Songadim-baovao

Fiaraha-miasa Madagasikara – Japon : Notokanana ny ivon-toerana fandraisana an-tanana ireo iharan’ny herisetra

Notokanana omaly tamin’ny fomba ofisialy tetsy Ampandrianomby, ny Ivon-toerana fandraisana an-tanana ireo iharan’ny herisetra, niaraka tamin’ny fanolorana kojakoja ho an’ireo olona manana fahasembanana. Tetikasa novatsian’ny governemanta japoney vola, izay tafiditra tao anatin’ny ilay tetibola 591,754 USD…

Hiasa avy hatrany ity ivon-toerana vao notokanana ity.

Notokanana omaly tamin’ny fomba ofisialy tetsy Ampandrianomby, ny Ivon-toerana fandraisana an-tanana ireo iharan’ny herisetra, niaraka tamin’ny fanolorana kojakoja ho an’ireo olona manana fahasembanana. Isan’ireo tetikasa novatsian’ny governemanta japoney vola, izay tafiditra tao anatin’ny ilay tetibola 591,754 USD. Isan’ny nisitraka izany ny tao Toamasina, Mahajanga ary ny eto Antananarivo. Tetikasa niainga ny 2021, niaraha-niasa tamin’ny governemanta malagasy, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny UNFPA ary ny Firenena japoney. Nasongadin’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa,  Rahantanirina Vavitsara Gabriella, « fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny velirano fahefatra sy fahenina ny fampianarana ho an’ny rehetra. Isan’izany ireo olona manana fahasembanana, dia manana zo hiofana arakasa ». Tsapa fa manana fijaliana ireo olona manana fahasembanana ireo.

Nisitraka ny tetikasa ireo manana fahasembanana.

Misy ny fiaraha-miasa amin’ny governemanta japoney sy ny UNFPA, ahafahan’izy ireo misitraka ny fanofanana arakasa. Tsy vitan’izany fa nisy ny famatsiana ara-bola, ity ivon-toerana fandraisana an-tanana ireo iharan’ny herisetra. Tohizina ny fanaraha-maso azy ireo, mba hahafahan’ireo manana fahasembanana miasa avy hatrany, raha ny fanampim-panazavana.  Tiana ny mampahatsiahy fa nahatratra 4093 ireo olona niharan’ny herisetra no nisitraka ny tosika avy tamin’ity tetikasa ity, raha nahatratra 2002 ireo nahazo fanampiana maimaimpoana teny amin’ireny toeram-piterahana sy ny fandrindram-piainam-pianakaviana. Isan’ny tonga nanatanteraka ny fanokanana ny ivon-toerana fandraisana an-tanana ireo iharan’ny herisetra, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rahantanirina Vavitsara Gabriella, ny masoivohon’i Japon, Yoshihiro Higuchi, ny solontenan’ny UNFPA eto Madagasikara, Koffi Kouame.

Fermer