PolitikaSongadim-baovaoToekarenaTrangam-piaraha-monina

RAHARAHA VOLAMENA 73,5KG: Hiakatra fitsarana tsy ho ela ireo olona 32 voarohirohy

Vita fanadihadiana teo amin’ny fitsarana mpanao famotorana momba ny raharaha volamena 73,5Kg, ary hiakatra fitsarana tsy ho ela ireo olona 32 voakasik’ity raharaha ity, araka ny nambaran-dRazafindrakoto Solofohery, tonia mpampanoa lalàna eo anivon'ny Fitsarana miady amin'ny kolikoly (PAC) omaly. Nafindra eny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany kosa ny fandraisana an-tanana ny raharaha volamena 49kg tratra tatsy Kaomoro.

Olona 32 voarohirohy amin’ny raharaha fanondranana volamena 73,5 kg tratra tatsy Afrika Atsimo no hotsaraina tsy ho ela, hoy Razafindrakoto Solofohery, tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC). « Efa mamarana ny fanaraha-maso ny antontan-taratasy momba ny raharaha ny mpitsara mpanao famotorana amin’izao », araka ny nambarany. Raha tsiahivina, tany amin’ny fiandohan’ny volana janoary 2021 no nahatrarana ireo telo lahy nitondra ny volamena 73,5kg tany Afrika Atsimo. Nanomboka teo dia nisesisesy ireo fakana ambavany sy famotorana natao. Tafiakatra 32 ireo olona noahiahina, misy teratany malagasy sy teratany indianina. Tomponandraikitra ambony teo anivon’ny ACM ihany koa no voasaringotra tamin’ny raharaha. Hatreto, na dia efa nandefa taratasy fangatahana fampodiana ireo volamena sy ireo telo lahy voatazona any Afrika Atsimo aza ny Fanjakana dia samy mbola tsy nisy tafaverina eto an-tanindrazana ireo.

 Raharaha volamena 49 kg

Mikasika ny raharaha volamena 49 kg tratra tatsy Kaomoro kosa dia nambaran’ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny PAC fa « nafindra amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany » etsy Anosy ny fandraisana an-tanana ny raharaha, noho « ny tsy fahitana trangana kolikoly tamin’ny fanadihadiana nataon’ny mpikaroka momba ny fandikan-dalàna teo anivon’ny PAC ». Fandikan-dalàna momba ny harena an-kibon’ny tany no hita, saingy haverina amin’ny PAC ny raharaha raha voamarina fa misy trangana kolikoly any aoriana, hoy hatrany ny fanazavana.

Raha tsiahivina koa ny tantara, nisy ny fampitam-baovao navoakan’ny Pejy ofisian’ny zandarmaria ao Comores ny 28 desambra 2021 nilaza ny fisiana volamena “lingots d’or” milanja 49kilao, tra-tehaka tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisampirenena Prince Said Ibrahim (AIMPSI) ao Comores. Olona telo no voasambotra niaraka tamin’izany, ka teratany malagasy ny roa amin’ireo, araka ny fampitam-baovao. Nitohy ny fanadihadiana sy ny famotorana taorian’izay. Efa nisy ny fandehanan’ny solontena malagasy tany Comores taorian’izay nahafahana nampody teto an-tanindrazana ireo roa lahy voatazona tany an-toerana.

Fermer