Songadim-baovao
ZO MAHAFANTATRA NY RAHARAHAM-PANJAKANA: Zava-dehibe ny fananana antontam-baovao nomerika azo averina ampiasaina
Notontosaina omaly ny velakevitra narahina adihevitra momba ny « Open Data » na ny antontam-baovao misokatra sy ny zo mahafantatra ny raharaham-panjakana. Zava-dehibe ny fananana antontam-baovao nomerika azo ampiasaina, hahafaha-misokatra sy misitraka ireo zo mahafantara ny raharaham-panjakana…

Nisy ny fanatanterahana vela-kevitra narahina adihevitra omaly, tetsy Antaninarenina miompana indrindra amin’ny « Open Data » na ny antontam-baovao misokatra sy ny zo mahafantatra ny raharaham-panjakana. Isan’ireo tonga nandray anjara tamin’ny adihevitra ny Tale jeneralin’ny serasera, Fetra Rakotondrasoava. Hatramin’izay, tsy mazava tamin’ny olona ny antsoina hoe : « Open Data », sy ny zo mahafantatra ny raharaham-panjakana. Isan’ ny niompanan’ny adihevitra, fa raha misy ny lalàna, momba ny zo mahafantatra ny raharaham-panjakana, dia tsy misy ny antoka ilazana fa misy ny antontam-baovao misokatra na ny « Open Data ». Ny « Open Data », raha hazavaina tsotsotra, dia antontam-baovao nomerika azo averina ampiasaina, ary azo velabelarina tsara. Mazava, araka izany, fa tsy atao amin’ny « PDF » mihitsy io antontam-baovao misokatra io, ary tsy ho amin’ny antontan-taratasy mihitsy. Raha misy anefa, ny fangatahana ataon’ny olom-pirenena momba ny zo mahafantatra ny raharaham-panjakana, dia omen’ny minisitera boky misy antontam-baovao na tatitra. Mazava anefa, fa tsy tatitra ny « Open Data ». Ny vontoatin’ny vela-kevitra narahina adihevitra natao, raha ny nambaran-dRafidiharinirina Fabienne, izay tomponandraikitra eo anivon’ny « Project Manager » omaly fa « ny « Open Data » dia fomba fanao amin’ny fampitana ireo antontam-baovao, mifandraika indrindra amin’ny zo hahafantatra ny raharaham-panjakana ».
Tsy fantatry ny ankamaroan’ny Malagasy
Nasongadin-dRafidiharinirina Fabienne hatrany fa « tsy mbola fantatry ny besinimaro ny momba ny « Open Data » satria mbola zava-baovao. Ho an’ireo Firenena mandroso, efa maro no mampiasa azy io. Ho an’ny fikambanana Maidi, miezaka ny miady azy io, ary efa nisy ny vela-kevitra narahina adihevitra natao tamin’ny taona 2018 ». Nandritra ny dimy taona nisian’ny fikambanana, niezaka niasa tao anatina antontam-baovao. Heverina, araka izany, fa ny famahoana momba ny famantarana ny « Open Data » no mbola tsy ampy ho an’ny olom-pirenena. Tsapa koa, fa tena mbola ambany ny tahan’ny fampiasana sy ny fikirakirana ny antontam-baovao. Raha vao miresaka momba ny antontam-baovao, ohatra, maro ireo olona no manontany ny amin’ny tokony hilàna sy ny hampiasana azy. Raha ampitaina amin’ny Malagasy fa ilaina ny resaka antontam-baovao, dia tsy azony ny antony hampiasana azy.
Na izany aza, efa misy ny ezaka notanterahina, tamin’ny fanomezana fiofanana eny anivon’ireo minisitera isan-tokony sy ireo avy amin’ny fiarahamonim-pirenena. Nisy koa ny fampiofanana ireo tanora, toy ny natao tany Antsirabe, ny taona 2019 sy ny maro hafa. Ankoatra izay, efa misy ny tranonkalam-pifandraisana ampahafantarana misimisy kokoa ny momba io « Open Data » io. Nambaran’ny Tale jeneralin’ny Serasera, Fetra Rakotondrasoava nandritra ny famelabelarana ho an’ireo mpanatrika omaly, fa « manana finiavana politika ny Fitondram-panjakana momba ny zo mahafantatra ny raharaham-panjakana izay ». Porofon’izany, efa misy ny volavolan-drijantenin-dalàna hahafaha-misitraka ireo torohay sy ny antontam-baovao izay, efa dinihina eny anivon’ny governemanta.



