Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

FIFANINTSANANA CAN 2023: Lavon’i Ghana tamin’ny isa 3 no ho 0 ny Barea

Lesoka maromaro no itan’ny mpamakafaka baolina kitra nandritra ny lalaon’ny Ghana sy ny Barea omaly. Lesoka izay nitarika hatrany amin’ny fandresen’ny Ghaneana. 3 no ho 0, io no isa farany nisarahan’ny roa tonta. Miandrandra fandresena ny mpitia kitra amin’ny fifandonana amin’ny Angola amin’ny Alahady izao, etsy amin’ny Kianja Barea.

Sarotra tamintsika ny fiatrehana ny lalao voalohany amin’ny fifanintsanan’ny CAN 2023, nifandonan’ny Barea tamin’ny Ghana omaly. Voatazon’ny Barea 0 no ho 0 ny isa tamin’ny ampaham-potoana voalohany, na dia nanindry mafy aza ry zareo Ghaneana. Samy nanova paikady ny ekipa roa tonta taty amin’ny fizaram-potoana faharoa. Nanolo-pilalao ihany koa ny mpanazatra Nicolas Dupuis. Tsy nahitam-pahombiazana anefa izany, raha toa ka nety kosa ho an’ny Ghaneana. Satria taty amin’ny minitra faha-54 izy ireo no nahafaty ny Baolina voalohany. Nahitana fikoropahana teo amin’ny vodilaharantsika taorian’izay ka teo amin’ny faha-56 minitra dia tafiditra indray ny baolina faharoa ho azy ireo. Niezaka nanamafy ny fanafihana ny ekipa malagasy taorian’ireo baolina roa ireo, saingy tsy mbola nahitam-bokany izany. Nampidirina ry Voavy Paulin, sy ry Fabrice, ary Dax, saingy tsy nahavita namaky ny vodilaharana Ghaneana. Hain’ireto farany no nanararaotra izany ka taty amin’ny minitra faha-85 no tafiditra indray ny baolina fahatelo ho azy ireo. Io no isa farany nisarahana.

Fanovana paikady

Teo amin’ny “formation” no nisy tsy fetezana ho antsika, araka ny fahitan’ireo mpamakafaka baolina kitra. Tena niaritra isika tao anatin’ny 15 minitra voalohany. Afaka nanohitra isika avy eo. Taty amin’ny faha-30 minitra no nisy endri-dalao isika rehefa nanova paikady ny mpanazatra.  Nanana olana koa isika tao amin’ny ilany avanana. Saika niainga avy ao avokoa ny fanafihana Ghaneana rehetra. Voamarik’ireo teknisianin’ny baolina kitra ihany koa fa baolina azo nosorohana tsara ireo baolina roa voalohany maty. Tamin’ny ankapobeny anefa dia efa nampoizina ny endri-dalao, hoy hatrany ny mpamakafaka baolina kitra. Ankoatra izay, nahavelom-bolo ny maro ny fahaiza-manao nasehon’i Nina mpiandry tsatokazo, tamin’ireo fanafihana sesilany nataon’ny Ghaneana.

Tsara ho fantatra fa isan’ireo nampijoroan’ny mpanazatra tao anatin’ireo 11 niditra voalohany i Nina, mpiandry tsatokazo. Azo lazaina ho sehatra goavana voalohany azon’ity farany iny omaly iny, raha toa ka i Melvin Adrien hatrany no tompon-toerana nandritra ny lalao maro nataon’ny Barea tato anatin’ny taona vitsy. Tao amin’ny vodilaharana kosa no nisy an-ndry Mamy Gervais, Rayan Raveloson, Berajo. Tao afovoan’ny kianja kosa, nisy an’i Lapoussin taty amin’ny ilany avanana, teo koa i Ibrahim Amada, Hery Bastien no irakiraka afoavoany, raha toa ka Rojo sy Jerome Mombris no taty amin’ny ilany ankavia. Lohalarahana najoro voalohany kosa i Tsilavina sy J Donisa.

Randriah.

Fermer