Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

BAREA – CAN 2023: Ho mafy ny fifandonana amin’i Ghana anio

Anio no andro voalohany handraisan’ny Barean’i Madagasikara anjara amin’ny fifanintsanan’ny CAN 2023. Efa any Ghana ny ekipam-pirenena malagasy. Tomombana ny fanomanana amin’ny ankapobeny, na teo aza ny fikorontanana nateraky ny tsy fahatongavan’ny mpilalao maromaro nantsoina. Niaiky ny mpanazatra fa ho sarotra ny lalao. Na izany aza, miandrandra vokatra ny Malagasy.

Efa vonona tanteraka ireo mpilalao miisa 24 mandrafitra ny Barean’i Madagasikara, izay tafavondrona ao Accra Ghana amin’izao fotoana izao, hiatrika ny lalao voalohany amin’ny fifanintsanana izay ho tompondakan’i Afrika Can 2023, anio amin’ny 10 ora alina eto Madagasikara. Nanambara ny mpanazatra Nicolas Dupuis omaly fa ho sarotra ny hibata fandresena amin’ny lalao hifanandrinana amin’ny Ghana, izay anisan’ny ekipa tsara indrindra eto Afrika.  « Manantena aho fa hanome izay rehetra azony atao izy ireo, ary na tsy amin’ity andro voalohany ity aza izany, dia azo antenaina amin’ny andro faharoa, izay hifanandrinana amin’ny Angola etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina. Tsy maintsy manome ny tsara rehetra ho an’ny Malagasy izahay miaraka amin’ireo mpilalao tanora mandrafitra ny ekipa », hoy ny mpanazatra Nicolas Dupuis.

Efatra na dimy amin’ireo mpilalao avy eto an-toerana miisa sivy no hijoro hiatrika sy hiaro ny voninahi-pirenena manoloana ny kintana maintin’i Ghana, hoy hatrany ity farany tamin’ny valandresaka tao amin’ny pejin’ny Ghanasportspage.com. Afaka manao fahagagana ny Barea noho ny fananantsika ireo mpilalao tanora sy manana ny traikefa entina miady amin’ny Ghaneana, hoy hatrany izy.

Raha hiverenana ny tantara, raraka teo amin’ny fihodinana voalohany ny Kintana mainty tamin’ny Can 2022, rehefa resin’ny ekipam-pirenena Kaomorianina 3 no ho 2 izy ireo tamin’izany. Etsy ankilany, raha ny filaharana farany ny 31 marsa 2022, faha-60 maneran-tany ary faha-11 aty Afrika i Ghana. Efa nahazo ny amboaran’ny Afrika inefatra ny taona 1963, 1965, 1978, 1982. Ary hatramin’ny 2014, imbalo nanao ny lalao famaranana ity farany. Amin’ny anio dia i Otto Addo no mpanazatra mitarika ny Ghaneana ary George Boateng no mpanazatra lefitra.

Heriniaina S (Mpianatra asa) sy LR.

Fermer