KolontsainaSongadim-baovao

FARITRA IHOROMBE : Nahazo ivo-toerana fikotrehana orinasa ara-kolontsaina ho an’ny tanora

Tafiditra tao anatin’ireo fotodrafitrasa lehibe notokanan’ny Filoha Andry Rajoelina tao amin’ny Renivohitry ny Faritra Ihorombe ny Ivo-toeram-pikotrehana orinasa ara-kolontsaina ho an’ny tanora. Lanonana izay niarahana tamin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo ary mpikamban’ny Governemanta hafa.

« Ho afaka hisitraka avy hatrany ny famatsiam-bola avy amin’ny fandaharanasa Fihariana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika ny tanora avy mandalo fikotrehana ao amin’ny Ivotoeram-pikotrehana orinasa momba ny kolontsaina sy ny indostrian’ny famoronana (Centre d’incubation en entrepreneuriat culturel et industrie créative) ka mandresy lahatra ny tetikasa fananganana orinasa izay entiny », io no vaovao lehibe nambaran’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, raha nitokana ny « Centre d’incubation » tao Ihosy, Ihorombe izy ny faran’ny herinandro teo, niaraka tamin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo.

Ny Ivotoeram-pikotrehana orinasa momba ny kolontsaina sy ny indostrian’ny famoronana (Centre d’incubation en entrepreneuriat culturel et industrie créative) dia toerana ahafahan’ny tanora manan-talenta ara-kolontsaina na ara-javakanto na manana hevitra famoronana eo amin’ny sehatry ny kolontsaina, zavakanto na serasera ihany koa, mahazo fiofanana isan-karazany, torolalana sy torohay mba ahafahany mamadika izany talenta na hevitra izany ho tetikasa fananganana orinasa (Start-up). Olana hatramin’izay ny tsy fahampian’ny tosika ho an’ny tanora manana faniriana hamorona ny orinasany manokana, na amin’ny sehatra inona izany na amin’ny sehatra inona, ka izany no antony hitondran’ny Fitondram-panjakana tantsoroka ho azy ireo, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, nametraka ity ivo-toerana ity.

Fampiofanana omen’ireo matihanina

Tahaka ny amin’ny Ivotoerana hafa efa misokatra dia hisy ny fampiofanana omen’ireo matihanina amin’ny sehatry ny fandraharahana ho an’ireo tanora ireo, toy ny tari-dalana amin’ny fananganana ny orinasa, ny fomba fitantanana orinasa (gestion d’entreprise), ny fikirakiram-bolan’ny orinasa (comptabilité et finances d’entreprise), ny famolavolana ny atao hoe « Business plan », fitadiavana lalam-barotra, ny fitantanana mpiasa (gestion des ressources humaines), ny « marketing », sy ny maro hafa.

Maimaimpoana avokoa ny fisitrahana ny tolotra rehetra ao amin’ny « Centre d’incubation », hoy Ramatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, mba hanatrarana ny tanjona apetraky ny Fitondram-panjakana amin’ny fanofanana ny tanora hanamorana ny fampananana asa. Tsara marihina fa io « Centre d’incubation » napetraka ao Ankily Ihosy io no fahatelo tafapetraka eto Madagasikara taorian’ny Toamasina sy Antananarivo. Enina hafa ihany koa no eo an-dalam-pahavitana.

Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina Ihorombe : Tafapetraka ny vato fototra

Napetraka ny sabotsy teo ihany koa ny vato fototra fanombohana ny asa entina hananganana ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina ao amin’ny Faritra Ihorombe. Ny Filoha Andry Rajoelina, niaraka tamin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, no nitarika ny lanonana. Nambaran’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika nandritra ny lahateniny fa ankoatra ny efa zavatra maro azo atao ao amin’ireo Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina ireo dia ampiana fanofanana arak’asa ihany koa amin’ireo toeran’ny serasera sy ny kolontsaina manerana ny Nosy ireo. Marihina fa ankoatra ireo 3 vao notapahan’ny Filan-kevitry ny Minisitra dia 5 ireo Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina efa notokanana raha toa ka 9 kosa ireo miandry ny fitokanana azy tsy ho ela. 17, araka izany, ny totalin’ireo Faritra hisy Tranoben’ny Serasera afaka volana vitsy. Hitovy avokoa tahaka ireo Faritra efa manana izany ny firafitry ny tao-trano amin’ny ankapobeny toy ny: efitrano lehibe fanaovana fampisehoana na fijerena horonan-tsary mahazaka olona 550 mipetraka, efitrano fanaovana fampirantiana, Toeram-pamakiam-boky izay rantsan’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara, Efitrano fanaovana informatique, efitrano fivoriana na fiofanana na fanaovana valan-dresaka, birao ho an’ny Holafitry ny mpanao gazety, efitrano ho an’ny fikambanan’ny mpanakanto.

Fermer