PolitikaSongadim-baovao
VAHAOLAN’NY HAINTANY ANY ATSIMON’NY NOSY : Afa-po tamin’ny fandaharanasan’ny Filoha ny Unicef
Noraisin’ny Filoha Andry Rajoelina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha omaly, ny Talem-paritry ny Unicef na ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana ho an'ny ankizy , misahana ny faritra Atsinanana sy Atsimon’i Afrika, Mohamed Moustapha Malick Fall. Nahafaly ity tomponandraikitra ity manokana ny vina mitsinjo lavitra natolotry ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, indrindra ireo vahaolana momba ny faritra Atsimon'ny Nosy.
Afa-po tamin’ny fandaharahanasa noresahin’ny Filoha Andry Rajoelina, entin’i Madagasikara miarin-doha taorian’ireo voina sy dona mafy nahazo ny firenena ny Talem-paritry ny Unicef, misahana ny faritra Atsinanana sy Atsimon’i Afrika, Mohamed Moustapha Malick Fall. Nivoitra io nandritra ny fihaonana teo aminy sy ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina omaly teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Isan’ny voaresaka tamin’izany ny fandaharanasan’ny Fanjakana momba ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana, ny fanabeazana sy ny fiahiana ara-tsosialy. Mahavelom-bolo ity tompon’andraikitra ity ihany koa ireo paikady lavitr’ezaka napetraky ny Filoha Andry Rajoelina hanafoanana ny haintany any Atsimo. « Zava-dehibe ny fametrahan’ny Filoha Andry Rajoelina toerana lehibe ny rano ho paikady maharitra amin’ny ady amin’ny hain-tany sy ny tsy fanjariantsakafo », hoy izy. Tafiditra ao anatin’izany ny rano amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana.
Vonona hanohana ny Unicef
Tsiahivina fa efa tany amin’ny taona 1 930 no nisy ny haintany tany Atsimo, ary mbola miaina ny vokatry ny haintany mafy ihany koa ny mponina any an-toerana mandrak’ankehitriny. Nametraka, araka izany, ity tomponandraikitra ity fa tokony hiara-hisalahy ireo mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara amin’ny fikarohana vahaolana maharitra ho an’ny any Atsimo. Anisan’ny efa nanome valin-teny fa hanohana an’i Madagasikara ny Unicef, indrindra amin’ny sehatry ny rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana. Vonona hampihatra ny fahaiza-manaony amin’ireo sehatra ireo ny Unicef, na amin’ny lafiny hamehana, na ho amin’ny sehatry ny fampandrosoana, araka ny fanambarana omaly. Miantso ireo mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara kosa ny Unicef mba hifanampy amin’ny Fanjakana malagasy amin’izany.
Asa maika
Tsara ho fantatra fa isan’ny nahavoadona mafy an’i Madagasikara ny vokatry ny fiovaovan’ny toetry ny andro, izay miseho amin’ny alalan’ny haintany ho an’ny faritra atsimon’ny nosy. Teo koa ny rivodoza efatra nisesy tao anatin’ny iray volana tamin’ity taona ity. Mariky ny fanehoan’ny Unicef ny firaisankina sy ny fiaraha-mientana amin’i Madagasikara ihany koa, araka izany, izao fahatongavan’andriamatoa Mohamed Moustapha Malick Fall izao. Isan’ny votoatin’ny fihaonana rahateo ny fifampiresahan’ny roa tonta ny zava-misy iainan’ny vahoaka manoloana ireo dona mafy mahazo ny Firenena malagasy ireo. Noresahina tao anatin’izany ihany koa ireo asa maika nofaritan’ny Fanjakana malagasy mila tanterahina manoloana ireo dona mafy ireo. Izany no nahafahan’ny roa tonta nanamafy ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Unicef amin’ny fanatanterahana ireo asa maika.




