PolitikaSongadim-baovao
FILANKEVITRY NY GOVERNEMANTA: Nankatoavina ny didim-panjakana momba ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana
Ny Filankevitry ny Governemanta, ny alarobia 11 Mey teo, no nankatoa ny didim-panjakana momba ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana eto Madagasikara. Isaky ny folo taona no tokony hatanterahana azy ity, raha ny voalazan’ny lalàna, ka antony tsy maintsy hirosoana amin’izany amin’ity taona 2022 ity.
Taorian’ny fandefasan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana ny tolo-kevitra teo anivon’ny Governemanta mahakasika ny tokony hirosoana amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana (refonte totale de la liste éléctorale), dia nankatoavin’ny Filankevitry ny Governemanta, ny herinandro teo ny didim-panjakana mifehy izany. Heverina, araka izany, fa tsy ho ela dia hanomboka ity fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana ity. Raha tsiahivina, ny lalàna fehizoro laharana 2018-008 mifandraika indrindra amin’ny rafitra ankapobeny fifidianana, sy ny fitsapan-kevi-bahoaka dia milaza, fa « isaky ny folo taona no hanatanterahana ny fanavaozana ny rejisitry ny fifidianana io ». Ny taona 2012 no nisian’io fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana io teto, raha tsiahivina hatrany.
50 miliara ariary no ilaina
Efa nampahafantarin’ny teo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), herinandro vitsy lasa izay, fa manodidina ny 50 miliara Ariary eo ny vola homanina hanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana eto Madagasikara. Ny mikasika io vinavina teti-bola fanomanana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana io, dia nambaran’ny Minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Justin Tokely, fa ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola no miandraikitra izany. Ny zava-dehibe, hoy izy, dia ny fanomanana araka ny tokony ho izy ny fifidianana, mba hisian’ny mangarahara tanteraka eken’ny rehetra. « Tsy azo adino, fa manana ny fahaleovan-tenany manokana ny CENI amin’ny fikarakarana fifidianana. Ny dingana rehetra momba izany azy samirery, ary ny minisiteran’ny Atitany dia manao tan-tsoroka », nanampy fanazavana ny Minisitra.
Tsiahivina fa tamin’ny volana aprily teo dia efa nisy ny lahadinika nifanaovan’ny Ceni, niaraka tamin’ny solontenan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, momba ny fikarakarana fifidianana ho avy. Nofaritana nandritra izany koa ny fomba fanatanterahana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana nasionaly (Refonte totale de la liste éléctorale). Teo amin’ny fampitaovana sy ny tetiandrom-pifidianana, ny fandaminana, ny famatsiam-bola, ary ny fanatanterahana ny fanavaozana lisi-pifidianana io no nitondrana ny lohahevitra tamin’ity fivoriana ity.



