
PolitikaSongadim-baovao
RAHARAHA 07 FEBROARY 2009: Niaiky ho namono olona ny Jeneraly Raoelina
Tonga amin’ilay fomba fiteny hoe “nokobokobonin’ny marina ka nilaza ny tsy nanontaniana” ny Jeneraly Raoelina, Talen’ny Fiarovana teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika tamin’ny Fitondran’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. 13 taona aty aorian’ny raharaha 07 Febroary 2009, niaiky ity jeneraly ity fa tsy nampaninona azy mihitsy ny nanome baiko hitifitra sy hamono olona teny Antaninarenina, ary raha mbola azo averina izany dia vonona izy amerina izany, tsy misy indrafo.
Niainga tamina fifamalian-dresaka teo aminy sy ny Ben’ny tanànan’Antananarivo, Naina Andriantsitohaina tao amin’ny tambajotra sosialy “Twitter” ny raharaha. Efa fanaon’ny Jeneraly Raoelina rahateo ny mitondra fanakianana ny Ben’ny tanàna ao amin’io tambajotra sosialy iray io. Teo indrindra no nitenenan’ny Ben’ny tanàna azy fa “mety misakana ny Jeneraly Raoelina tsy ahita tory ka mahatonga azy tsy sasatra ny mitondra fanakianana ireo olona lasibatra tamin’ny raharaha 07 Febroary”. Tsy nanda izany ity Talen’ny Fiarovana teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika tamin’ny andron-dRavalomanana ity. Nambarany fa tsy nanenenany ny nanomezana baiko hitifitra sy hamono olona teny Ambohitsirohitra tamin’ny 2009. Ary mbola nohamafisin’ity lehiben’ny miaramila mpiandry lapa tamin’izany fotoana ity fa « raha mbola azo averina, dia vao maika ataony tsy misy indrafo ny mandatsaka aina bebe kokoa.
Nahazo famotsoran-keloka?
Izany tokoa ilay hoe “Tsy misy marina izay tsy ho hita, na miafina izay tsy hiseho” fa dia nilaza tsy nanontaniana ny Jeneraly Raoelina. Marihana fa efa nomelohan’ny fitsarana momba ny raharaha 7 Febroary higadra sy hanao asa an-terivozona noho ny vono olona ity Jeneraly akaiky ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ity, saingy nahazo famotsoran-keloka rehefa nifampiraharaha niaraka tamin’ny Marc Ravalomanana ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina ny taona 2015. 7 taona aty aoriana anefa dia izao izy miaiky ny heloka nataony izao indray, ary nilaza fa tsy nanenenany ny namono sy nampitifitra ireo malagasy am-polony nitondra tanam-polo teny Antaninarenina.
Raha hiverenana fohy ny zava-nitranga, dia niainga teo amin’ny kianjan’ny 13 Mey ny tolom-bahoaka tamin’ny 2009. Hetsika izay nanoherana ny Filoha amperinasa, Marc Ravalomanana tamin’izany fotoana. Io andron’ny 07 Febroary io no nirohitra nanohy ny fihetsiketsehana teny Ambohitsorohitra ireo mpitolona. Tsy nisy resaka fa avy hatrany dia tifitra vary varaka no nasetrin’ireo mpiandry lapa, izay notarihin’ny Jeneraly Raoelina. 13 aty aoriana, nanamarina izany tranga izany ity farany…
Ny Fanoratana.




