Kolontsaina
TARIKA TAFA-1 Hampirevy ny vahoakan’i Manjakandriana ny alatsinainy ho avy izao
Avy tao ambanivohitr’i Fianarantsoa ao amin’ny kaominina Mahasoabe, ny alahady 10 aprily lasa teo, dia hitodika miatsinanana indray, ao amin’ny distrikan’i Manjakandriana, ny tarika Tafaray “Ainga Production” ny alatsinain’ny Paka ho avy izao, hitondra ireo hira namantarana azy hatramin’izay tao amin’ny tarika Ny Ainga. Raha ny fantatra, ny 50%-n’ireo hira nirain’ny tarika Ny Ainga hatramin’izay dia hira noforonin’i Om-Gui avokoa, raha ny 40% an’i Dominique, ary ny 10% an’i Douda. Nambaran’i Dô, noho izany, fa zon’izy mirahalahy tanteraka izay efa tao amin’ny tarika niaingany io ny maka sy mampiasa ny sangan’asany ao amin’ny tarika vaovao entiny, miaraka amin’ireo hira noforonin’i Om-Gui, izay tsy misy olona tokony hanakatsakana izany velively, raha ny nambarany.

Ny ankamaroan’ireo mpikambana mandrafitra ny tarika Tafaray, manomboka amin’ny mpitarika, toa an-dRabesaiky Dominique Marie (Dô) sy Rabesaiky Xavier Marie (Douda), izay samy rahalahin’i Om-Gui, dia hita ao avokoa. Tsy zoviana amin’ny maro ry Tantely sy Taniah, ary Papalova sy ny sisa, izay efa niara-namaky lay tamin’io andrarezin’ny mozika “Country malagasy” teto io, fony fahavelony. Nambaran’i Dô, hatrany, fa ny anaran’ny tarika no vaovao, fa ny fomba rehetra nentina nampitàna hafatra ho an’ny vahoaka sy ny mpankafy hatramin’izay, tsy miova, ary nohatsaraina. Raha ny fampisehoana notanterahin’izy ireo tao Mahasoabe, ny masoandro mody no nampalahelo tamin’izany, satria na dia efa nigadona aza, ny “Antalaha souvenir”, hira matetika hamaranan’ny tarika ny fotoana, dia tsy afa-po, ary nalai-nisaraka tamin’ny tarika ireo vahoaka anarivony nijery ny fampisehoana. Tsy ho latsa-danjan’izany ny ao an-kianja malalaky ny tampon-tanànan’i Manjakandriana, raha ny nambaran’i Dô, ary ny kanto indrindra hatrany no hatolotr’izy ireo ny mpankafy.




