PolitikaSongadim-baovao
FAHALALAHAN’NY ASA FANAOVAN-GAZETY: Fahasahiana politika no nametrahan’ny Fanjakana ny lalàna miantoka izany
Ny asa fanaovan-gazety eo ambany vahohon’ny nomerika (Le journalisme sous l’emprise du numérique), io no lohahevi-dehibe nankalazana maneran-tany ny andro erantany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, omaly, 03 Mey 2022. Feno tanteraka ny fandaharam-potoana nentina nanamarihana izany, raha ny tontolo andron’ny omaly. Nifotoran’ny adihevitra rehetra ny asa fanaovan-gazety eo anatrehan’ny fivoaran’ny teknolojia, ary indrindra ny mahakasika ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara manokana .
« Miankina be dia be amin’ny lahatsoratra an-gazety novakiany, na ny fanadihadiana narahiny tamin’ny onjam-peo na tamin’ny fahitalavitra hatrany no fomba fijerin’ny olom-pirenena ny toe-draharaha”, hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, omaly, izay nanentana ny amin’ny tokony hisian’ny asa fanaovan-gazety matihanina sy tomponandraikitra eto amintsika. Notsindriany tao anatin’ny kabary nataony ho fanamarihana ny andro erantany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety omaly, fa tokony ho saro-piaro amin’ny asany ny mpanao gazety malagasy. “Aoka tsy hamela ny olon-kafa tsy mpanao gazety akory, fa mpikarama an’ady politika hamiravira sy hanimba izany asa masina izany”, hoy ny fanazavana. Nambarany fa nisy ezaka lehibe nataon’i Madagasikara tamin’ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny serasera amin’ny haino aman-jery mba hiantoka ny tena fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. “Tsy hiambahambana ny hilazana fa ny Fitondram-panjakana ankehitriny no nanana fahasahiana politika feno hiantoka izany”, hoy izy. Voaporofo izany tamin’ny fametrahana lalana manamafy ny maha zo fototra ny fahalalahana maneho hevitra. (Andininy faha 5 amin’ny Lalana 2020-006 tamin’ny 01 Septambra 2020), manafoana manontolo ny fampidirana am-ponja ny mpanao gazety noho ny lahatsoratra na fanadihadiana nataony, ary miantoka ny fahafahan’ny mpanao gazety hahazo ireo loharanom-baovao rehetra ilainy (Andininy faha 7 amin’ny Lalana 2020-006 tamin’ny 01 Septambra 2020).
Misongadina ao anatin’io lalàna io koa ny fisintahan’ny Minisitera amin’ny fifehezana ny holafitry ny mpanao gazety sy ny fametrahana holafitra mahaleo tena sy manakaiky ny mpanao gazety. Teo koa ny fanokafana ny haino aman-jerim-bahoaka amin’ny ady hevitra demokratika.
Malalaka amin’ny zotran-kevitra
Nilaza ny Minisitra omaly, fa hatramin’ny taona 2019 no ho mankaty, dia tsy mbola nisy mpanao gazety nampidirina am-ponja noho ny lahatsoratra an-gazety nataony, na noho ny fanadihadiana natao teto madagasikara. Tsy mbola nisy koa mpanao gazety nisy namono noho ny lahatsoratra na fanadihadiana na famakafakana nataony. Ary tsy mbola nisy onjam-peo na fahitalavitra nakatona noho ny tsy fitovian-kevitra amin’ny Mpitondra Fanjakana, tsy mbola nisy gazety noraofina noho izy manelingelina ny Fitondram-panjakana.
“Tsy am-piambahambana no ilazana fa malalaka amin’ny zotran-kevitra na ligne editoriale itondrany ny orinasa fanaovan-gazetiny ireo haino aman-jery sy gazety tsy miankina manerana ny nosy”, hoy izy. Marihina fa eto Madagasikara, dia miisa 570 ny onjam-peo tsy miankina amin’ny Fanjakana, 160 no isan’ny fahitalavitra, manodidina ny 38 ny gazety an-tsoratra. Ary ireo dia samy manana ny zotran-keviny na “ligne editoriale”.

Nanamarika ny andro omaly ny fanomezana mari-pankasitrahana ireo mpanao gazety nandray anjara tamin’ny fifaninanana Media Awards 2020. Raha ny tena tokony ho izy dia tamin’ny 3 mai tamin’ny taon-dasa no nanaovana ity lanonana fanomezana fankasitrahana ity, saingy tsy tontosa noho ny krizin’ny valanaretina covid 19 izay tsy nahafahan nihetsika. Omaly, araka izany, no nankasitrahana ireo mpanao gazety 12 izay nanoratra na nanao fanadihadina momba ny fampanajana zon’ny ankizy, ny ady amin’ny kolikoly, ny tontolo iainana sy ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na ny maha vavy, ary ny tontolon’ny fahasalamana.
Taorian’ny asa fanavaozana sy ny fanitarana ary ny fanatsarana ny birao fiasan’ny Holafitry ny Mpanao gazety etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy, natolotry ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, tamin’ny Filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety, Rasoloarison Harimbola Monica ny fanalahidin’ny birao hiasan’izy ireo manomboka izao. Ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina no nanolotra ny toerana sy ny trano izay efa niorina ary ny Governoran’Analamanga no nanampy tamin’ny fanamboarana sy ny fanatsarana ny foto-drafitrasa, nanampy tamin’ny fampitaovana kosa ny orinasa Fanalamanga. Mbola namafisin-dRamatoa Minisitra hatrany tao anatin’ny lahateniny fa tsy mitsabaka velively amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny asan’ny holafitra ny Minisitera araka ny voafaritry ny lalàna 2020-006 mifehy ny Serasera amin’ny haino vaky jery. Miantoka ny fahaleovan-tenan’ny biraon’ny holafitra, ho any amin’ny maha matihanina amin’ny asa fanaovan-gazety ny fananan’ny holafitra birao fiasana tahaka izao. Fanavaozana lehibe nentina tao anatin’io lalàna io ihany koa ny fametrahana ny biraon’ny holafitra isam-paritra, izay nomena toerana manokana ao amin’ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina ho an’ireo faritra efa nahazo izany, mba ahafahana manakaiky kokoa ny mpanao gazety.




