PolitikaSongadim-baovao
FIKAONANDOHAM-PARITRY NY TETIBOLA: Endriky ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy
Antsohihy no mandray ny fikaonandoham-paritry ny tetibola andiany fahefatra, araka ny lamina avy amin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Fotoana izay tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny Lalàna mifehy ny Tetibolam-panjakana 2023 ary ny fandaniam-bola ho an’ny antonony ezaka ao anatin’ny 2023-2025. Faritana mandritra izany avokoa ireo filana isam-paritra ka miainga amin’izany no handrafetana ny tetibolam-panjakana. Fomba fiasa izay maneho ny finiavana hametraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy eto amintsika.
Fanovan-drafitra sy fomba fiasa vitsivitsy no efa nentin’ny Fitondrana ankehitriny ho fanomezan-danja ny fitsinjaram-pahefana tena izy, fa anisan’ny tena nisongadina tamin’izany ny fanovana ho Governora ny Lehiben’ny Faritra teo aloha. Tsy fanovana anarana fotsiny ihany akory, fa fanovana ny fomba fiasa sy fanomezam-pahefana bebe kokoa ny tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny Faritra mihitsy. Afaka manapa-kevitra avy hatrany amin’izay tetikasa na fomba fiasa mamaly ny filàn’ny vahoaka ny Governora, hoy ny Filoha, fa tsy voatery hiandry ny Fanjakana foibe. Nampanarahan’ny Filoha ny tetibola 2 miliara ariary isaky ny Governora ihany koa izany fanapahankevitra izany, mba hahafahan’ireto farany mihetsika sy miasa avy hatrany ao amin’ny Faritra iadidian’izy ireo.
Tsy mivaona amin’izany fa mbola endriky ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy ihany koa fikaonandoham-paritry ny tetibola izay atao any amin’ny Faritra. Amin’ity taona ity dia I Antsohihy no mandray ny andiany fahefatra. Fotoana izay tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny Lalàna mifehy ny Tetibolam-panjakana 2023 ary ny fandaniam-bola ho an’ny antonony ezaka ao anatin’ny 2023-2025. Efa politika napetraky ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola tamin’ny alalan’ny Foibem-pitondrana ankapobe misahana ny Fitantanam-bola sy ny Raharaha Ankapobeny izany fomba fiasa izany, nanomboka tamin’ny taona 2019.
Fampitoviana herijika ny isam-paritra
Mandray anjara amin’ny fikaonandoha ireo manam-pahefana eo an-toerana, ny sehatra tsy miankina, ny fikambanan’ny firaisamonim-pirenena ary ireo parlemantera. Izany no natao, araka ny fanazavana, dia hanomezana tombondahiny ireo rehetra mandray anjara mba hilaza ny heviny mahakasika ny fampandrosoana ilain’ny eo amin’ny Faritra misy azy avy, mba hitovy lanja ny herijika azon’ny Faritra tsirairay fa tsy hisy tombo sy ala amin’izany tetibola volavolaina ho an’ny taona 2023 izany. Hamoaka izay tena laharam-pahamehana amin’ireo fampandrosoana sy famaliana ny hetahetam-bahoaka ireo mpiantsehatra amin’izany. Izay angom-baovao azo eo anivon’ny Sampandraharaham-paritra araka izany dia raisina ho zava-dehibe avokoa mandritra ny fotoana hamolavolana ny tahirin-kevitra momba ny tetibola iandohana. Afaka mijery sy mikirakira izany avokoa ny Andrim-panjakana sy ny Minisitera tsirairay avy.
Amin’izao ankatoky ny fikaonandoham-paritry ny tetibola atao any Antsohihy izao, dia velabelarina sy aseho ireo mpandray anjara ihany koa ny tomban’ezaka rehetra sy ny zava-bita tamin’ny taona 2021, araka ny fanazavan’ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Efa misokatra ihany koa ny tranokala ahafahana mandefa ny sosokevitra manomboka amin’ity fotoam-pivoriana ity. Ampahafantarina ireo mpisehatra rehetra ihany koa ny fomba fiasa sy fikirakirana an’ity fitaovan-tserasera ity mandritra ny fikaonandoha. Ho fanentanana an’ireo Sampandraharaha teknika ifanapariaham-pahefana amin’ireo faritra ireo dia efa an-dalana ny fametraha amin’ny fomba fiasa, fanaovana tatitra isaky ny misy zava-bita.
Tonga nanokatra ny fotoana omaly ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Ramatoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo sy ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa Tokely Justin.




