Politika

« MAEVATANANA MAMPIRAY » Hanolo-kevitra ny Fitondrana amin’ny fanatanterahana ny drafi-pampandrosoana

Volana vitsy lasa izay no fantatra fa nijoro ny fikambanana « Maevatanana mampiray », izay ivondronan’ireo olon-tsotra sy fikambanana manana vina ny hampandroso ny distrikan’i Maevatanana. Ny terak’i Maevatanana sy ireo maintimolaly, vato nasondrotry ny tany, ary ireo olona rehetra nahita tombontsoa tao amin’ity distrika ity dia nantsoina avokoa hivondrona anatin’ny fikambanana, izay ho lasa vovonana tsy ho ela, izay manana tanjona ny hampandrosoana ara-tsosialy sy ara-ekonomika, ary ara-politika. Manoloana ireo lesoka hita tsy nampandroso ity distrika ity hatramin’izay, dia nijoro ny fikambanana, izay nivondronan’ireo avara-pianarana taty am-boalohany. Nisy ny dingana lehibe izay efa natombok’izy ireo, dia ny dinidinika narahina adihevitra notanterahina ny alahady 24 aprily 2022 teo, ka nahafahana namoaka antontan-kevitra maro ara-tsosialy sy ara-ekonomika, ary ara-politika, izay hatolotra ireo antanan-toha-pitondrana misy ao an-toerana, ho anjara birikin’izy ireo amin’izay lafiny fampandrosoana ny distrikan’i Maevatanana izay.

Maro ny lesoka mila harenina…

Tamin’io dinika nifanaovana narahina adihevitra notarihan’ny “Maevatanana mampiray” io, foto-kevitra telo lehibe no niompanan’ny fotoana, dia ny ara-tsosialy sy ara-ekonomika, ary ny ara-politika. Teo amin’ny ara-tsosialy, hita tamin’izany fa miharatsy ny kalitaon’ny fanabeazana ao amin’ny distrikan’i Maevatanana, mihamaro ny zaza mitsoaka an-daharana eo anivon’ny fampianarana. Ny ara-pahasalamana, hita ny tsy fahampian’ny fitaovana eny amin’ireo tobim-pahasalamana fototra (CSB II) eny amin’ireo kaominina maro any ambanivohitra. Tsikaritra koa ny tsy fahampian’ny mpitsabo eny anivon’ireo sehatra voalaza ka manaratsy ny kalitaon’ny fitsaboana, ary anisany mampitombo ny taham-pahafatesana eo amin’ny reny sy ny zaza. Ny lafiny tsy fandriam-pahalemana dia tsapa fa mitombo sy mitady hiharatsy izany, tao anatin’ny iray volana lasa. Ny tao an-tanàn-dehibe ohatra, dia nisiana fanafihana mitam-piadiana namoizana aina sy nisiana faharavam-pananana. Ny ara-politika indray dia hita nandritra ny lahadinika, fa ny fitadiavan-tseza no manjaka tao amin’ny distrikan’i Maevatanana. “Ny fanaovana politika ao Maevatanana dia niteraka fifankahalana teo amin’ny samy zanatany. Tsy nisy fifanakalozan-kevitra avy amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra, fa voazarazaran’ny fanaovana politika”, nanampy fanazavana ny Maevatanana Mampiray. Teo amin’ny lafiny fambolena, dia voalaza fa  manana velaran-tany maro hahafahana manao izany ny ao an-toerana, fa olana ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny tosika omena ireo tantsaha. Isan’izany ny zezika sy masomboly sy ny sisa. Io dinika ara-pambolena io, anefa, dia voalaza fa nahafahana namoaka fehin-kevitra afaka hampandrosoana tsara ny distrikan’i Maevatanana. Eo amin’ny lafiny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, dia fanta-daza amin’ny volamena i Maevatanana. Amin’izao fotoana anefa, fantatra fa mbola manjavozavo na tsy misy mihitsy ny tamberim-bidy eny amin’ny fokontany sy ny kaominina, izay tsy hahafahana mampandroso noho ny gaboraraka, izay tsy hahafahana mampandroso.

Vonona hiara-hiasa hanolo-kevitra ny mpitondra…

Ireny hevitra rehetra ireny no naravin’izy ireo ho tonga “Drafitrasam-pampandrosoana”, ary hatolotra ny mpitondra isan’ambaratongany ao an-toerana misehatra amin’ireo lafiny telo goavana voalaza ireo. Anisan’izany, ary ataon’izy ireo zava-dehibe ny eo anivon’ny Fiadidiana ny Faritra, izay mamolavola ny “Plan Emergence Regional”. Eo andalam-pananganana ny vovonana ivondronan’ireo fikambanana sy olona tsara sitra-po maniry ny hampandroso, ny “Maevatanana Mampiray” amin’izao fotoana, izay tafiditra anatin’ny dingana irosoan’izy ireo, ary hatao ara-panjakana. Io rafitra vaovao hitsangana io no hifanampy amin’ireo mpitondra isan’ambaratongany amin’ny fanatanterahana ilay Drafi-pampandrosoana avy aminy, ka na amin’ny fotoana inona dia vonona izy ireo hiara-hanatontosa izany. Dingana fahatelo ny famerenana sy fanamafisana ny dinika narahina adihevitra natao farany teo io, ka hamolavolana indray antontan-kevitra vaovao mifampitohy amin’izay efa vita. Tanjona ny fampandrosoana ny distrikan’i Maevatanana ao anatin’ny sehatra ara-tsosialy sy politika, ary ara-ekonomika ireo. “Hery natao hanolo-kevitra” ny fitondrana misy, ho fampandrosoana an’i Maevatanana no antom-pitsanganan’ny fikambanana. Mpikambana avy amina firehana politika samihafa ireo mivondrona anatin’izany. hatreto, mijanona amin’izay fanoloran-kevitra mafonja ho an’ny mpitondra izay ihany, ny fikambanana, ary tsy hisy kandidà avy aminy manoloana ireo karazam-pifidianana ho avy.

Fermer