SamihafaSosialy

KOLIKOLY ENY ANIVON’NY FITSARANA Mila hamafisina ny ady amin’ny fahalovana mamono ny hafa

Anisany fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly notanterahin’ny minisiteran’ny Fitsarana tany aloha, ny famongorana ireo mpanera eny amin’ny fitsarana. Maro tamin’izany no niaiditra am-ponja, kanefa raha tena dinihina, dia tsy ireo mpanera ihany no tokony hisazy anatin’izany. Anisany mbola mampikaikaika ny ankamaroan’ny olona manan-draharaha eny anivon’ny fitsarana amin’izao fotoana, ny fisian’io fahalovana mambotry firenena sy ny tsindrihazolena fanaon’ny mpanam-bola mahasahy mividy ny marina io. Mbola nofinofy ho an’ireo manan’ny rariny tsy manan-katoraka amin’ireo tsy azo hivalozana amin’ny didy avoakany, izany fitsarana andry sy tokin’ny marefo sy ny osa izany, raha ny zava-misy. Nisy ilay vehivavy malaza tamin’ny faneràna teny anivon’ny fitsarana iny no naiditra am-ponja farany teo. Izy ireny, izay fantatra fa mpikaramanady sy mpanelanelana ny mpanome sy ny tolorana, izay faritana tsotsotra amin’ny hoe mpanam-bola sy nahavita fianianana amin’ny maha mpitsara. Ny fisian’ireo mpanelanelana ihany koa, dia anisany « mampiova ny fotsy ho mainty », izay azo lazaina tsy mahomby eo amin’ny asa ratsy fanaony, raha tsy misy amin’ireo nahavita fianianana no mahatanty ny « mena miraviravy ». Tsy ny mpanome kolikoly ihany, na ny mpanelanelana no tokony hosaziana mafy, fa eo indrindra ireo nahavita fianianana mahasahy mivadi-belirano manova ny marina, izay antenaina sy inoana fatratra ny fandraisan’andraikitry ny Minisitera tompon’andraikitry ny fitsarana, izay milaza manao ezaka ny amin’izany, ankehitriny. « Ny olona manan’ny marina sy ny rariny potika sy rava fiainana, fa ny an’ny mpanova ny marina dia mizotra hatrany, ary mihatsara araka ny fiheverany azy aza, ny fiainany, noho ny volabe noraisiny mahasahana ny fiainany. Eny na eo aza, ny fanasaziana azy enim-bolana hatramin’ny herin-taona hampiatoana azy amin’ny asa maha mpitsara », araka ny hevitra nitranga teny ho eny. Inona tokoa no azo atao amin’ireo olona niharan’ny tsy rariny noho ny kolikoly ireny ? Azo heverina, fa izany indrindra no mahatonga ireo olona manan-draharaha eny anivon’ny fitsarana mitory noho ny fahatsapany ny zony voatohintohina, na nisy nitory satria misy miampanga azy, na koa olona mijoro vavolombelona amina raharaha mampifanolana iray, dia samy milaza fa ny faharavana vokatry ny didim-pitsarana misy kolikoly dia manimba tokoa, ka ilàna fifampitsinjovana ihany.

Fermer