PolitikaSongadim-baovao

RAHARAHAM-PIFIDIANANA : Hanohana ny zotram-pifidianana eto amintsika i Afrika Atsimo

Nanatanteraka fitsidihana tamin’ny fomba fifanajana an’Andriamatoa Filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) Dama Andrianarisedo Retaf Arsène, omaly, ny Masoivohon’ny Repoblikan’i Afrika Atsimo miasa sy monina eto Madagasikara, Andriamatoa Sisa Ngombane. Fotoana izay nanambaran’ity farany fa vonona hatrany hanohana ny raharaham-pifidianana eto Madagasikara i Afrika Atsimo.

Herintaona mahery mialohan’ny hirosoana amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika, manao sesilany ireo fitsidihana ara-pomba fanajana ny eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), ataon’ireo rafitra iraisampirenena sy ireo firenena hafa na mpiara-miombona antoka. Vao ny herinandro teo ohatra ny iraka manokan’ny Vondrona Eoropeanina no nihaona tamin’ny Filohan’ny Ceni, mikasika ny zotram-pifidianana eto Madagasikara.

Omaly, ny masoivohon’i Afrika Atsimo miasa sy monina eto Madagasikara, Andriamatoa Sisa Ngombane indray no nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fifanajana an’Andriamatoa Filohan’ny Ceni, Dama Andrianarisedo Retaf Arsène, teny amin’ny foiben’ny Ceni, Alarobia. Nanotrona izany ny Mpampakaten’ny Ceni Atoa Randrianarivonantoanina Tiana. Nandritra ny fihaonana, nanambara Andriamatoa Sisa Ngombane fa « nanara-maso akaiky hatrany ny zotram-pifidianana eto amin’ny Nosy i Afrika Atsimo ary vonona hatrany hanohana ny raharaham-pifidianana eto Madagasikara ». Fotoana ihany koa omaly, nanararaotan’ny Masoivoho niarahaba ny Filoha sy ireo mpikambana ao amin’ny Birao Maharitra tamin’ny nahavoafidy azy ireo ho eo anivon’ny Ceni Madagasikara.

Fanotàna bileta tokana

Niompana tamin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ity fitsidihana ity. Nisy ihany koa ny fifanakalozana sy fifampizarana mikasika ny fitantanana ny zotram-pifidianana eo amin’ny firenena misy azy avy. Tao anatin’izany indrindra no niresahan’ny Filohan’ny Ceni ny asa miandry ny Ceni na amin’ny fohy ezaka izany na amin’ny fotoana maharitra, fa indrindra ny drafitrasan’ny Ceni sy ny fanavaozana tanteraka ifotony ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisim-pifidianana malagasy. Nambaran’ny Filohan’ny Ceni tamin’izany fa « Ny lisitry ny mpifidy azo antoka no antoky ny fitantanana fifidianana azo antoka mba hametrahana fitoniana eto amin’ny firenena».

Tsara ny manamarika fa i Afrika Atsimo dia mpiara-miombon’antoka iray lehibe amin’i Madagasikara, raha tsy hilaza afa-tsy ny fanohanany tamin’ny fanontàna ny bileta tokana sy ireo taratasim-pifidianana hafa nandritra ny fifidianana lasa. Nandray anjara tamin’ny tahirim-bola iombonan’ny tetikasa SACEM na ny « Soutien Au Cycle Electoral de Madagascar » ihany koa izy. Tsy adinoina ihany koa ny fanampiana izay nataony mikasika ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny Vondrona Afrikana sy ny SADC na ny « Southern African Development Community ».

Tsiahivina, fa vao tapitra ny 15 Mey 2022 teo ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana ho an’ny taona RALE 2021-2022. Ny herinandro teo ihany koa no nankatoavin’ny Filankevitry ny Governemanta ny didim-panjakana momba ny fanovana tanteraka ny lisi-pifidianana eto Madagasikara. Ity farany izay heverina fa hanomboka tsy ho ela, ary hisy fiantraikany eo amin’ny zotram-pifidianana eto Madagasikara.

Fermer