Songadim-baovao

FAKANA AN-KERINY ETO AN-DRENIVOHITRA : Mpivarotra zava-mahadomelina mahery vaika 10 voasambotra, teratany vahiny ny efatra

Taorian’ny fanamarinana fa zava-mahadomelina karazany efatra no hita tamin’ireo tanora lasibatry ny fakàna an-keriny, araka ny valin’ny fitiliana. Tsy niandry ela fa omaly, dia nahatratra olona folo voasambotra teny Ivandry, 67ha, Mandroseza, izay ahitana teratany sinoa sy Nizerianina miisa efatra. Mitohy ny fanadihadiana…

Ampahany amin’ireo zava-mahadomelina mavesatra sarona.

Tsy afa-bela ireo mpivarotra zava-mahadomelina mahery vaika ! Taorian’ny fanamarinana fa zava-mahadomelina karazany efatra no hita tamin’ireo tanora lasibatry ny fakàna an-keriny, araka ny valin’ny fitiliana, izay nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Zely Randriamamantany, afakomaly, tamin’ny fahitalavi-pirenena. Tsy  niandry ela fa omaly, dia nahatratra olona folo ireo voasambotra, momba ity zava-mahadomelina mahery vaika ity,  teny Ivandry, 67ha, Mandroseza, izay ahitana teratany sinoa sy Nizerianina miisa efatra ary teratany malagasy, kosa ny enina. Mbola nahitana rongony mavesatra 5g antsoina hoe « métaphétamines » ilay teratany sinoa iray 42 taona. Nandritra ny fisavana ny tranony sy ilay teratany nizerianina iray,  mbola nahitana « cocaïne » milanja 250g tao anatin’ny solefanina sy nahitana vovo-javatra fotsifotsy milanja 500 g, izay mbola tsy fantatra marina. Tombanana fa tafiditra ao anatin’ireo zava-mahadomelina mahery vaika.

Ankoatra ireo, nahitana karazana fitaovana fampiasa toy ny tavoahangikely vita amin’ny vera miisa 21 sy tavoahangy plastika miisa folo ary fandanjana iray sy fitaovana maro samihafa, tao amin’izy ireo. Ho an’ilay teratany sinoa, 42 taona,  isan’ireo nahitana ilay rongony mavesatra « métaphétamines », dia efa nidoboka am-ponja 5 taona noho ny resaka fanondranana an-tsokosoko sokatra. Mbola nahitana soavalindriaka na « hyppocampe » milanja 110 kg koa tao aminy, izay tsy nampoizina ny nahazoana azy, niampy « corail noir » 4,3kg.

Tanora vavy vao erotrerony…

Fositra manimba ny tanora ny fiparitahan’itony zava-mahadomelina mahery vaika itony.

Tao anatin’ireo folo voasambotra ireo, misy ireo tanora malagasy lahy sy vavy vao erotrerony tafiditra amin’ny fikirakirana amin’ireo zava-mahadomelina mahery vaika. Manodidina ny 25 taona ka hatramin’ny 30 taona ny salan-taonan’izy ireo. Misy amin’izy ireo no mpanjifa, sy mpanao ity varo-maizina ity. Ho an’ilay vehivavy iray 33 taona, izay manatanteraka asa ivelan’ny fonja (MOP) kanefa,  isan’ireo mpivarotra sarona izy. Misy amin’izy ireo no mpandefa ny zava-mahadomelina ho varotana. Tafiditra ao anatin’ireo mpivarotra an-tsokosoko tsy ara-dalàna ireo zava-mahadomelina,  ireo teratany nizerianina sarona. Anisan’ny toerana nahatrarana ireto mpikirakira momba ny zava-mahadomelina mahery vaika ireo, ny eny amin’ny faritra 67ha iny. Hisy ifandraisana amin’ny nakàna an-keriny ilay zatovovavy teny an-toerana ve ny toe-draharaha ? Na izany aza, atao andrimaso eny amin’ny Zandarimaria ao Ankadilalan ireo mpivarotra sy mpanjifa ity zava-mahadomelina mahery vaika, mampiteraka sahotaka eto Antananarivo renivohitra ity.

Omena valisoa…

Tiana ny manamarika fa zava-mahadomelina karazany efatra no hita tamin’ireo tanora lasibatry ny fakana an-keriny tato anatin’ny andro vitsivitsy izay, araka ny valin’ny fitiliana natao azy ireo. Isan’izany ny « opiacés », « Cocaine », « amphétamines », ary ny « méthamphétamines ». Mitohy ny fanadihadiana, ary nilaza ny teo anivon’ny fitandroana ny filaminana fa hahazo valisoa, izay manome vaovao marim-pototra momba ireo mpaka an-keriny. Saika mitovy avokoa ny tranga nahazo ireo tanora lasibatry ny fakana an-keriny, tato anatin’ny andro vitsy izay, teto an-drenivohitra.

Fermer