Songadim-baovaoSosialy
FITAKIANA TAMBIN-KARAMA, VATSIM-PIANARANA: Nitrangana savorovoro indray teny Ankatso omaly
Hatreto dia antony eo amin’ny fikirakirana ny lafiny ara-pitantanan-draharaham-panjakana (procédure) hatrany no ambaran’ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Mesupres), fa mahatonga ny fahataran’ny fandoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra, sy ny tambinkaraman’ny mpandraharaha. Ny Mesupres izay miara-miasa amin’ny Minisitera misahana ny Paositra amin’ny fizarana ny vatsimpianarana amin’ny alalan’ny nomerika.
Fitokonana roa sosona no niseho teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo omaly, izay ahina hitondra mankany amin’ny fitokonana faobe, raha ny zava-nitranga. Efa nanomboka ny fitokonana ny mpandraharaha na « Personnel Administratif et Technique » (PAT), ny 04 avrily teo. Nitaky ny fandoavana manontolo ny tambin-karama tsy voaloa teo aloha (volana novambra sy desambra), ary ny fandoavana ny karama volana marsa izy ireo. Fitakiana izay mbola nitohy omaly. Nihidy ny ankamaroan’ny birao sy ny vavahadin’ny oniversite, ary nanano sarotra ny fifamezivezena teny an-toerana omaly, noho io fitokonana ataon’ny mpandraharaha io. Ho an’ny PAT dia ny efa nisy ireo efa nahazo ny karamany novambra sy desambra ary misy ireo mbola tsy nahazo mihitsy. Ny fitakiana ny « indemnité de technicité » ihany koa no anisany takian’izy ireo amin’izao fitokonana izao. Ankoatra izay dia mangataka izy ireo mba hisy daty voafaritra amin’ny fandoavana ny karaman’izy ireo.
Mpianatra naratra
Tetsy ankilany, nanaraka ny fitokanana ihany koa ireo mpianatra. Misy amin’ireo mpianatra no nanambara fa tsy tafiditra tao anaty lisitra amin’ny fahazoana vatsim-pianarana ny anarany. Misy efa nahazo karatra ahafahana mandray ny vola eny anivon’ny Paositra no manambara fa tsy misy sora-bola izany karatra izany. Misy ireo manambara fa notrohin’ny Paositra ny ambim-bola tsy noraisina fa natao tahiry. Ho an’ny mpianatra amin’ny fakioltenan’ny Siansa dia ny 40% no nahazo vatsim-pianarana. Takin’izy ireo ny hahazoan’ny 100%-n’ny mpianatra. Teo anatrehan’izany, nisy ny fitoraham-bato avy tamin’ireo mpianatra ary nitohy hatramin’ny tolakandron’ny omaly izany. Mazava ho azy, niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana ary voatery nampiasa baomba mandatsa-dranomaso mba hanasarahana ireo mpianatra nifampitoraka.
Araka ny fanazavana, nisy fifampitorahana teo amin’ny samy mpianatra ny marainan’ny omaly. Voalaza fa nitarika ny mpianatry ny Sampana Toekarena ny avy ao amin’ny « Fakiolten’ny Médecine ». Tsy nanaraka izany ny mpianatra avy eo amin’ny Sampana Toekarena ka niafara tamin’ny fifampitorahana. Nisy ny naratra mafy ary efa nalefa notsaboina etsy amin’ny hôpitaly HJRA Ampefiloha.
Fifampiresahana tamin’ny tomponandraikitra mahefa
Voalaza hatrany fa nisy ny dinika nifanaovana tamin’ny talen’ny kabinetran’ny minisitera misahana ny fampianarana ambony. Taorian’ny fifampiresahana tamin’ny tomponandraikitra mahefa, nandray ny karama volana marsa ny mpandraharahan’ny Oniversiten’Antananarivo omaly, hoy ny filohan’ny Sendikan’ny PAT (personnel administratif et technique), Rakotoson Pierre. Omaly maraina no nandraisana ny vola teny anivon’ny Paositra. Ny tapany hariva kosa ho an’ny mandray izany amin’ny banky. Mbola tsy nahazoana valiny mazava kosa, hoy izy, ny fitakiana ny tambin-karama volana novambra sy desambra. Noraisin’ny Fiadidiana ny Oniversite ny fikarakarana ny fanafainganana ny antontan-taratasy famoahana izany tambin-karama izany.




