PolitikaSosialy
FAMPANDROSOANA AO ITASY Mihamafy ny firaisan-kinan’ny Ben’ny tanàna sy ny Loholona Landy Mbolatiana
Nanamafy ny firaisan-kinan’ireo tompon’andraikitry ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ao amin’ny faritra Itasy, sy ny Loholon’i Madagasikara, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, ny ezaka fampandrosoana notanterahin’ity farany, tao an-toerana. Nifanome toky ny roa tonta fa hifanome tanana hatrany, ho fampandrosoana ny kaominina rehetra mandrafitra ity faritra ity…
Ny firaisan-kina no hery ! io no lohahevitry ny lahadinika niarahan’ny Loholon’i Madagasikara, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, tamin’ireo Ben’ny tanàna sy ireo mpanolo-tsain’ny kaominina avy ao amin’ny faritra Itasy, nandritra ny fihaonan’ny roa tonta tao Miarinarivo, ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny firaisan-kina anatin’ny fihezahana ho amin’ny fampandrosoana ny firenena no tanjon’ny roa tonta, nandritra ireo fiaraha-miasa notanterahina sy mbola iarahana anatin’izao ezaka tarihin’ny Fitondram-panjakana mijoro izao, raha ny nivoitra.

Namafisin’ny Loholona, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, fa tsy vitan’ny samirery ny fampandrosoana, fa ny firaisan-kina no hery hahatontosa izany. Miainga eny ifotony koa ny fampandrosoana marina, ary amin’ny maha mpiahy ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ireo Loholon’i Madagasikara, dia maro ireo ezaka efa notanterahin’ity Loholon’i Madagasikara ity, tao amin’ny faritra Itasy, izay nankasitrahan’ireo Ben’ny tanana isanisany. Tamin’izany indrindra no nanamafisan’ireto farany ny mbola fahavononan’izy ireo hifanohana hatrany amin’ny Antenimierandoholona, eo anatrehan’ny adidy fampandrosoana mbola miandry azy ireo ao amin’ity faritra ity. Nomarihan’ireto Ben’ny tanàna tamin’izany koa, fa amin’ny maha Reny sy mpiahy ny faritra Itasy, ny Loholona Landy Mbolatiana, dia tsy mikely soroka ny tenany eo amin’ny fanasoavana ny vahoaka, amin’ny lafiny rehetra mampangetaheta azy ireo.




