Songadim-baovaoToekarenaTrangam-piaraha-monina

ADY AMIN’NY FANONDRANANA TSY ARA-DALANA: Vatosoa 47 karazana manodidina ny 55 taonina sarona

Olona roa no voasambotra avy hatrany taorian’ny fanatrarana vatosoa 47 karazana manodidina ny 55 taonina, nataon’ny teo anivon’ny Polisin’ny Harena an-kibon’ny Tany (Police des Mines). Tsy tomombana ny antontan-taratasy manaporofo ny maha-ara-dalàna ny fitazonana ireo vato maro be ireo teto an-drenivohitra, rehefa nanatanteraka ny fisavana ny tomponandraikitra, araka ny fanazavana. Nogiazana avy hatrany, noho izany, ireo vato ireo, ary efa mandeha ny famotorana.

Vatosoa milanja 55 Taonina eo ho eo no saron’ny Polisin’ny Harena an-kibon’ny tany (Police des Mines) teto an-drenivohitra, teny am-pelatanan’ny mpandraharaha vato tsy ara-dalàna. Araka ny fampitam-baovao, tsy tomombana ny antontan-taratasy manaporofo ny maha-ara-dalàna ny fitazonana ireo vato maro be ireo tany amin’ireo nahitana izany, rehefa nanatanteraka ny fisavana ny tomponandraikitra. Misy karazany 47 ireo vatosoa tratra ireo, ary amin’ny endriny samihafa. Eo am-panatanterahana ny tombam-bidin’ireo vato ireo ny tomponandraikitra manam-pahaizana amin’izany ankehitriny, raha ny fanazavana hatrany.

Olona ahiahina miisa roa no voasambotra tamin’ity raharaha ity ankehitriny, ary efa hanaovana famotorana. Manoloana ny fandikan-dalàna izay mitranga dia nogiazana ireo vato ireo, eo am-piandrasana izay ho tohin’ny raharaha, araka izay takian’ny lalàna.

Manoloana ity tranga ity, nanamafy ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika, Andriamatoa Rakotomalala Herindrainy Olivier, fa ny Fitondram-panjakana ankehitriny dia tsy manaiky mihitsy ny gaboraraka amin’ny fitrandrahana tsy nahazoana alalana, ny fivarotana sy ny fikirakirana tsy manara-dalàna ireo harem-pirenena. Nentanin’ity tomponandraikitra ity, araka izany ireo izay liana amin’ny seha-pihariana harena an-kibon’ny tany, mba hanatanteraka izany ao anatin’ny sehatra ara-dalàna hatrany ka hanatona ireo biraom-paritry ny Ministera miparitaka manerana ny Nosy.

 Mitohy ny ezaka fanadiovana sy fanavoazana

Araka izany, mitohy hatrany ny fanadiovana, fanatsarana ary fanavaozana apetraky ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika amin’ny fitantanana ny sehatra iandraiketany, ary nahitam-bokany indray, araka izany, ny hetsika tafiditra ao anaty ady amin’ny fitrandrahana sy fivarotana vatosoa tsy ara-dalàna. Tsara ny manamarika fa ny fitrandrahana, fivarotana, fitazonana, fitaterana, fanondranana, na izay endrika rehetra fikirakirana harena an-kibon’ny tany dia misy ny lalàna mifehy izany sy mamaritra ny antontan-taratasy ahafahana manatanteraka ny asa manodidina izany, raha ny fanambaran’ny Minisitera tomponandraikitra.

Hatreto, misongadina ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana hiadiana amin’ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fanondranana ny harem-pirenentsika. Raha tsiahivina, fepetra maro ihany koa no mbola noraisin’ny Fanjakana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, hisorohana ny fanondranana an-tsokosoko. Isan’izany ny tokony hanomezana fampiofanana manokana an’ireo mpiasa eny anivon’ny seranana. Eo koa ny fanaraha-maso ny arofenitra na “protocoles” eo anivon’ny minisitera sy andrim-panjakana. Hisy koa, ohatra, ny fijerena izay hanatsarana ny toerana hametrahana ireo “caméras de surveillance” rehetra mba ahafahan’ny Fanjakana manara-maso tsara ny fijerena ireo mety ho endrika fanondranana antsokosoko. Ampahany ihany ireo fa maro ireo fepetra sy fanatsarana natao mba hisorohana ity fanondranana an-tsokosoko ity.

Fermer