PolitikaSongadim-baovao
TETIKASA TANAMASOANDRO : « Tombony ho an’ny vahoakan’Imerintsiatosika ny fananana ny tanàna vaovao »
Naneho hevitra momba ny resabe amin’ny fanatanterahana ny tetikasa Tanamasoandro ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, sady Mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo omaly, nandritra ny fandalovany tao Ambohijafy Imerintsiatosika. Notsindriany fa ho tombony ho an’ny vahoakan’Imeritsiatosika ny fisian’io tanàna vaovao hatsangana any an-toerana io, ka tokony hiara-handroso amin’ny Filohan’ny Repoblika amin’ny fanatanterahana izany ireo vahoaka.
Tsy adino fa jeren’ny Fitondram-panjakana manokana ny Kaominina Imeritsiatosika, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo omaly, izay sady Mpitondra tenin’ny Governemanta. Manaporofo izany, hoy izy, ny fanatanterahana ny tetikasa Tanamasoandro any an-toerana, izay ho tombony ho an’ny Vahoakan’Imerintsiatosika. « Minoa ahy ianareo fa hitondra vokatsoa betsaka ho an’ny kaominina ny fisian’ny tanàna vaovao Tanamasoandro », hoy izy. « Isika olona liam-pandrosoana, tsy ho gisitra mandrakariva, tsy ho maizina ampototry ny mazava, fa isika dia hiaraka handroso amin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina amin’ny fanaovana ny tanàna vaovao », hoy hatrany izy.
Raha tsiahivina, dia olana eo amin’ny tanin’olo-tsotra voakasiky ny tetikasa no mahatonga ny olona sasany manakana ny fanatanterahana ny asa. « Toy ny asa rehetra natao teto amin’ny firenena ahitana tany misoratra amin’olon-tsotra voakasika ka tsy maintsy hanaovana «expropriation» dia tsy maintsy misy hatrany ny olona mitsangana manohitra izany », hoy ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna Vaovao sy ny Toeram-ponenana (SENVH), Gérard Randriamanohisoa, ny herinandro lasa teo, raha nitondra fanazavana.
Ho an’ny tetikasa TanàMasoandro dia velaran-tany 982 Ha no voafaritry ny didim-pitondrana mamaritra ho fanasoavam-bahoaka ny tetikasa ao Tsimahabeomby Imerintsiatosika. Faritry ny tanim-panjakana avokoa izany teo aloha saingy nisy ny efa nohajariana sy nangatahan’ny olona ka nahazoany titra na karatany. Ny 444 Ha no mbola misoratra amin’ny Fanjakana madiodio ary mahafeno eo amin’ny 500 Ha izany ankehitriny miaraka amin’ireo tompon-tany izay efa manaiky ny hanolotra ny taniny hanatanteraha ny tetikasa, araka ny fanazavana.
Fandraisana an-tanan’ny Fanjakana
Marihina fa ao anatin’ny fanatanterahana ity tetikasa ity dia mandray, mihaino ary mamaly ny hetaheta sy ahiahin’ireo mponina ny Fanjakana ka ankoatra ny vola fanonerana ny vidin-tany sy ireo fanorenana, fanajariana na lahasa natao teo amboniny dia misy ireo tan-tsoroka maro samihafa entina ho an’ireo mponina, araky ny fangatahany. Ao anatin’izany ny fanakalozana tany fambolena ho an’ireo izay mivelona amin’izany, ny fisitrahana ireo trano vaovao 320 isa ataon’ny Fanjakana eo Imerintsiatosika ho an’ireo izay rava trano, ny tosika samihafa amin’ny fambolena sy fiompiana hahafahana mampiroborobo bebe kokoa ny asa atao, ny tohana ara-tsosialy, sns. Misy ihany koa ny Faritra izay tanimbary ankehitriny ka hijanona ho tanimbary tsy hasiam-panorenana ao anatin’ny drafi-panajarian’ny tetikasa. Voavaly avokoa noho izany ireo ahiahy na eritreritra ny mety ho fahaverezana avy amin’ny mponina, hoy ny SENVH omaly raha nitondra fanazavana.
« Malalaka ny fanehoan-kevitra saingy tsy ekena ny fanelezana tsaho sy fitarihana korontana », hoy hatrany ny SENVH. « Manamafy ny Fanjakana Malagasy fa tsy mihemotra amin’ny fanatanterahana ny tetikasa Tanà-Masoandro. Efa natomboka ary mitohy ny asa izay mbola eo amin’ny tanim-panjakana aloha ankehitriny no atao”, hoy ny fampitam-baovao.




