Manokana Covid-19

FIATREHANA COVID-19: Marefo ireo miankin-doha amin’ny zava-mahadomelina

Anisan'ireo olona marefo ara-pahasalamana ny olona miankin-doha amin'ny zava-mahadomelina. Atahorana ihany koa izy ireo, amin'ity valanaretina covid-19 ity, ka tokony hiala amin'izany, ary hitandrina hatrany.

Anisan’ireo olona azo sokajiana ho marefo manoloana ny valanaretina covid-19, ireo olona miankin-doha amin’ny zava-mahadomelina, raha tsiahivina. Nohamafisin’ny dokotera Andriamiarinarivo Miarintsoa izany, omaly, ary nambarany fa tsy ireo lazaina fa marefo voatanisa ombieny ihany no lazaina fa atahorana amin’ity valanaretina ity, fa eo koa ireo mpifoka sigara sy rongony, mpisotro toaka sy mpitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika. Ankoatra ireo zokiolona, diabetika, manana tosi-drà ambony, aretin-tratra mitaiza, aretim-po maharitra, homamiadana, izay isan’ireo marefo, tafiditra amin’izany koa ireo miankin-doha amin’ny zava-mahadomelina. Ireo mpandray zava-mahadomelina dia fantatra fa marefo, noho ny fahasimban’ny taova ao anatiny. Fa ireo misotro sy mandray azy ireny tafahoatra, na mitady azy tsy an-kijanona no atao hoe miankin-doha. Namafisin’ny dokotera Miarintsoa, fa ankoatra ny fahasimban’ny taovan’izy ireny, eo koa ny voka-dratsiny hita ety ivelany, toy ny tsy fahitan-tory, mangovitra tsy mahazo aina, sy ny sisa. “Ireny zava-mahadomelina ireny, anefa, dia manimba ny fo sy ny lalan-drà, ny tratra izay saropady indrindra fa mora hidiran’io valanaretina mbola mitoetra eto amin’izao io”, nanampy fanazavana ny mpitsabo. Ireo marefo voatanisa rehetra ireo, no tena maro tonga amin’ny faharariana mafy eo amin’ny covid-19, raha tsiahivina hatrany. Fa poizina maro koa no tafiditra anatin’ny rà, rehefa mandray ireny karazan-java-mahadomelina ireny, izay mahatonga faharefoan’ny hery fiarovana. Ilaina araka izany, ny miala amin’izy ireny, ny fijerena tsy tapaka ny tahan’ny diabeta anaty, ny fanaovana fampiasam-batana matetika, ary ny fandanjalanjana sakafo miampy rano sotroina. Ilaina fehezina hatrany koa ny fihetsiky ny fo, raha tsiahivina.

Nitondra fanazavana ny dokotera Andriamiarinarivo Miarintsoa, avy amin’ny Aro aina

 

Fermer