PolitikaSongadim-baovao
BANKY EOROPEANIN’NY FAMPIASAMBOLA (BEI) : An-dalana ny famoahana ny tetibola hanamboarana ny RN13
Namoaka ny naoty tsy manisy sakana amin'ny fanarahamaso amin'ny fanamboaran-dalana ao amin’ny lalam-pirenena faha-13 (RN13) ny Banky Eoropeanin’ny Fampiasambola (BEI) omaly. Efa an-dalana ny famoahana ny tetibola hanatanteraha ny asa, ka ny ampahan-dalana eo anelanelan’i Taolagnaro sy Ambovombe no voakasik’ity famatsiam-bola ity.
Araka ny naoty navoakan’ny Banky Eoropeanin’ny fampiasambola (BEI) omaly, dia tsy misy sakana ny fandrosoan’ny fanaovana fanarahamaso ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13 eo anelanelan’ny Taolagnaro sy Ambovombe. Araka ny tatitra, efa an-dalana ny fikirakirana famoaham-bola amin’izany tetikasa izany, miaraka amin’ny “Agence Routière”. Tao anatin’ny fanambarany dia naneho ny maha zava-dehibe ny tetikasa fanamboaran-dalana tahaka izao ny BEI, izay antoka hisian’ny fampandrosoana maharitra eto amin’ny firenena, hoy izy ireo.
Raha tsiahivina, nanisy resaka manokana momba ity fanamboarana ny lalam-pirenena faha 13 (RN 13) ity ny Filohan’ny Repoblika nandritra ny fanaovany tatitra ny dian’ny delegasiona malagasy tany Washington DC farany teo. Nambarany fa ny Vondrona eoropeanina no tokony hamatsy vola io tetikasa goavana io. Tsy mbola niainga anefa io tetikasa io noho ny fanadihadiana izay mbola ataon’ny Banky iraisampirenena amin’ilay orinasa lehibe nahazo ny tsenan’asa, hanao ny asa. Mbola nihantona teo hatrany aloha ny raharaha. Efa namoaka ny fanambarany, araka izany, ny Vondrona Eoropeanina tamin’ny alalan’ny BEI, ka andrasana ny fivoahan’ny vola. Na izany aza, hisy ampahany ho amboarina avy hatrany, tsy miandry ny famatsiam-bola avy amin’ny mpamatsy vola fa miainga amin’ny volan’ny Fanjakana malagasy madiodio. Ny lalana eo anelanelan’Ihosy sy Betroka no ho atao amin’izany. Ho ampidirina ao anaty fandaharanasa hafa kosa ny eo anelanelan’i Betroka sy Ambovombe.
Fanambin’ny Filoha
Tsara tsindriana hatrany fa fanamby nataon’ny Filohan’ny Repoblika mihitsy ny tsy maintsy hanamboarana an’io lalam-pirenena faha-13 io. Mirefy 480 km mahery ny lalana, manomboka eo Ihosy ka hatrany Taolagnaro. Io ampahan-dalana eo anelanelan’Ambovombe sy Taolagnaro io, izay vatsian’ny BEI vola, dia mirefy 114 km. Mirefy 263km kosa i Betroka sy Ambovombe. Ary ny ampahany farany kosa dia ny manelanelana an’i Betroka sy Ikalamainty Ihosy, izay mirefy 118km.




