
PolitikaSongadim-baovaoSosialyToekarena
FEPETRA AMIN’NY FIAKARAN’NY VIDIM-PIAINANA: Noferana ny vidin’ny entana ilaina andavanandro
Niainga tamin’ny fifandresen-dahatra teo amin’ny Fanjakana sy ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny varotra (Mpanafatra entana, mpamongady, mpaninjara), nivoaka omaly ny vidin’entana farany ambony amin’ireo entana ilaina andavanandro, izay hihatra manomboka amin’ny alatsinainy izao. Isan’izany ny Vary nafarana izay hojifaina 2.200 Ar/kilao, Menaka mandry: 7600 Ar/litatra, Siramamy Namakia : 2750 Ar/ kilao, Lafarinina: 3600 Ar/kilao, Simenitra : 39000 Ar/lasaka, sy ny sisa hafa.
Ankoatra ny krizy ara-tsosialy navelan’ny valanaretina Covid-19, manampy trotraka mampiakatra ny vidim-piainana ihany koa ny zava-misy maneran-tany, izay miantraika betsaka aty amin’ny tany andalam-pandrosoana tahaka an’i Madagasikara, raha tsy hilaza afa-tsy ny ady eo amin’ny Okraina sy Rosia. Miakatra ny saram-pitaterana an-dranomasina vokatr’izany. Ny 80%-n’ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro eto Madagasikara anefa dia mbola afarana avokoa. Dikany, tsy maintsy misy fiantraikany amin’ny vidin’entana eto amintsika izany.
Tsy mitazam-potsiny anefa ny Fitondram-panjakana eo anatrehan’izany, fa mitady vahaolana. Tafiditra ao anatin’izany ity famerana ny vidin’entana farany ambony amin’ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ity. Izany dia nialohavan’ny fifandresen-dahatra teo amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, sy teo amin’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolo varotra, manomboka any amin’ny mpanafatra entana, ireo mpamongady, ary ireo mpaninjara.
Hihatra mandritra ny telo volana
Fepetra noraisin’ny Fanjakana miainga amin’ny lalàna 2018-020 mifehy ny fifaninanana ny famerana ny vidin’entana farany ambony sy ny tombony azon’ireo mpisehatra ara-barotra alaina eto amin’ny Faritra Analamanga. Hihatra manomboka ny Alatsinainy izao izany, eny anivon’ireo mpaninjara, ary hitohy mandritra ny telo volana. Mihatra miaraka amin’ny saran-dalana alaina kosa ho an’ny faritra hafa. Araka izany, ho an’ny vary nafarana avy any ivelany dia amin’ny vidiny 2.200 ariary ny kilao no hanjifan’ny mpanjifa azy. Ny Menaka mandry: 7600 ariary ny litatra, Menaka Soja : 9100 ariary ny litatra, Menaka Soja amin’ny tavohangy : 9500 ariary ny litatra, Siramamy Namakia : 2750ariary ny kilao, Siramamy Ambilobe : 2600 ariary ny kilao, Siramamy nafarana avy any ivelany: 3600 ariary ny kilao, Lafarinina vokarina eto an-toerana sy avy any ivelany: 3600 ariary ny kilao, Simenitra : 39000 ariary ny lasaka. Ny Entona fandrehitra kosa dia Tazonina mandritra ny 3 volana ny vidin’ny Vitogaz 4kg : 24 .500 ar sy ny 9kg : 57 .700 ar, Ferana ho 82.500 ar ny 12kg vidiny farany ambony.
Hosazina izay mandika lalàna
« Manentana ireo mpanjifa ilaza ety anivon’ny MICC raha toa mahita tsy fanajana ny vidin’entana efa nifanarahana », hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy, omaly. Nambarany fa ho hentitra ny fanarahamaso. Nampitandrina ireo mpandraharaha rehetra voakasika ny Minisitera fa tsy hilefitra intsony raha toa ka misy tsy fanarahana sy tsy fanajana ny famerana hapetraka. Hiroso amin’ny fampiharana ny lalàna voalaza etsy ambony ao amin’ny andininy faha-55 sy faha-62 raha misy tsy fanajana io famerana nifanarahana io. Nambaran’ny Minisitra fa isan’ny sazy mety hihatra amin’ireo mpanafatra na mpamongady, na mpaninjara mandika lalàna, ny fisintomana ny fahazoan-dalana manafatra entana, ny fanakatonana ny tsena, sy ny sisa. Marihina fa efa nandraisana fepetra famerana avokoa na ny sarany hamarotan’ny mpanafatra entana amin’ny mpamongady, na ny sarany hamarotan’ny mpamongady amin’ny mpaninjara.



