
KolontsainaSongadim-baovao
FAMPIDIRANA HO HAREMBAKOKA MANERAN-TANY: Tafapetraka eo anivon’ny Unesco ny antontan-taratasy momba ny « hira gasy »
Mifandrimbona amin’ny fanatanterahana ny Velirano faha 13 nataon’ny Filoha Andry Rajoelina, izay mametraka fa ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena dia tokony ho hampiakarana ny hambompom-pirenena, ireo dingana rehetra vitan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izao hatreto, amin’ny fampidirana ho harembakoka maneran-tany ireo singa mampiavaka an’i Madagasikara. Anisan’ny ezaka efa vita ny fampidirana ny Kabary Malagasy ho harembakoka tsy azo tsapaintanan'ny zanak'olombelona. Efa andalana koa izao ny “Hira gasy”.
Tafapetraka teo anivon’ny « secrétariat de la convention pour la sauvegarde du patrimoine culturel immatériel – patrimoine vivant secteur de la culture » eo anivon’ny Unesco Paris omaly ny antontan-taratasy ho fampidirana ny hira gasy ho isan’ny harembakoka tsy azo tsapaintanan’ny zanak’olombelona na patrimoine culturel immatériel de l’Humanité. Nandray izany avy amin’ny Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo ny Sekreteran’ny Fifanarahana Iraisam-pirenena ho an’ny Fiarovana sy Fikajiana ireo Harembakoka tsy azo tsapaintanana eo anivon’ny Unesco, Tim Curtis. Izao dingana izao dia tafiditra indrindra anatin’ny fanandratana avo ireo Kolontsaina mampiavaka antsika Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, araka ny fanazavana. Raha tsiahivina, dia efa nanambara ity firosoana amin’ny dingana fampidirana ho isan’ny harentsaina tsy azo tsapaintanan’ny zanak’olombelona ny hira gasy ity ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, nandritra ny lanonana fanamarihana fanombohan’ny taom-pikatrohana 2022 ho an’ny mpiangaly hira gasy eto amintsika, ny 27 Marsa 2022 teo.
Tsara tsindriana koa fa volana vitsivitsy mialohan’ny hivoahan’ny valin’ny fangatahana momba ny « kabary malagasy » no efa nanomanan’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ankehitriny an’ity antontan-taratasy momba ny « hira gasy » ity. Aorian’izao nametrahan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina azy tamin’ny fomba ofisialy teo anivon’ny Unesco izao, dia mandinika ny antontan-taratasy ny Unesco ka mbola manana 3 volana avy eo ny Fanjakana malagasy hamenoana azy raha misy fanampim-panazavana ilain’ny Unesco.
Fahatelo taorian’ny taohazon’ny Zafimaniry sy ny Kabary malagasy
Raha tsiahivina, ny 15 Desambra 2021 tamin’ny roa ora sy efapolo minitra tolakandro (ora malagasy), no nankatoavin’ny Komity iraisam-pirenena momba ny Fifanarahan’ny Unesco ny fanoratana ny Kabary malagasy ho ao anatin’ny lisitry ny « harentsaina tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanak’olombelona » (Patrimoine Culturel Immatériel de l’Humanité). Ny Kabary, araka izany, no harentsaina faharoa tafiditr’i Madagasikara ho ao anatin’ny lisitry ny « harentsaina tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanak’olombelona », 13 taona aty aorian’ny nahatafidirana ny fahaizana taohazon’ny Zafimaniry. Ity farany izay tafiditra ho “Patrimoine Culturel Immatériel de l’Humanité », ny taona 2008.
Aorian’ny faneken’ny Unesco ny fangatahan’i Madagasikara, noho izany, dia ny « hira gasy » no ho « harentsaina tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanak’olombelona » fahatelo ho antsika. Tsara marihina fa mandritra ny fotoana maharitra ny dingana fampidirana singa iray ho harembakoka maneran-tany na iraisan’ny zanak’olombelona. Raha ho an’ny kabary malagasy izao, dia efa tamin’ny ny 30 mars 2020 ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina no nametraka fangatahana teo anivon’ny Unesco mba hampidirana ny Kabary malagasy ho isan’ny « vakoka ara-kolotsaina tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanak’olombelona ». Efa taty amin’ny fiafaran’ny taona 2021 anefa vao nahazo ny fankatoavan’ny Komity iraisam-pirenena momba ny Fifanarahan’ny Unesco ny fanoratana azy.
Izao dingana vitan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izao dia mifandrimbona amin’ny fanatanterahana ny Velirano faha 13 nataon’ny Filoha Andry Rajoelina, izay mametraka fa ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena dia tokony ho hampiakarana ny hambompom-pirenena, hoy ny Minisitra Tomponandraikitra.




