Songadim-baovaoSosialyTrangam-piaraha-monina

TRANGA NAHAFATESANA OLONA 86 TAO SOANIERANA IVONGO: Vita ny fanadihadiana teknika ny naharendrika ny sambo “M/S Francia III”

Fitondrana olona mihoatra ny fetra tokony ho izy, niampy ny lafiny toetr’andro, ireo no anisan’ny naharendrika ilay sambo “M/S Francia III” tao Soanierana Ivongo, ny 21 Desambra 2021, izay nahafatesana olona hatrany amin’ny 86, araka ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny APMF, ny Capitaine de Vaisseau Randrianantenaina Jean Edmond. Efa vita tanteraka, araka izany, ny fanadihadiana teknika momba iny loza iny, anjaran’ny fitsarana kosa no manohy ny fanadihadiana manomboka izao.

Tontosa hatramin’ny farany ny fanadihadiana teknika ny naharendrika ilay sambo “M/S Francia III”, tao Soanierana Ivongo ny volana Desambra lasa teo, araka ny fanazavana nentin’ny Tale Jeneralin’ny APMF ny Capitaine de Vaisseau Randrianantenaina Jean Edmond,. Nandritra ny fanadihadiana no nahafahana nanamarina fa vokatry ny fitondrana olona mihoatra ny fetra tokony ho izy no tena naharendrika ny sambo.

“Fanadihadiana teknika no nataon’ny APMF, fanamarinana hoe inona no anton’ny nahatonga ny loza. Hita tao anatin’izany fa mihoatra lavitra be ny tokony nentin’ny sambo ny isan’ny olona tao anatiny”, hoy ny fanazavan’ity tomponandraikitra ity. Notsindriany anefa fa tsy nisy olana ny fiakaran’ireo olona tao anatin’ny sambo, tany amin’ny roa ora maraina tany ho any. Rehefa teny ampandehanana kosa anefa, nanomboka niposaka ny masoandro, dia niha nafana ny tao anatin’ny sambo, ka niteraka ny fivezivezen’ireo mpandeha. Ny fihetsehan’ireo olona ireo avy eo no niteraka ny fikisakisahan’ny lanja tao amin’ny sambo, ka nahatonga “instabilité”, izay nohamafisin’ny toetr’andro tamin’io maraina io (teo anelanelan’ny 5ora ka hatramin’ny 8ora maraina). Nahery ny fihetsehan’ny rano ka niteraka ny faharendrehana.

Manohy ny fanadihadiana ny Fitsarana

Efa vita tanteraka, noho izany, ny fanadihadian’ny APMF tamin’ity raharaha ity. Anjaran’ny eo anivon’ny Fitsarana sy ny mpitandro filaminana indray no manohy ny fanadihadiana. Raha tsiahivina, nitrangana loza an-dranomasina ny tao amin’ny fari-dranomasin’i Soanierana-Ivongo ny marainan’ny Alatsinainy 20 desambra 2021 tokony ho tamin’ny 9 ora. Lakana antsoina hoe M/S Francia III izay nitondra olona avy tao amin’ny Kaominina Antanambe Distrikan’i Mananara-Avaratra hihazo an’i Soanierana-Ivongo ity dobo ity. Teo anelanelan’Antsiraka sy Andrangazaha izay samy ao Soanierana-Ivongo no nitrangan’ny loza. Araka ny tatitra farany voaray, dia 86 ireo hita faty tamin’ity loza an-dranomasina ity. Efa nisy olona 13 kosa nidoboka am-ponja vonjimaika, rehefa niakatra fitsarana tao Fenoarivo Atsinanana, ny febroary teo. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fanadihadiana.

Fermer