Songadim-baovaoToekarenaTrangam-piaraha-monina
DISTRIKAN’I MANANJARY – VATOVAVY: Teratany sinoa telo sy Malagasy dimy sarona nitrandraka volamena tsy ara-dalàna
Efa voarohirohy tamina raharaha fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna tao Anosimparihy ny iray tamin’ireo teratany Sinoa telo tra-tehaka niaraka tamin’ny Malagasy miisa dimy, tao amin’ny Kaominina Ambohimiarina, Mananjary ny talata 12 Aprily 2022 teo. Izy ireo izay nampiasa sambo misy fitaovana fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna (drague à godets), ary tsy nanana fahazoan-dalana hitrandraka. Nakatona ny fitrandrahana nataon’izy ireo, ary efa mandeha ny famotorana.
Sambo tsy fanta-pototra misy fitaovana fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna na “drague à godets” no nakatona taorian’ny fidinana ifotony notontosain’ny fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany Vatovavy sy Fitovinany sy ny Zandarmariam-pirenena Antsenavolo ny Talata 12 Aprily 2022. Fitoriana avy amin’ny mpandraharaha tompona fahazoan-dalana ao amin’ny Fokontany Sahasondroka, Kaominina Ambohimiarina, distrikan’i Mananjary noho ny fisiana “drague” mandalo eo amin’ny fari-pitrandrahany no niaingan’ny fidinana nataon’ny manampahefana.
Hita tao anaty “drague” nandritra ny fidinana ifotony ny teratany Sinoa 3 lahy miampy Malagasy 5, izay vehivavy ny iray. Ireo olona sarona ireo izay natao famotorana avy hatrany. Marihina fa ny iray amin’ireo teratany Sinoa dia efa voarohirohy tamin’ny raharaha « drague » tsy ara-dalàna tao Anosimparihy. Raha ny loharanom-baovao ihany dia sambo fitrandrahana volamena (drague) efa nogiazana tao amin’ny Kaominina Marokarima ihany koa no nampiasain’izy ireo indray ka izao tratra izao. Nisy, araka izany, ny fandikan-dalàna “bris de scellé” nataon’izy ireo.
Fepetra fanakatonana
Solika, »Tapis » fanivanam-bolamena, « mercure » no anisan’ny fitaovana nampiasain’ireto farany nanaovana fitrandrahana tsy ara-dalàna tao an-toerana, izay marihina fa ny « mercure » dia singa mitera-doza amin’ny fahasalamana. Maro anefa ny mponina izay mampiasa ny rano nitoeran’ny « drague » nampiasain’ireto mpitrandraka tsy ara-dalàna ireto, raha ny fanazavana. Nakatona avy hatrany ny fitrandrahana, ary napetraka vonjimaika ao amin’ny biraon’ny Zandarimaria ireo fitaovana mandram-pamindra azy any amin’ny Fitaleavam-paritry ny harena an-kibon’ny tany Vatovavy, raha ny nambaran’ny Tale iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany Vatovavy Ria Raonison. Efa mandeha ny famotorana ary hampitaina miandalana ny tohin’ny raharaha.
Nanamafy ny teo anivon’ny Minisitera tomponandraikitra fa mitohy hatrany ny fanadiovana sy ny ady amin’ny gaboraraka eo amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany.



