
PolitikaSongadim-baovao
DEPIOTEN’I TSIROANOMANDIDY: « Atsaharo ny adilahy politika fa tsy mahasoa »
Manoloana ny fihetsika ataon’ny tomponandraikitra sy mpanao politika sasantsasany eto amin’ny firenena, dia naneho ny heviny Solombavambahoakan’i Madagasikara, voafidy tao amin’ny Distrikan’i Tsiroanomandidy, Harson Raholijaona, omaly. Novakiany bantsilana ireo tomponandraikitra sasany izay manao antsojay ireo ben’ny tanàna any amin’ny toerana samihafa, toy ny mahazo ireo ben’ny tanàna Freedom ao amin’ny Faritra Bongolava. “Amin’ny maha depioten’i Tsiroanomandidy ny tenako no hiantsoko: Atsaharo ny adilahy politika fa tsy mahasoa izany”, hoy ny fanambarany. Any amin’ny fifidianana Filoham-pirenena, solombavambahoaka, ary kaominaly, hoy izy, raha te hifaninana. Notsindriany fa tsy fotoanan’ny fanalana tomponandraikitra amin’ny toerany intsony izao, fa fotoanan’ny asa. Tsy fotoanan’ny ady intsony izao fa fotoana fitanisana ny zava-bita, hoy hatrany izy. Ny tenany izay niantso ireo vahoaka tao amin’ny Kaominina Tsinjoarivo, izay nanaovany kabary omaly, ny mba tsy hanekena ny fanaovan’ny mpanao politika sasany fitaovana politika azy ireo. Misy efa mitongilana any amin’ny tsy izy, hoy izy, ny fanenjehana ataon’ny olona sasany. Misy efa mahakasika fiainana manokana.
Ireo rehetra ireo no anisan’ny nivoitra nandritra ny fotoam-panokanana ireo fotodrafitrasa maro sosona vita ao amin’ny Kaominina Tsinjoarivo, Tsiroanomandidy. Fotoana izay natrehin’ny Filohan’ny Antoko Freedom, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy.
Nandritra ny fandraisam-pitenenany, mbola nanamafy ny tokony hanatsaharana ny fanenjehana ireo ben’ny tanàna Freedom ihany koa ny Filohan’ny Antoko Freedom. Raha tsiahivina, efa nanao kabary lehibe mahakasika an’ity tranga ao amin’ny Faritra Bongolava ity, ny Filohan’ny Antoko Freedom, araka ny efa notaterina teto omaly. Nasongadiny tao anatin’izany fa misy antsojay sy ny tsindritsindry ataona tomponandraikitra (olom-boafidy, olom-boatendry) sasantsasany amin’ireo olom-boafidin’ny Antoko Freedom. Isan’ireo lasibatra amin’izany ireo ben’ny tanàna lany tamin’ny Antoko Freedom ao amin’ny Faritra Bongolava. Ny 17 amin’ireo ben’ny tanàna 30 ao amin’ity Faritra ity, dia avy amin’ny Antoko Freedom avokoa. Eo anatrehan’izany, nilaza omaly ny Filohan’ny Antoko Freedom, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, fa “Izay mitady hiady amin’ny ben’ny tanàna manohana ny Filoha, na miady amin’ny ben’ny tanàna Freedom, dia miady amin’ny Filoha izy izay, satria ny Freedom dia anisan’ny voalohany manohana ny Filoha…Izay mikitikitika ny Ben’ny tanàna Freedom, dia miady amin’ny Lalatiana izy izay”. “Ohatran’ny tsy niteny izahay hatramin’izay dia nandihizana. Ampy izay!…Aoka izay ny fanenjehana ny ben’ny tanànanay miasa. Aoka izay ny fanenjehana ireo ben’ny tanàna miaraka amin’ny Lalatiana”, hoy hatrany izy nanamafy




