PolitikaSongadim-baovao
ANTOKO FREEDOM: Miantso ny Filohan’ny Repoblika hirotsa-kofidina amin’ny 2023
Nomarihina omaly ny fanombohan’ny taom-pikatrohana 2022 ho an’ny Antoko Freedom. Teboka maromaro no noresahin’ny Filoha Nasionalin’ny Antoko, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, nandritra izany, fa anisan’ny manan-danja indrindra ny fiantsoana ny Filoha Andry Rajoelina, hirotsaka hofidiana ho Filoham-pirenena indray amin’ny taona 2023. Isan’ireo Antoko politika voalohany hanohana azy amin’izany ny Freedom, araka ny fanambarana.
Ny ratsamangaikan’ny Antoko Freedom eran’ny Faritra samihafa dia mahita sy mahatsapa fa ny programa izay nifandresen-dahatra tamin’ny nanohanana ny Filohan’ny Repoblika amperin’asa dia efa maro ireo tanteraka. Eo ihany koa ny eo andalam-panananterahana, ary mbola misy ireo vao hatomboka araka ny fanambarana nataon’ny Antoko Politika Freedom omaly, tetsy Anosy. Hetahetan’ny mpikambana any ifotony, araka ny fanazavana, ny mba hisian’ny fitohizan’ny asa sy ezaka efa vitan’ny Filoha. Tsara ihany koa, hoy izy ireo ny fitiavan-tanindrazana lalina ao anatin’ny Filoha, ary ny faharesen-dahatra ananany hampivoatra an’i Madagasikara. Eo anatrehan’izany, ny Antoko Freedom dia maniry ny mbola hirotsahan’Andriamatoa Andry Rajoelina indray hofidiana ho Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ho an’ny fepotoam-piasana faharoa indray. “Manasa anao dieny izao sahady handinika izany fangatahany izany izay mbola hohamafisina amin’ny fotoana maha-mety aoriana kely ao”, hoy ny Filoha Nasionalin’ny Antoko Freedom.
Fanilihana ny Freedom
Isan’ny voaresaka nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety omaly ihany koa ny zava-misy eo amin’ireo samy mpanohana ny Fitondram-panjakana ankehitriny. Raha tsorina, dia iharan’ny fanilikilihana sy fanenjehana ireo olon’ny Freedom ao anaty Fanjakana, araka ny fanazavana. “Misarika ny sain’ireo mpiray donakafo mpiara-manohana ny Fitondrana mijoro ankehitriny ny Antoko mba tsy alaim-panahy hampanjaka ny fifanilikilihana na ny fifanenjehana, satria heverin’ny Antoko fa samy ao anaty fianakaviana politika iray ka tsy tokony hisy ny fiheverana fa akaiky vilany feno arina kokoa ka hanjakazaka any amin’ny faritra sy ny distrika ary kaominina samihafa any”, hoy ny fanambarana. Nolazain-dRamatoa Lalatiana Andriatongarivo, fa misy tokoa ny olom-boafidin’ny Antoko Freedom na ny olom-boatendry any anaty rafitra samihafa any no iharan’ny tsindry na antsojay amin’ny endriny samihafa avy amina olom-boafidy na olom-boatendry mihevitena fa ny fanilihana ny ao anaty fianakaviana politika no ahafahany manampatra fahefana. Tsy afaka hanaiky izany ny Antoko ka manao antso avo ny hitsaharan’izany, ho an’ny tombontsoan’ny fiarahana manohana ny Filoha ankehitriny. Ambaran’ny Antoko rahateo koa fa tsy natao hialokalofana hanaovana asa ratsy, afera maloto na fanararaotam-pahefana samihafa mihitsy ny fanohanana ny Filoha sy ny fitondrana ankehitriny.
Teboka ahitsy
Hatreto dia hita ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana amin’ireo lafiny maro, na dia mbola maro koa aza ny lesoka mila arenina, hoy ny Antoko Freedom. Manoloana izany indrindra, teboka maro no ambaran’ity antoko ity fa mila fanitsiana. Isan’izany ny tokony hanadiovana ireo tomponandraikitra voatendry manampatra fahefana any amin’ny sehatra misy azy, manao kolikoly na afera maloto mamotika ny fananam-panjakana, kiantraonatrano amin’ny tsenan’asam-panjakana, manodikodina volam-bahoaka, mangala-bolam-panjakana sns. Eo koa ny tokony hanamafisana hatrany ezaka efa natomboka mahakasika ny ady amin’ny fanondranana antsokosoko. Mampirisika ihany koa ny Antoko Freedom ny tokony hijerena vahaolana maika sy voadinika tsara dieny izao amin’ny vidin’ny solika eny amin’ny mpanjifa. Na izany aza, nidera ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana manoloana ny fikaroham-bahaolana amin’ny fiakaran’ny vidin’entana ny Antoko.
Etsy ankilany, niantso ny tokony hanafainganana ny fanamboarana ireo lalam-pirenena simba ihany koa ny Antoko Freedom, izay nambaran’izy ireo fa lalan-drà mampihodina ny fiainam-pirenena. Mikasika ny fahalalahana maneho hevitra, dia nilaza ny Antoko Freedom fa tsy midika gaboraraka sy tsy fanarahan-dalàna izany. Misy ny lalàna izay natao hisorohana ny fihoaram-pefy, satria tsy natao hivoizana fandrangitana adim-poko, fankahalana maimaimpoana, famotehana olona amin’ny fanaparitahana vaovao tsy marina sy tsaho isan-karazany, faniratsirana na fanompana olona, fanimbazimbana ny maha-iray ihany antsika Malagasy ny fahalalahana maneho hevitra, hoy ny fanambarana. Ankoatra izay, tokony ho miezaka manenjika ny hafainganam-pandehan’ny Filoham-pirenena ihany koa ireo tomponandraikitra rehetra anaty Fitondrana, mba tsy haharatsy endrika ny Filoha amin’ny mety ho sanatria, tsy fanatanterahan’ireo vina. Mila hamafisina hatrany koa ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana.




