PolitikaSongadim-baovao
KOLIKOLY, FANAMPARAM-PAHEFANA, …: Mamaky bantsilana ireo manaratsy endrika ny Fitondrana ny Antoko Freedom
Anisan’ireo voalohany manohana ny Filoha Andry Rajoelina ny Antoko Freedom, araka ny fanambarana. Nandritra ny fanokafana ny taom-pikatrohana 2022 ny zoma lasa teo, namaky bantsilana ireo karazana lesoka misy eto amin’ny firenena ankehitriny ny Antoko Freedom, izay nambaran’izy ireo fa manaratsy endrika ny Fitondrana sy ny Filohan’ny Repoblika. Tafiditra ao anatin’izany ireo Kolikoly amin’ny endriny rehetra, ireo olom-boatendry manao fanamparam-pahefana, fanodinkodinana volam-bahoaka, sy ny sisa hafa koa.
Hatramin’izao dia hita ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana amin’ny sehatra maro eto amin’ny Firenena, araka ny fanambaran’ny Antoko Freedom. Tsy lavina ihany koa anefa, hoy izy ireo, fa mbola maro ny lesoka mila arenina. Isan’ny noresahan’ny Antoko voalohany indrindra tamin’izany ny mbola fisian’ireo tomponandraikitra voatendry manampatra fahefana any amin’ny sampan-draharaham-panjakana samihafa any na minisitera io na orinasam-panjakana, ka manao kolikoly na afera maloto mamotika ny fananam-panjakana, kiantraonatrano amin’ny tsenan’asam-panjakana, manodikodina volam-bahoaka, mangala-bolam-panjakana sns… eo amin’ny andraikitra izay sahaniny.
Nampirisika ny Filohan’ny Repoblika, araka izany, ny Antoko Freedom, mba hanohy sy hanamafy ny ezaka hanadiovana ny fitantanan-draharaham-panjakana, ka hanohy ny fanadiovana amin’ireny tompon’andraikitra miseho ho tsimatimanota ireny, mba tsy ho ny Filoha na ny mpitondra hafa rehetra no haloto na no ratsy endrika vokatr’izany. Efa nampiseho ny Filoha fa manana fahasahiana mandray fepetra amin’ny karazan’olona tahaka izany ary efa iaraha-mahita ny fahavononany feno hiady amin’ny kolikoly ary tsy handefitra na amin’iza na amin’iza, na olona akaiky azy aza, ka mendrika hotohanana izy amin’izany, hoy hatrany ny fanambarana.
Hafainganam-pandeha mila ampiana
Nanisy resaka mahakasika ny fanatanterahana ny Velirano izay nifanaovan’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny vahoaka Malagasy ihany koa ny Antoko Freedom. Ity farany izay nisarika ny sain’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny nanankinana ny andraikitra isaky ny sehatra 13 mba hampitombo ny hafainganam-pandehan’izy ireo, satria ilaina ny maharaka ny hafainganam-pandehan’ny Filoham-pirenena. Mila mahatsapa ireo tompon’andraikitra rehetra ireo fa ny Filoha no hahazo tsiny amin’ny vahoaka nifidy azy raha tsy tanteraka ireo Velirano nifanaovana. Mila misikim-ponitra, araka izany, ny rehetra araka ny departemanta misy azy ireo tsirairay avy mba tsy hampitsanga-menatra ny Filoha amin’ny famitàna ireo asa nankinina tamin’izy ireo.
“Ny Antoko Freedom dia velombolo tanteraka raha naheno ny kabarin’ny Filoham-pirenena tamin’ny faran’ny taona 2021 nilaza fa ho taonan’ny asa goavana ity 2022 ity. Miandrandra araka izany ny Antoko mba hahatsapa izany ireo olom-boatendry isan-tsokajiny ka hiasa haingana kokoa, indrindra amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa lehibe efa natomboka ny fandinihana azy na ny asa fanamboarana mihitsy”, hoy hatrany ny fanambarana. Tafiditra ao anatin’ireo efa ho atao ny lalambe migodàna na autoroute Antananarivo-Toamasina, ny Teleferika sy ny Fly-over hanalefahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo, ny fanamboarana ireo lalam-pirenena lehibe any amin’ny Faritra samihafa, ny TanaMasoandro izay tena ilaina tokoa hanavaozana ny renivohitra izay efa antitra sy tsentsina tanteraka, ny fametrahana orinasa iray isaky ny distrika iray hampitomboana ny famoronana asa ho an’ny tanora sy ny olona manana mari-pahaizana sy traikefa tokony ho trandrahina ho fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena.




