PolitikaSongadim-baovao

FANAVAOZANA TANTERAKA (REFONTE TOTALE): Mpifidy miisa 13 500 000 no kendrena hiditra anaty lisi-pifidianana

Efa am-perinasa ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) amin’ny firosoana amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana na ilay antsoina hoe “Refonte totale de la liste électorale” izay atao isaky ny folo taona. Raha toa ka 10 tapitrisa mahery ireo olom-pirenena tafiditra anatin’ny lisitry ny mpifidy ankehitriny, dia tanjona ny hampidirana mpifidy 13 500 000 ao anatin’ity fanavaozana tanteraka izay hirosoana ity, hoy ny Ceni.

Manodidina ny 10 750 000 eo ho eo ny mpifidy voasoratra anarana tao anatin’ny lisitry ny mpifidy taorian’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana nataon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) ho an’ny taona 2021-2022. Ankehitriny, miroso amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana sy ny rejistry ny lisitry ny mpifidy nasionaly ny Ceni, ho fampiharana ny didy hitsivolana laharana faha 2022-667 tamin’ny 11 May 2022. Nilaza ny Filohan’ny Ceni, Dama Arsène Andrianarisedo, omaly, fa efa tena am-perinasa tanteraka izy ireo ankehitriny, amin’ny firosoana amin’izany. Tanjona kendrena ny hampidirana mpifidy miisa 13 500 000 ao anatin’ny lisitra vaovao, araka ny nambarany. Io tanjona io dia mifanaraka amin’ny fenitra iraisampirenena, eo ihany koa ny isan’ny mponina eto Madagasikara ankehitriny, izay tombanana ho eo amin’ny 27 tapitrisa. Tsy azo ihodivirana , araka izany, ny fametrahana fomba fiasa maty paika sy matotra amin’ny fanavaozana tanteraka mba hanatrarana io vina io. Izany indrindra ho antom-pisian’ny atrikasa sy fikaonandoha nokarakarain’ny Ceni omaly, nanolorana tamin’ireo mpisehatra marolafy eto amin’ny tany sy ny firenena ny fomba fiasa efa novolavolain’ny Ceni, mba hiadiana hevitra. Fotoana izay hahafahan’ny rehetra ihany koa mitondra soso-kevitra na fanatsarana amin’izay tokony hatao.

Fitsirihana indroa miantoana

Isan’ny fomba fiasa efa natolotry ny Ceni omaly ohatra ny fitetezana isan-tokantrano ataon’ireo mpanisa efa nahazo fiofanana mialoha. Raha toa ka tsy tratra ao an-trano ilay olona dia efa misy fomba hahafahan’ilay olona misokatra anarana eny anivon’ny fokontany. Hisy ihany koa ny fampiasana teknolojia vaovao, toy ny “tablettes” mandritra ity fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana ity. Hisy koa ny fisoratana anarana mandritra ireny fitsarana mitety vohitra any amin’ny toerana samihafa ireny, amin’ny alalan’ny guichet unique. Mba hampisy ny fangaraharana dia atao indroa miantoana ny fitsirihana ny lisitra vaovao. Ny voalohany dia atao mialohan’ny famaranana vonjimaika ny fanavaozana, ary ny faharoa kosa dia mialohan’ny anaovana ny famaranana tanteraka. Nanomboka ny 11 Mey teo, araka izany, no niasa ny Ceni amin’ny fanatanterahana ity “refonte totale” ity, ary manana hatramin’izany 10 Jona 2023 hamitana ny asa rehetra. Marihina fa izay lisitra vaovao hivoaka amin’io fanavaozana tanteraka io no ho ampiasaina mandritra ny fifidianana ho Filohan’ny Repoblika amin’ny taona ho avy.

“Ity atrikasa fakan-kevitra ity dia tsy natao hampahafantarana ny mpisehatra amin’ny fifidianana ny fizotry ny fanavaozana ny lisitry mpifidy ihany, fa natao indrindra, handraisana ireo soso-kevitra hoentina hanatsarana ny fomba fiasa naroson’ny CENI», hoy ny filohan’ny Ceni , Dama Arsène nandritra ny lanonam-panokafana ny atrikasa natao omaly . Nohamafisiny fa « ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy dia goavana, saro-pady ary sarotra kanefa inoantsika fa io no fototra isian’ny filaminana ho amin’ny zotram-pifidianana demokratika izany ».Nohamafisiny fa « Ilaina ny fampandraisana andraikitra ny mpandray anjara rehetra amin’ny fifidianana hahafahana manatanteraka ny fanoratana ny mpifidy anaty lisitry ny mpifidy ».

Fermer