Songadim-baovao

Befandriana Avaratra : Tafaverin’ny Zandary sy ny fokonolona ireo omby 83 norobaina dahalo 20

Nisehoana fanafihan-dahalo mahery vaika tao Andohan'Ambala, kaominina Ambanivohitra Antsakanalabe distrikan'i Befandriana avaratra ny alin'ny 1 mey lasa teo, izay nahaverezana omby manodidina ny zato. Olona iray no lavon’ny dahalo nandritra ny fanafihana. Raikitra ny fanarahan-dia, ka tafaverina ireo omby 83, isan’ireo norobain’ny dahalo…

Nanentana ny « Tagnamaron’ny fandriampahalemana » ny Kapiteny Tobiasy.

Nitrangana fanafihan-dahalo mahery vaika tao Andohan’Ambala, kaominina Ambanivohitra Antsakanalabe distrikan’i Befandriana avaratra ny alin’ny 1 mey lasa teo, izay nahaverezana omby manodidina ny zato. Nandritra ny fandrobana,  raim-pianakaviana iray antsoina hoe Somotra no lavon’ireo dahalo. Anisan’ny tompon’omby ny tenany no mpitarika mafana fo momba ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana tao an-toerana. Mpikambana anatin’ny Dina Malainkalatra izy, izao namoy ny ainy izao. Ankoatra ity namoizana aina ity, fianakaviana telo no voadoro trano ka tsy manan-kialofana sy voaroba fananana. Tsy niandry ela, raikitra avy hatrany ny fanarahan-dia nataon’ny zandary sy ny fokonolona, mahakasika ny fanafihan-dahalo  nitam-piadiana tao Andohan’Ambala io. Ny 2 mey tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro, votsotra teny am-pelatanan’ny olon-dratsy ny omby miisa 83, tamin’ireo omby voaroba, noho ny ezaka ny Zandary sy ny fokonolona, indrindra ireo tamin’ny faritra manodidina. Fantatra fa tao Marokoera,  kaominina ambanivohitra Anjalazala distrikan’i Antsohihy, Faritra Sofia no nahararaka izany. Tsy nisy ny fifandonana mahery vaika fa vao nahatazana ny hamaroan’ny Zandary sy ny fokonolona ireo dahalo, vaky nandositra ary navelany ireo omby.  Nidina ifotony tany an-toerana ny Kaomandy ny Vondron-tobim-paritra Mandritsara, ny Kapiteny Tobiasy Andriantsihoarana, nankahery ireo niharam-boina. Nisaotra ny ezaka nataon’ny fokonolona tamin’ny fiaraha-mientana sy ny fifanomezan-tanana, tamin’ny alalan’ny « Tagnamaron’ny fandriampahalemana », ka nahazoana ny vokatra. Nanome toromarika manokana ireo Zandary nanara-dia sy niandraikitra ny fiambenana ny tanàna, mba tsy hiverenan’ny tranga intsony amin’ny ho avy, ny Kapiteny Tobiasy Andriantsihoarana.

Nampitandrina ireo manafatra andian-jiolahy

Vokatry ny fiaraha-miasan’ny zandary sy ny fokonolona no ahazoana vokatra.

Afakomaly, nidina tany an-toerana nitrangan’ny fandravana ny Lehiben’ny distrikan’i Befandriana Avaratra sy ny Kaomandy vondron-tobim-paritra Mandritsara ary ny kaomandy vonjimaika ny tobim-paritra Befandriana Avaratra, niaraka tamin’ny manampahefana ao an-toerana. Nitsapa alahelo sy nankahery  ny fianakaviana mana-manjo nandritra ny fanafihana iny. Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’ny Komandy ny Vondron-tobim-paritra Mandritsara, ny Kapiteny Tobiasy dia nanamafy ny fanentanana amin’ny « Tagnamaron’ny Fandriampahalemana » ny tenany ary nampitandrina ireo vondron’olona mitarika korontana sy tsy fandriampahalemana any an-toerana, amin’ny fanafarana andian-jiolahy avy any ivelany. Indrindra ireo manaiky ataon’ny olona sasany fitaovana politika ka mandrava ny rindran-damina « Dina Malainkalatra », izay iraisan’ny Faritra, ary efa miasa eny anivon’ny fiarahamonina hatreny ifotony, izay nahazoana vokatra azo tsapain-tanana nandritra ny roa taona teo izay.

Ireo omby votsotra teo am-pelatanan’ny dahalo.

Namaly avy hatrany ny fangatahan’ny vahoaka ny hamerenana indray ny « Poste Fixe » ao Maevaloka, fokontany Maevalakana, Kaominina ambonivohitra  Antsakanalabe, distrikan’i Befandriana Avaratra Avaratra izy ireo, rehefa foana nandritra ny telo taona, vokatry ny fankahalana Zandary sy tsy fitiavana Fanjakana. Arakan y fantatra,  ny rafitra Besaboha tsy mila fanjakana no nanjaka tamin’io toerana io sy ny manodidina. Nametrahana Zandary efatra any an-toerana hisahana izany Toby izany, nandritra ny fandalovana. Efa fantatra ireo nahavanon-doza, ka mitohy ny fanaovana hazalambo ireo olon-dratsy.

Fermer