PolitikaSongadim-baovaoSosialy

FIATREHANA NY FIAKARAN’NY VIDIM-PIAINANA : Hiakatra ny karaman’ny mpiasam-panjakana, hiaraha-midinika ny an’ny tsy miankina

Nambaran’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, nandritra ny fanaovany ny tatitry ny diany tany Washington, omaly, fa hisy fiakarany ny karaman'ny mpiasam-panjakana, izay ho fantatra afaka andro vitsy. Hihaona amin'ny vondron'ny sehatra tsy miankina koa ny Filoha amin'ity herinandro ity hijerena ny fampiakarana ny karama ho an'ireo mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina.

Misy fiantraikany eo amin’ny sehatra iraisampirenena ny ady eo amin’ny Okraina sy Rosia, araka ny fanambaran’ny Filoha Andry Rajoelina omaly. Tsy afa-miala amin’izany isika eto Madagasikara. Ankehitriny dia saika maneran-tany no misy ny fiakaran’ny vidim-piainana. Efa miaina tanteraka ao anatin’izany koa isika eto Madagasikara amin’izao fotoana. Efa nampiomana ny vahoaka, araka izany, ny Filoha Andry Rajoelina fa tsy maintsy hisy ny fiakaran’ny vidin-tsolika, na dia mbola tsy voafaritra aza ny mety hampiharana izany. Na izany aza, niantso ny fifampitsinjovana eo amin’ny samy Malagasy ny Filoha, ary koa, niantso ny tokony hanatsaharana ny fanararaotana amin’ny endriny rehetra. « Tsy maintsy mijery ny tombontsoan’ny vahoaka ny Fanjakana”, hoy ny Filoha. Tao anatin’izany no nanambarany fa hisy fiakarany ny karaman’ny mpiasam-panjakana, ary holazaina afaka andro vitsy ny tahan’izany fiakarana izany. Etsy ankilany, hihaona amin’ny vondron’ny sehatra tsy miankina koa izy amin’ity herinandro ity hijerena ny fampiakarana ny karama ho an’ireo mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina.

Vahaolana samihafa

Marihina fa ity fepetra fampiakarana karama ity dia fitohizan’ireo fepetra efa noraisin’ny Fanjakana manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana eto amin’ny Firenena. Raha tsiahivina, tafiditra tao anatin’ny vahaolana efa nentin’ny Fitondram-panjakana ny famerana ny vidin’entana farany ambony amin’ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Izany dia nialohavan’ny fifandresen-dahatra teo amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, sy teo amin’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolo varotra, manomboka any amin’ny mpanafatra entana, ireo mpamongady, ary ireo mpaninjara. Ny Famerana ny vidin’entana farany ambony izay efa nihatra nanomboka ny 05 Aprily teo. Ankoatra izay, efa nanao tohivakana ihany koa ireo tosika ara-tsosialy isan-karazany izay nomena ireo vahoaka tena marefo ara-pivelomana, ahafahan’izy ireo miatrika ny zava-misy, toy ny haraton’aina, vatsy tsinjo, tosika fameno, sy ny sisa. Nitohy hatrany koa ny fanafarana ny Vary tsinjo izay amidy amin’ny vidiny mora kokoa.

Fermer