Songadim-baovao

FAKANA AN-KERINY VEHIVAVY ETO AN-DRENIVOHITRA : Efa misy irika hahafaha-mamantatra ireo olon-dratsy

Nanatontosa valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny Mpitondra tenin’ny Filohan’ny Repoblika sady Talen’ny serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Nambarany fa efa misy ny irika hahafaha-mamantatra ireo olon-dratsy mahakasika ireo mpaka an-keriny vehivavy eto an-drenivohitra. Sazy henjana no miandry ireo olona ho tratra amin’ity trangana fakàna an-keriny niseholany, tao anatin’ny andro vitsivitsy ity…

Ny Talen’ny serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, Lova Hasinirina Ranoromaro.

Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny Mpitondra tenin’ny Filohan’ny Repoblika sady Talen’ny serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, Lova Hasinirina Ranoromaro omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Nambarany fa nisy ny tranga fakàna an-keriny izay misesisesy teto an-drenivohitra, izay miteraka tebiteby sy fikorontanan-tsaina eo anivon’ny vahoaka. « Tena misy tokoa ireo tranga ireo ary manameloka tanteraka izany ny Fitondram-panjakana. Kanefa hita sy voaporofo, fa misy ireo olona sasantsasany, mamoaka sary eny amin’ny tambajotran-tsosialy, izay tsy mitombina akory ka mampiteraka savorovoro », hoy izy. Efa misy  ny fepetra noraisin’ny mpitandro filaminana, ka misy ireo polisy miisa 1000 naparitaka eny amin’ireo sekoly manao fiambenana eto an-drenivohitra. Nasongadin’ny Mpitondra tenin’ny Filohan’ny Repoblika  koa, « efa nampitain’ny minisitra tomponandraikitra fa efa misy ny irika hahafaha-mamantatra ireo olon-dratsy sy ao ambadik’izao fampihorohoroana izao. Efa mandroso ny fanadihadiana, ary miandry ny valin’izany am-pitoniana isika. Raha ny baiko nomen’ny Filoha, dia sazy henjana no miandry ireo olon-dratsy voakasika izao asa fanakorontanana izao ». Nambara fa manararaotra ny fahasarotam-piainan’ny vahoaka malagasy, izay efa ao anatin’ny fotoan-tsarotra. Iaraha-mahalala fa nandalo krizy ny Firenena.

Lasa somary verivery saina…

Tahaka izao no hita amin’ny tanan’ireo tovovavy avy nalaina an-keriny.

Mahakasika ireo tranga voamarina, efa nandraisana ireo tomponandraikitra fepetra avy hatrany. Ny afakomaly teo, ny tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny Filaminam-bahoaka, no nidina teny an-toerana nijery ilay tovovavy niharan’ilay fakàna an-keriny. Nisy  ny toromarika nomen’ny minisitra ikarohana ireo nahavanon-doza. Ny fiaraha-mientana tanterahin’ny fiarahamonina dia manampy tokoa ny amin’ny fikarohana ireo nahavanon-doza, ialana amin’ny honohono sy  ny vaovao tsy marim-pototra. Ny ankamaroan’ireo nalaina an-keriny, tovovavy eo amin’ny 20 taona eo ho eo avokoa. Ny zavatra hita sy itovizan’ireo tovovavy niharan’ny fakàna an-keriny ireo, dia lasa somary verivery saina avokoa izy ireo. Tiana homarihina, fa nahitana karazana tsindrona, tahaka ireny manao fitiliana « TDR », eo amin’ny rantsan-tanan’ireo tovovavy niharan’ny fakàna an-keriny. Ny mahavariana amin’ireo tranga fakàna an-keriny ireo, dia tsy misy mihitsy ny fitakiana vola, amin’ny fianakaviana ary ora vitsy, dia votsotra ireo tovovavy nalaina an-keriny. Hita taratra, fa tena misy ny asa fanakorontanana tanterahina momba ity tranga fakàna an-keriny hafahafa ity, anakorontanana ny saim-bahoaka, amin’izao ankatoky ny fetin’ny fahaleovantena izao. Efa mizotra ny fanadihadiana momba ireo tranga.

Mila fanaraha-maso ireo ankizy…

Efa nisy ny fidinana ifotony nizahana ny zava-misy marina teny amin’ny Hopitaly.

Ny Fitondram-panjakana, tsy mitazam-potsiny mikasika izao raharaha izao, fa manentana kosa, ny olom-pirenena tsirairay avy, indrindra ireo ray aman-dreny sy ireo mpanabe, hanamafy ny fitandremana sy ny fanaraha-maso ireo ankizy eny an-tsekoly. Tsy kely lalana ny ratsy, hoy ny Mpitondra tenin’ny Filohan’ny Repoblika, sady Talen’ny serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, ka manentana hatrany ny rehetra ho mailo. Ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra dia manara-maso akaiky izao raharaha izao, ary manome toromarika itadiavana ireo ambadika izao fakàna an-keriny izao. Ny eo anivon’ny Polis im-pirenena dia namoaka laharana manokana, amina trangana fakana an-keriny eto an-drenivohitra, dia ny  laharana hiantsoana sy hifanomezam-baovao : 034 07 517 01 – 020 22 281 70, miasa 24 ora amin’ny 24 ora. Eo koa ny Sampandraharaha maro eo anivon’ny Polisim-pirenena, izay misahana ny fanadihadiana mahakasika  ny fakana an-keriny tanora miseho eto an-drenivohitra.

Fermer