PolitikaSongadim-baovao

TOHANA HO AN’I MADAGASIKARA: Nanome famatsiambola fanampiny 25,1 tapitrisa dolara ny USAID

Taorian’ny fanampiana ara-bola nomen’ny Banky iraisampirenena dia ny USAID indray no naneho fanohanana an’i Madagasikara tamin’ny alalan’ny fanomezana vola mitentina 13,9 tapitrisa dolara hanatanterahana ny tetikasa eo amin’ny lafiny tontolo iainana eto amin’ny Firenena, ary 11,2 tapitrisa dolara hanatsarana ny fahafaha-miatriky ny mponina. Ireo no nivoitra nandritra ny fihaonana teo amin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny USAID.

Mihamafy, ary mahazo aina vaovao ny fiarahamiasan’i Madagasikara sy ny USAID. “Mpiara-miombona antoka akaiky sy mahatoky ny firenena Malagasy ny USAID nandritra izay taona maro izay. Teo anilantsika ary nanohana antsika mandrakariva amin’ny sehatr’asa maro fa indrindra amin’ny famahana ireo olana maro mianjady amin’ny mponina any atsimon’ny Nosy”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Nandritra ny fihaonana teo amin’ny Filoha malagasy sy ny tomponandraikitra voalohany ao amin’ny USAID, Samantha Power, tao Washington DC, nisy ny fanaovana jery todika ny fiarahamiasa teo amin’i Madagasikara sy ny USAID hatramin’izay. Tapaka, nandritra io fihaonana io ihany koa fa hanome famatsiam-bola fanampiny ho antsika ny USAID. Ny voalohany dia mitentina 13,9 tapitrisa dolara hanantanterahana ny tetikasa eo amin’ny lafiny tontolo iainana. Ny faharoa kosa dia 11,2 tapitrisa dolara hanatsarana ny fahafaha-miatriky ny mponina.

Famatsiambola marolafy

Fahombiazana tanteraka, noho izany, no azo hisokajiana ity dian’ny Filoha tany Washington DC ity. Ankoatra ny 415 tapitrisa dolara azo tamin’ny Banky iraisampirenena ho fanatanterahana drafitra nasionaly fanarenana, dia nahazo ilay 400 tapitrisa dolara koa isika, izay hamatsy ny fanamboarana ireo lalana any amin’ny faritra Avaratra Andrefana (RN31) sy any Atsimon’ny Nosy (RN10). Isan’ireo lalam-pirenena voakasik’ity famatsiam-bola nomen’ny Banky Iraisam-pirenena ity ny lalana mirefy 400 km ao amin’ny RN10 izay mampitohy an’Andranovory sy Ambovombe, mampifandray Faritra 3 dia Androy, Atsimo Andrefana ary Anôsy. Eo koa ny lalana mirefy 100 km eo anelanelan’i Mangaoka sy Bealanana, ao amin’ny RN31. Fa ankoatra ireo, mbola tamin’ity dian’ny Filoha tany Washington DC ity ihany koa no nahazoana ilay famatsiambola mitentina 134,9 tapitrisa dolara, izay hanohana an’i Madagasikara amin’ny ezaka efa ataon’ny Fitondram-panjakana amin’ny fiatrehana ny fiantraikan’ny valanaretina amin’ny sehatra rehetra sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana sy ny fitsaboana eny ifotony.

Nanambara ny Filoha Andry Rajoelina fa ny fahavitan’ireo fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa ireo dia midika fa mipetraka ny tsara ny fiarahamiasa eo amin’I Madagasikara sy ny Banky Iraisampirenena. Ary koa, manaporofo ny finiavan’ny Banky iraisampirenena hanome tanana ny fampandrosoana ny Firenena.

Fermer