PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FANDIKAN-DALANA TAO AMIN’NY FADINTSERANANA, FANAOVANA HOSOKA: Voaheloka 5 taona an-tranomaizina i Mbola Rajaonah, miampy lamandy 27 miliara ariary

Nanomboka tamin’ny talata teo, tamin’ny 01ora tolak’andro ny fitsarana ny raharaha maha voasaringotra an’i Mbola Rajaonah, sy olona maro hafa. Naharitra ora maro izany, izay mbola nitohy ny tontolo andron’ny alarobia teo. Omaly maraina tokony ho tamin’ny 5ora no nivoaka ny didy. Fantatra tamin’izany fa voasazy higadra dimy taona, sazy mihatra i Mbola Rajaonah, miampy lamandy mitentina 27 miliara ariary, izay hiarahany mandoa amin’ireo orinasa “transitaire” dimy voasaringotra tamin’ny raharaha.

Naharitra 20 ora, nanomboka ny 24 mey teo, ary tsy nifarana raha tsy tamin’ny 5ora sy 30 maraina omaly ny fitsarana an’i Mbola Rajaonah, izay mpanolontsain’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, noho ny raharaha maro izay maha voasaringotra azy. Fanodinkodinam-bolam-panjakana, ny fitsoahana ara-ketra tamin’ny fampidirana entana tao amin’ny Fadintseranana, fanaovana hosoka sy fampiasana hosoka, famotsiambola, fandikan-dalàna tao amin’ny fadintseranana, ireo amin’ny ankapobeny no vesatra nanenjehana an’ity mpandraharaha ity.

Ny tendrom-pitsarana iadiana amin’ny Kolikoly (PAC) no nisahana ny raharaha. Rehefa vita ny fakana am-bavany ireo olona voarohirohy tamin’ity raharaha ity, dia sazy dimy taona an-tranomaizina, sazy mihatra avy hatrany, no azon’i Mbola Rajaonah. Nahazo sazy mihantona herintaona avy kosa ireo orinasa “transitaire” dimy voalaza fa tafiditra tamin’ny raharaha, izay miara-mandoa ny onitra 27 miliara ariary amin’i Mbola Rajaonah. Ireo mpiasan’ny Fadintseranana maherin’ny telopolo izay voalaza fa niray tsikombakomba taminy kosa dia nohafahan’ny Fitsarana madiodio avokoa, araka ny vaovao nomen’ny Tonia mpampanoa lalàna ao amin’ny PAC antananarivo, Solofohery Razafindrakoto. Tsara ho fantatra fa teo anelanelan’ny taona 2014 ka hatramin’ny 2018 no nisehoan’ireo raharaha rehetra ireo.

Raha tsiahivina, ny tolakandron’ny 13 Febroary 2019 i Mbola Rajaonah no nosamborina teo Antsahabe Antananarivo. Notanana am-ponja vonjimaika teny amin’ny Fonjaben’i Tsiafahy avy hatrany ny tenany, ny androtr’io. Naharitra telo taona mahery izy no notanana vonjimaika tany Tsiafahy. Ny volana Aprily 2022 kosa izy vao nafindra teny amin’ny Fonja vaovaon’ Imeritsiatosika, noho ny antony ara-pahasalamana. Hatreto, tsy mbola nandrenesam-peo ny mpisolovava azy.

Fermer