
PolitikaSongadim-baovao
MINISITRA LALATIANA ANDRIATONGARIVO: « Tsy marina ny filazana fa noraràna ny hetsiky ny TIM tany Antsirabe »
Nitondra fanazavana ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, izay minisitra Mpiahy ny Faritra Vakinankaratra, omaly manoloana ny resabe miely mikasika ny fahazoan-dalana manao hetsika ara-politika. Nodisoany nandritra izany ny filazana fa noraràna ny antoko TIM izay nikasa hanao hetsika tany amin’ny Magro Avaratsena Antsirabe, ny sabotsy 28 mai teo.
“Ampy izay ny fampahoriana sy ny fanaparam-pahefana atao amin’ny Malagasy. Fanjakana tsy refesi-mandidy ny Fitondrana Andry Rajoelina ary mihevitra ny ho mandrakizay eo amin’ny toerana”, ampahany tamin’ny teny nambaran’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ireo, taorian’ny filazana fa fandraràna ny hetsika nokasain’izy ireo natao tao Antsirabe. Nitondra fanazavana misimisy kokoa mahakasika izany ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo omaly. Ny tenany izay sady Mpitondra tenin’ny Governemanta, no Minisitra Mpiahy ny Faritra Vakinankaratra rahateo. Nodisoany avy hatrany, araka izany, ireo fanambarana rehetra ireo, satria tsy nisy fandraràna hetsika mihitsy natao tamin’ny antoko TIM tao Antsirabe. “Diso ny filazana fa noraràna ny antoko TIM izay nikasa hanao hetsika tany amin’ny Magro Avaratsena Antsirabe, ny sabotsy 28 mai teo”, hoy izy. ”Nomena alalana soa aman-tsara izy ireo, fa nafindra teny Vatofotsy ny toerana. Misy taratasy nalefan’ny Prefet an’Antsirabe, ary nampanantsoina teo amin’ny OMC izy ireo ny tolakandron’ny zoma 27 may”, hoy izy. Nomena azy ny taratrasy milaza fa mahazo alalana hanao ny hetsika izy ireo, fa kosa tsy eo Avaratsena noho ny hamaroan’ny olona mifamezivezy amin’ny andron’ny tsena, ka afindra eny Vatofotsy, hoy hatrany ny fanazavana. Notsindriany fa manana fahefana tanteraka ny mpitandro filaminana, handrara na hamindra toerana ny hetsika iray mety hisy fanohitohinana ny filaminam-bahoaka, araka ny lalàna.
Sakantsakana eny amin’ny lalam-pirenena
Nambaran-dRamatoa Lalatiana Andriatongarivo fa tsy misy fahalalahana gaboraraka izany. Tsy maintsy fehezin’ny lalàna hatrany ny fahalalahana, raha ny nambarany. Etsy ankilany, diso koa ny filazana fa voasakantsakana ny fifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahafito nandritra iny sabotsy iny, raha ny voalazany hatrany. Voizin’ny avy amin’ny fanoherana fa ampiasain’ny Fitondram-panjakana hanakantsakanana ny dian’ny Filoha teo aloha ny mpitandro filaminana eny amin’ny lalam-pirenena. “Tsy nampiana ny ”barrière de contrôle” fa ireo efa mahazatra toy ny isanandro ihany, ary na iza na iza dia voasakana avokoa fa tsy nisy sakana nampiana natokana ho an’ireo antoko mpanohitra” , hoy ny Minisitra. Ity farany izay nanindry fa tsy tsara toerana hiresaka momba ny fanoherana ny didy jadona sy ny fanaparam-pahefana mihitsy ity Filoha teo aloha ity, raha hiverenana ny tamin’ny fotoana nitondrany.




