PolitikaSongadim-baovaoToekarena
FISOKAFAN’NY SISINTANY: Mpizahatany miisa 319 avy any Italia nigadona tao Nosy Be
Sidina voalohany noraisin’i Nosy Be taorian’ny fikatonana efa ho roa taona mahery ny sidin’ny Kaompaniam-pitaterana Neos, izay nitondra mpizahatany miisa 319 avy any Italia. Velom-bolo ny mponina. Ny toekaren’i Nosy Be izay saika miankina tanteraka amin’ny sehatry ny fizahantany. Amin’izao fisokafany izao, noraisina avokoa ny fepetra rehetra momba ny fahasalamana ary tsy maintsy atao fitiliana TDR ireo mpandeha rehetra tonga.
Roa taona sy tapany mahery izao no nampikatso ny sehatry ny fizahantany tao Nosy Be. Efa ela, araka izany, no niandrasan’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany sy ireo vahoaka ny fahatongavan’ny sidina avy any ivelany, izay tena iankinan-javatra maro. Omaly, mpizahatany miisa 319, avy any Italia, no tonga tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Fascene Nosy Be, tamin’ny sidina Neos, izay voalohany nigadona tao an-toerana taorian’ny fikatonana noho ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19.
“Saika voahaja avokoa ireo fandaminana sy lamina ary fepetra izay napetraka teto amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Fascene Nosy Be nandritra ny fandraisana sy fitsenana ireto vahiny ireto. Tsy dia nahitana lesoka loatra izany, na tsy dia tratra 100% aza ny tanjona tiana ho tratrarina” hoy Joël Randriamandranto, Minisitry ny Fizahantany, izay nanamarika izao fanombohan’ny sidina izao, niaraka tamin’ny minisitry ny Fitaterana sy Famantarana ny toetrandro Ranjatoelina Rolland. Marihina fa noraisina avokoa ny fepetra rehetra momba ny fahasalamana ary tsy maintsy atao fitiliana TDR izy ireo .
Hitohy isa-kerinandro ny sidina any an-toerana
“Manaporofo izao fa liana hitsidika sy hisafidy an’i Madagasikara ny mpizahatany vahiny, fa indrindra nisafidy manokana an’i Nosy Be. Mila mitandrina, araka izany, ny rehetra amin’ny resaka tsy fandriampahalemana mba tsy ho vato misakana tsy hahatongavan’izy ireo eto Nosy Be. Efa vonona amin’izany ny Mpitondra sy manampafehana eto an-toerana” hoy Ramanamahafahay Malaza, Préfet de Police Nosy Be. Araka ny fanazavana, hitohy isa-kerinandro ny sidina any an-toerana, ka amin’ny herinandro ho avy io dia mbola hiverina eto indray ity sidina ity hitondra mpizahatany hafa. Ho avy ao Nosy Be koa ny sidina avy ao amin’ny Nosy Mayotte amin’ny alahady ho avy io.
50%-n’ny mponin’i Nosy Be sisa no nahaloa hetra
Tsara tsindriana fa miankina amin’ny fizahan-tany ny fiainan’ny mponina andavanandro ao Nosy Be. Ny ankamaroan’ny velon-tena sy ny fitadiavam-bola any an-toerana dia miankin-doha amin’ny sehatra ny fizahantany, ka raha nikatso izany nandritra ny 02 taona sy tapany dia maro ny sahirana sy nitondra faisana. Tsy vitsy ireo nivaro-pananana sy tsy nahaloa hofan-trano, ary tsy afaka mampianatra zanaka. Hanala ny ampahany betsaka amin’ny fahasahiranan’ny mponina ao Nosy Be noho izany, izao fisokafana izao.
Anisan’ny sahirana tamin’ny fikatonan’ny sisintany ihany koa ny Kaominina Ambonivohitra Nosy Be. Ny 50%-n’ny mponina amin’izao fotoana izao dia tsy mahaloa hetra avokoa noho ny fahasahiranana, hoy ny ben’ny tanàna Vita Gilbert.
“Fanokafana sy fanombohana ihany izao fa hitohy tsy ankijanona amin’izay ny fidiran’ireo sidina avy ivelany hiditra eto Madagascar fa indrindra ny Nosy Be”, hoy ny fanazavan’ireo Minisitra tomponandraikitra.



