PolitikaSongadim-baovao
ANTENIMIERAM-PIRENENA: Nolavin’ny maro an’isa indray ny fangatahana fivoriana mikaton-trano
Fangatahana fivoriana mikato-trano fanindroany omaly izay nataon’ireo Solombavambahoaka sasantsasany eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Araka ny fantatra dia ireo Solombavambahoaka tsy miankina sy ny avy amin’ny fanoherana no tena maro an’isa ao anatin’ity manao fangatahana fivoriana mikaton-trano ity. Inona no antony? Inona marina no tena hisisihana mafy ny hirosoana amin’izany? Fanontaniana manitikitika io eo anatrehan’ny fihetsiky ny Depiote sasany ankehitriny. Ireo Depiote mpanohana ny Fitondrana kosa, etsy ankilany, nilaza fa zon’ny Solombavambahoaka mihitsy ny manatanteraka fivoriana mikaton-trano, ary tsy manda an’izany ireo Depiote avy amin’ny IRD. Saingy ny angatahin’izy ireo fotsiny ny mba hahatonga daholo ireo depiote mandrafitra ny Antenimieram-pirenena, mialohan’ny hirosoana amin’izany.
Hatreto, ny resaka fanonganana ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena no voaresaka matetika ao anatin’ity fangatahana fivoriana mikaton-trano ity. Izany tokoa ve no mahamaika eo anatrehan’ny zavatra iainan’ny vahoaka ankehitriny?, hoy ny fanehoan-kevitra samihafa. Nametraka ireo Solombavambahoaka sasany ao amin’ny Antemieram-pirenena fa tena ilaina ny mifampiresaka eo amin’ny samy Depiote, fa tsy tokony ho an’ny tombontsoa manokana izany, fa ho an’ny tombontsoa ambonin’ny Firenena. Nandritra ny fivoriana natao omaly, dia nolavin’ny maro an’isa tamin’ireo tonga nivory indray ity fikasana hanao fivoriana mikaton-trano ity.
Volavolan-dalàna n°026/2021
Tetsy ankilany, nahemotra amin’ny fandaharam-potoana manaraka ny fandinihina sy fandaniana ny volavolan-dalàna n°026/2021 izay tokony notanterahina omaly talata 10 may 2022. Ity volavolan-dalàna ity dia mikasika ny famatsiam-bola ny fanamafisana ny famatsiana herinaratra (PRIRTEM I) natao niaraka tamin’ny Banque Européenne d’Investissement (BEI). Ny antony dia ny tsy fahatongavan’ny teknisiana avy amin’ny minisitera nandritra ny asam-baomiera. Tsy maintsy eo anefa izy ireo mandritra izany? raha ny voalazan’ny fitsipika anatin’ny Antenimierampirenena ka noho izay dia voatery nanemotra ny fandinihina amin’ny fotoana manaraka ny Solombavambahoaka.




