
KolontsainaPolitikaSongadim-baovao
« AKON’ANKARATRA » AO ANTSIRABE : Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina fahadimy notokanana
« Akon’Ankaratra », io no anarana nampitondraina ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina ho an’ny Faritra Vakinankaratra, izay notokanan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina omaly, niarahana tamin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo. Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina fahadimy io ao Antsirabe io, raha toa ka mbola miisa sivy koa ireo efa andalam-pahavitana hatreto any amin’ny Faritra samihafa.
Ny 28 Aogositra 2020 no napetraka ny vato fototry ny asa fananganana ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina tao an-tampon-tanànan’Antsirabe, Faritra Vakinankaratra. Roa taona latsaka aty aoriana, vita tanteraka ny asa, ary notokanan’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, omaly, niaraka tamin’ny Ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina notarihin’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo. Tahaka ireo any amin’ny Faritra izay efa manana ity fotodrafitrasa manarapenitra ho an’ny Serasera sy ny Kolontsaina ity, tsy miova fa mitovy avokoa ny firafitry ny taotrano sy ireo endrika hanehoana ny fanomezan-danja ireo sehatra miisa roa ireo, ho fanatanterahana ny Veliranon’ny Filoha. Misy ny efitrano lehibe fanaovana fampisehoana na fijerena horonantsary mahazaka olona 550 mipetraka, miaraka amin’ireo fitaovana raitra izay fanomezan’ny Filoham-pirenena ho an’ireo artista. « Auditorium Tandonaka» no anarana nomena io efitrano lehibe io noho ny lanjan’izany gadon-kira izany ao Vakinankaratra, izay mampiavaka ny Faritra ihany koa.
Misy ihany koa ny efitrano fanaovana fampirantiana (salle d’exposition), sy ny toeram-pamakiam-boky (bibliothèque) izay rantsan’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara. Ankoatra izay, misy ny efitrano fanaovana informatique (salle informatique), efitrano fivoriana sy fanaovana fiofanana na famelabelaran-kevitra. Toy ireo Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina rehetra dia misy efitrano ho an’ny Holafitry ny mpanao gazety ihany koa, ary efitrano ho an’ny fikambanan’ny mpanakanto.
Toromariky ny Filoha Andry Rajoelina
Notsindrian’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, tao anatin’ny lahateniny, fa mitohy hatrany ny fanatanterahana ny Velirano faha-13, izay miompana amin’ny fanandratana ny lafiny Kolontsaina. Notanisainy tamin’izany ireo ezaka nataon’ny Minisitera tamin’ny famoahana ireo boky miisa roa izay manome lanja ny maha izy ara-kolontsaina antsika Malagasy, dia ny boky “Fiandohan’ny Malagasy”, sy ny “Soatoavina malagasy”. Tetsy ankilany, nidera sy nankasitraka ny ezaka vitan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny Filoha Andry Rajoelina, nandritra ny lahateniny. Nambarany fa zava-dehibe ny fampiroboroboana ny Kolontsaina sy ny Serasera amin’ny alalan’ny fametrahana fotodrafitrasa goavana tahaka izao. Notsiahiviny fa toromarika mihitsy no napetrany tamin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, tany amboalohany, ny tokony hanomezan-danja ny mpanakanto sy ny mpanao gazety. Betsaka, hoy izy, ireo artista no mangetaheta hanana sehatra hanehoana ny zavakanton’izy ireo, kanefa tsy mahita izany. Ankehitriny, voavaha ny olana raha ho an’i Vakinankaratra manokana, satria efa notokanana ary efa azo ampiasaina ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina.
Marihina fa nandritra ny fitokanana omaly dia efa maro ireo mpanakanto avy ao Antsirabe no naneho ny Talentany tao amin’ny efitrano fampirantiana, sy tao amin’ny “Auditorium Tandonaka”.




