Songadim-baovaoSosialyToekarena
FAMATSIANA NY TSENA ANATINY: Ho avy tsy ela ny sambo faha-14 mitondra Vary Tsinjo 15 000 taonina
Fepetra noraisin’ny Fitondram-panjakana hanalefahana ny fiantraikan’ny fiakaran’ny vidim-piainana eto amintsika ny fanafarana ireo entana hita fa tena ilain’ny vahoaka amin’ny andavanandro. Lohalaharana amin’izany ny vary, izay foto-tsakafo. Araka ny fampafantarana avy eo anivon’ny orinasa SPM, izay tompon’antoka amin’ny fanafarana ny Vary Tsinjo, dia ampy ny vary nafarana sy ny tahirim-bokatra avy eto an-toerana koa tsy misy antony tokony hampiakatra ny vidim-bary mihitsy.
Ny sambo “Kiran Kaspian” no sambo faha-14 mitondra ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanadro (PPN), indrindra ireo Vary, izay hafaran’ny Fitondram-panjakàna amin’ny alalan’ny orinasa SPM SA. Tonga tao amin’ny seranan-tsambon’i Khrisna Patnam ao Inde izy ny 13 martsa lasa teo, ary hitondra Vary Tsinjo 15 000 t. Vinavinaina ny hanainga any amin’ny faran’ny volana martsa izao ny sambo, ary ho tonga tsy ho ela eto Madagasikara. Tsiahivina fa ny sambo « Jacob H” izay mitondra Vary tsinjo 20 500 t avy ao amin’ny seranan-tsambo Kandla, Inde, dia vao nanainga tsy ela ary andrasana ao Toamasina ny faran’ity volana martsa ity. Tsiahivina ihany koa fa misy Sambo 2 (Momentum Phonix sy Propel Progress) izay mampidina Vary Tsinjo ao amin’ny seran-tsambo ao Toamasina amin’izao fotoana izao. “Somary miadana ny asa noho ny andro ratsy misesisesy ao Toamasina. Efa mihezaka manao izay ho afany ireo mpiara-miombonantoka (SMMC) fa tsy afa-manoatra amin’ny faharatsian’ny andro”, hoy ny fampitam-baovaon’ny SPM. Raha ny fanazavana hatrany dia mbola misy Sambo 2 hafa ( Nadeen sy Sun Bulk) izay mihantsona eny Amoron-tsiraka (en rade) noho ny tsy fisian’ny toerana ao amin’ny seranana. Araka izany, raha miainga amin’ireo fahatongavan’ny vary avy any ivelany ireo dia tsy nihambahamba ny teo anivon’ny orinasa SPM nilaza fa “Ampy ny vary nafarana sy ny tahirim-bokatra avy eto an-toerana koa tsy misy antony hampiakatra ny vidim-bary mihitsy raha tsy ny fitiavana-kely sy ny endrika fanararaotana”.
Vidin’entana miakatra!
“Mahatsapa tsara ny zavatra iainan’ny vahoaka ny Fitondram-panjakana, ary tena miray fo amin’ny Malagasy manoloana ny fahasarotan’ny vidim-piainana amin’izao”, hoy ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, omaly, raha nanontanian’ny Mpanao gazety mahakasika ny fiakaran’ny vidim-piainana ankehitriny, ny herinandro teo. Nambarany kosa anefa fa tsy tokony hatao fitaovana handranitana sy hanakorontanana ara-politika ny zava-misy.
Notsindriany fa tsy i Madagasikara irery no miaina izany fiakaran’ny vidin’entana izany fa manerana izao tontolo izao noho ny ny krizy ara-pahasalamana nateraky ny Covid-19. Nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 2020 dia efa niakatra tsy nijanona ny saram-pitaterana an-dranomasina ho an’izao ontolo izao. Mazava ho azy, fa rehefa miakatra ny saram-pitaterana an-dranomasina, dia miakatra koa ny saran’ny fanafarana entana. Tsy afa-bela isika satria ny ankabeazan’ny entana ilaintsika andavanandro dia mbola afarana avy any ivelany avokoa, hoy ny Mpitondra tenin’ny Governemanta. Tamin’ny Novambra 2021, ny fikaonandohan’ny Firenena mikambana mahakasika ny varotra sy ny fampandrosoana dia efa nampitandrina sy nampaneno lakolosy fa ho tafakatra hatrany amin’ny 11% ny saran’ny fanafarana entana manerana izao tontolo izao, vokatr’io fiakaran’ny saram-pitaterana an-dranomasina io.
Araka izany, sarotra ny manakana ny fiakaran’ny vidin’entana, saingy ny manamaivana ny fiantraikan’izany no hataon’ny Fanjakana. Betsaka ny fandaharanasa mitsinjo manokana ny lafiny sosialy, izay mandeha ankehitriny. Isan’ireny ny Vary mora, ny Vary tsinjo, ny Vatsy tsinjo, izay fanampiana ireo tena marefo. Eo koa ny Tosika Fameno, izay tohana ara-bola hahazoana iray hetsy ariary isam-pianakaviana. Misy koa ny “haraton’aina mijoro”, hahazoana 60 000ar isaky ny roa volana ao anatin’ny telo taona, hanampiana ny fianakaviana tena sahirana. Ireo rehetra ireo no natao dia mba hanalefahana ny vesatry ny fiakaran’ny vidim-piainana, araka ny fanazavana hatrany.



