoakan’i Fenoarivo Atsinana tamin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fony izy nilatsaka hofidiana, dia vita ankehitriny ny Kianja Manarapenitra ao an-toerana. Mahazaka mpijery hatramin’ny 1000 isa, misy “tapis synthétique homologué” manaja ny fenitra takian’ny FIFA sy ny CAF, araka ny fanazavana nentin’ny Ministry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ary azo handraisana lalao lehibe. “Rehefa tonga eto aho dia mahatsiaro sy manembona ny teny miera nifamatorantsika nandritra ny fampielezan-kevitra izay nangatahanareo tanora, dia ny fanamboarana an’ity kianja ity. Vita izy ankehitriny», hoy ny Filoha, nandritra ny fandraisam-pitenenany. Maimaimpoana ny milalao ao amin’ny kianja, araka ny toromarika nataon’ny filoha tamin’ireo tomponandraikitra ao an-toerana. Afaka mampiasa an’io kianja io avokoa na fikambanana aza. Tsy mijanona hatreo, fa nampanantena an’ireo tanora ny hananganana kianja mitafo manara-penitra goavana ao Fenoarivo Antsinanana ihany koa ny Filoham-pirenena. Nohamafisiny ny maha zava-dehibe ny fitaizana ny tanora hitaiza vatana sy ho afaka hivelatra kokoa eo amin’ny sehatry ny fanatanjahan-tena ka afaka ny hifaninana amin’ireny fifaninanana iraisam-pirenena ireny.

Fitia mivaly fitia

Mbola nohamafisin’ny filoha tao Fenoarivo Atsinanana indray, fa tsy misy intsony distrika adino, ary betsaka ireo fotodrafitrasa hatao hoentina mametraka ny fahefam-panjakana eny ifotony, manakaiky ny vahoaka. Naveriny notanisaina ireo zava-bita tao amin’ny Faritra Analanjirofo, indrindra ny tao Fenoarivo Atsinanana. « Fitia mivaly fitia ny an’ny Filoha sy ireo mponina ao Fenoarivo Atsinanana”, raha ny nambarany. Nilaza kosa ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena, fa fanamby lehibe hoentina miroso amin’ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena ny fahavitana fotodrafitrasa toy izao. « Ianao ihany no Filoha nahavita kianja manara-penitra 32 tao anatin’ny roa taona monja ka tena isaorana izany », hoy ny fanazavany. Nanokafany ny lahateniny nandritra ny fitokanana ny fanamarihana fa tompondaka aty afrika eo amin’ny fampianarana ny tanora ho tia fanatanjahantena ny Filoha Rajoelina Andry. Marihina fa tsy latsa-danja amin’ireo kianja manara-penitra manerana ny Nosy ity kianja ity. Nandritra izao fitokanana kianja vaovao tao Fenoarivo Atsinanana izao, isan’ny voamariky ny rehetra ny fahamaroan’ny olona izay tonga maro be nanotrona ny hetsika. Feno olona hatreny ambony kianja rehetra, ary nafana ny lanonana.

Fermer