KolontsainaSongadim-baovao
MOZIKA « JAZZ »: Notolorana mariboninahitra i Fanaiky Rasolomahatratra
Mpanakanto malagasy isan’ireo sangany amin’ny fitendrena zava-maneno, indrindra ny Gitara Beso i Rasolomahatratra Ny Herivelona Fanaiky, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe “Fanaiky”. Ny tontolon’ny mozika Jazz no tena nahafantaran’ny maro azy nandritra ny taona maro. Feno 35 taona katroka amin’ity taona ity ny niakarany an-tsehatra. Betsaka ny zavatra nolalovana nandritra izay fotoana izay, hoy I Fanaiky. Rakipeo efatra no efa novokarin’I Fanaiky hatramin’izao.
Amin’izao ankatoky ny faha 35 taona niakarany an-tsehatra izao, nisy ny hetsika niarahana tamin’I Fanaiky omaly tetsy amin’ny Ivokolo Analakely. “Ny Jazz Gasy”, io no lohatenin’ny fampisehoana. Teo ambany fikarakaran’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny hetsika, ka nandritra ny fampisehoana dia nisy ny fanolorana ny mariboninahitra “Commandeur de l’ordre des arts, des lettres, et de la Culture” ho azy, noho ny fanandratany avo ny mozika malagasy. “Efa nofinofiko tao anatin’ny fotoana lava ny hahazo izany mariboninahitra izany”, hoy Fanaiky raha tafaresaka taminay omaly.
Marihina fa mbola anaty fitsaboana ity mpanakanto ity amin’izao fotoana. Ny hetsika izay natao omaly ihany koa, araka izany, dia sady natao ho fanampiana azy amin’izay fitsaboan-tena ataony izay. Nisy ny lelavola natolotry ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ho fanampiana azy. Nanatrika ny fampisehoana ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo.




