KolontsainaSongadim-baovao

ZON’NY MPAMORONA : Vonona ny rindrambaiko hanatsarana ny fitantanana azy

Vonona, ary efa natolotra ny mpanakanto omaly nandritra ny hetsika “Seraseran’ny mpanakanto andiany faharoa” ny rindrambaiko na ny “Logiciel” vaovao entina itantanana ny zon’ny mpamorona manomboka izao. Fanavaozana goavana ity napetraka ity, araka ny fanazavan’ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Tanjona ny hisian’ny fangaraharana eo amin’ny fitantanana ny zon’ny mpamorona, ary koa mba hisitrahan’ny mpanakanto ny tambiny tamin’ny sanganasa noforoniny.

Tamin’ny hetsika « Seraseran’ny mpanakanto andiany voalohany », natao ny 05 Mey 2021 no efa natsidiky ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tamin’ireo mpanakanto nanatrika ny hetsika tamin’izany, ny mahakasika ny fanavaozana ny fitantanana ny zon’ny mpamorona eo anivon’ny OMDA. Herintaona aty aoriana, vita ny fiketrehana azy, ary natolotra ny mpanakanto nandritra ny hetsika andiany faharoa tamin’ny “Seraseran’ny mpanakanto”. Hipoka ny efitrano ary saika tazana tao avokoa ireo mpanakanto manana ny maha-izy azy amin’ny sehatry ny hira, ny teatra, ny dihy, ny cinema, ny sary hisodoko, ny saripika, ny mpanoratra, sy ny sisa. Ny lohahevitr’ity « Seraseran’ny mpanakanto andiany faharoa » ity dia ny fanolorana ny drafi-panavaozana ny OMDA sy ny fampivadihana ny tontolon’ny zon’ny mpamorona mankany amin’ny haitao ara-kajy mirindra sy maoderina.

Tsikaritra tokoa, araka ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina, Francis Razafiarison, fa olana lehibe eo anivon’ny OMDA ny “perception” na ny fanangonam-bola, izany hoe, ny fitakiam-bola amin’ireo mpampiasa ny sanganasa. Olana faharoa ny “distribution” na “répartition », izany hoe, fitsinjarana ny vola any amin’ireo mpanakanto. “Tsy afaka niaina tanteraka amin’ilay kanto foroniny ny mpanakanto hatreto raha ny vola raisiny isam-bolana no jerena. Ka izany indrindra no imatimatesan’ny Minisitera amin’ny fitadiavana hevitra hanatsara ny fidiram-bolan’ny artista”, hoy hatrany ny fanazavany.

Hira mandeha amin’ny Radio…

Eo anatrehan’ireo, napetraka ny tetikasa lehibe niarahan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina sy ny Société MANOOVA miasa, izay namorona ny rindrambaiko na ny “Logiciel” hamaritana sy hamantarana hoe impiry isan’andro ny hira ny mpanakanto iray no mandeha amin’ny radio. Rafitra informatika ahafahana hanaovana tatitra ara-bola ka manamora ny fidiran’ny mpanakanto ho mpikambana ao amin’ny OMDA, ary ahafahana manaraka ny fandehanan’ny hiran’ny mpanakanto any amin’ny bar, karaoke,… no isan’ny antony nametrahana ity tetikasa ity. Natolotra omaly io logiciel io sy ny fomba fiasany.

“Universal Music” sy ny “Virgin music”

Araka ny fanazavana, herintaona mahery lasa izay dia nitady fiaraha-miasa amin’ireo “Label International” ny Minisitera ahatomombana ny fizakan’ny mpanakanto Malagasy ny zony sy ny fanapariahana ny kanto malagasy any ivelany. Ireo « major » izay orinasa lehibe goavana ao amin’ny sehatry ny mozika, dia ny “Universal Music” sy ny “Virgin music” no nitadiavan’ny Minisitera fiaraha-miasa ka dia efa raikitra izany ankehitriny. Tanjona ao anatin’ny fiarahamiasa amin’ireo “major” ireo ny hahafahan’ny mpanakanto misitraka ny zony, rehefa mandeha any amina “plateforme” toy ny Youtube, ny hirany. Tsara tsindriana fa misy ampaham-bola tokony hisitrahan’ny mpanakanto isaky ny misy hira mandeha any amin’ireo sehatra fandefasana hira ireny. Ny fiarahamiasa amin’ny “Universal Music” sy ny “Virgin music” no lalana ahafahan’ny mpanakanto misitraka izany.

Averina ombieny ombieny fa tsy ny mpanakanto mpihira irery ihany akory no misitraka tombontsoa amin’izao fanavaozana entina eo anivon’ny OMDA izao, fa mahazo ny anjarany avokoa ireo mpanakanto amin’ny  sehatra hafa.

Fermer