PolitikaSongadim-baovao

FILOHAN’NY ANTENIMIERAM-PIRENENA : “Miankina amin’ny Depiote maro an’isa no maha marin-toerana ny Fitondrana”

Nisongadina tao anatin’ny lahateny fanokafana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena, nataon-dRamatoa Christine Razanamahasoa, ny talata lasa teo, ny fiantsoana fifampiresahana sy ny tokony hanehoana firaisankina manoloana ny toe-javatra lalovan’ny firenena ankehitriny. Tokony hifampiresaka, hoy izy, raha misy ny lesoka, indrindra eo amin’ireo Solombavambahoaka maro an’isa satria miantoka betsaka ny maha marin-toerana ny Fitondrana izy ireo.

Eo anatrehan’ireo fanehoan-kevitra politika sy fikasana hanongana ny Governemanta, na ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena, dia nilaza ny Filohan’ny Antenimierampirenena Razanamahasoa Christine fa mila mifampiresaka, mifampihaino sy mifanitsy ireo mpisehatra politika avy amin’ny vondron’Antoko misy ireo Depiote. “Toko tapaka, vilany mitongilana ary izay tsy mety arenina amin’ny fifampiresahana” hoy izy. Niantso ity Filohana andrimpanjakana ity ny tokony hanomezana tombony ny fifampiresahana. Notsindriany ihany koa fa ny fifidianana ihany no vahaolana ara-demokratika ary miankina betsaka amin’ny maro an’isa IRD ny fandaniana atao eo anivon’ny lapan’i Tsimbazaza. Nofaritany tao anatin’ny lahateniny koa anefa fa miankina betsaka amin’ny Solombavambahoaka maro an’isa ao amin’ny Antenimieram-pirenena no maha marin-toerana ny Fitondrana (Stabilité politique). Midika izany fa manana andraikitra amin’ny fametrahana ny fitoniana eto amin’ny firenena ireo Depiote maro an’isa, ka tsy tokony ho tafiditra amina kajikajy politika, na velam-pandrika ataona mpanao politika sasantsasany. Ny Praiminisitra rahateo efa nilaza, araka ny efa notaterina teto omaly, fa tsy mahasoa ny vahoaka izany fanovana Governemanta izany amin’izao fotoana, manoloana ireo ambana maro samihafa izay atrehin’ny firenena.

Fanombanana ny Governemanta

Feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny Antenimieram-pirenena amin’ity fivoriana ara-potoana voalohany ity. Maro ireo tolo-dalàna izay nahemotra ny fandinihana azy tamin’ny fotoam-pivoriana farany, ka ezahana hovitaina amin’ity fotoam-pivoriana ity. Ao koa ny fandinihana ny tolo-dalàna fanitsiana ny lalàna hifehezana ny tetibolam-panjakana 2022 na LFR. Fa ankoatra izay, mandritra ny fotoam-pivoriana voalohany tahaka izao, no mandeha ny fanombanana ny asa vitan’ny Governemanta tao anatin’ny herintaona. Isan’ireo ho avy hanao ny tatitra amin’ny Depiote ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta sy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta hitondra ny tatitry asan’ny departemanta tsirairay avy. Andrasan’ny maro fatratra ity fanaovana tatitra ity, indrindra ho an’ireo Solombavambahoaka, satria izay indray vao hisy fihaonana teo amin’ny mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka taorian’ny fanovana Governemanta farany teo. Aiza ho aiza ny fanatanterahana ireo vina napetraka isaky ny Distrika ? Maro ireo fanontaniana ilàm-baliny.

Fermer