PolitikaSongadim-baovaoSosialy

FANAVAOZANA LALÀNA, FITANISANA NY TANY, FITSARAM-POKONTANY… Nivoaka ny fehin-kevitra hamahana ny olan’ny fananan-tany eto Madagasikara

Asa fanatanterahana avy hatrany no hatrehina taorian’ny fivoahan’ny fehin-kevitra momba ny famahana ny olan’ny fananan-tany eto Madagasikara, taorian’ilay fikaonan-doham-pirenena momba ny fananan-tany…

Nivoaka omaly ny fehin-kevitra tamin’ilay Fikaonan-doham-paritra notanterahina nandritra ny hateloan’andro momba ny fananan-tany, teny Ivato. Fotoana nandinihina sy niadian-kevitra, ary nanapahana miaraka ny manahirana ny vahoaka Malagasy eo amin’ny Sampan-draharahan’ny fananan-tany, ny sehatry ny fitsarana momba ny fananan-tany, fa indrindra ny fomba handravana ireo tambajotra mpanao risoriso sy mpangalatra tanim-bahoaka hatramin’izay. Nambaran’ny Minisitra Pierre Holder, ny maha zava-dehibe iny dingana voalohany tsy azo nolalovam-potsiny teo iny, hitsinjovana ny vahoaka Malagasy tompon’ny tany, ary manomboka eto ho tompony tsy hangatak’atiny intsony ny Malagasy. Fehin-kevitra mafonja, no nivoaka nandritra izany, izay nijerena ny vahaolana fohy, antonony, ary lavitrezaka.

Hisy ny fikaonan-doha isam-paritra hamantarana ireo tany rehetra…

Teo amin’ny vahaolana fohy ezaka, niraisan’ireo mpandray anjara tamin’izany ny tokony hisian’ny fikaonandoha isam-paritra, hamantarana ny mikasika ny tany rehetra amin’ny alalan’ny « inventaire » sy ny « digitalisation », mba hametrahana ny « Rafitra fampahalalana momba ny tany » (Système d’Information Foncière). Ilaina koa ny fanatsarana ny fitantanana ifotony ny fananan-tany, toy izany koa ny fomba fiasan’ny mpiasan’ny fananan-tany. Namafisin’ireo mpandray anjara, fa mila jerena ireo tanim-panjakana, ary hahena ny « fanofana tany maharitra » (bail emphytéotique). Anisany manan-danja amin’ity vahaolana fohy ezaka ity ny fanomezan-danja ny rafim-piarahamonina eny ifotony, toy ny « kianja maintso », ary ny fandraisan’ny filan-kevitry ny Fampihavanana Malagasy anjara. Nanolotra vahaolana momba ny fitarazohan’ny fitsarana sy ny ady amin’ny tambazotra sy kolikoly izy ireo, toy ny fanenjehana tsy misy indrafo ireo mpijirika amin’ny endriny maro. Noraisina ho zava-dehibe ny fampahafantarana sy fanapariahana ny lalàna misy eny anivon’ny fiaraha-monina, ary ny fanofanana ireo mpisehatra rehetra amin’ny resaka fananan-tany, ary nojerana manokana ny momba ny tanin’ny voanjo (terrains coloniaux). Nisy koa tolo-kevitra momba ny fampiasana ny tany amin’ny lafiny toe-karena sy ho an’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.

Niraisan’ny maro ny tokony hanavaozana ny lalàna…

Eo amin’ny antonon’ezaka indray dia niraisan’ireo mpandray anjara ny hanavaozana ny lalàna, toy ny fametrahana didy fampiharana ao amin’ny andininy faha-82-n’ny didy hitsivolana 60.14. Hajaina ny endriky ny taratasy ifanaovan’ny samy malagasy amin’ny fananan-tany, fanafoanana ny “régularisation” an’ireo mpibodo tany, toy ny fanafoanana ny fanomezana jorolava ho an’ireo mpibodo tany mitonona ho fokonolona, sy ny sisa. Mila Fantarina ny efitry ny satan-tany rehetra, ary apetraka anaty « Plan Local d’Occupation Foncière » (PLOF) sy ny drafi-panajarian’ny kaominina. Hamafisina ny fitantanana ifotony ny fananan-tany, toy ny fametrahana ny Birao ifotony fananan-tany manara-penitra isaky ny kaominina eran’i Madagasikara, mba hamokatra karatany ara-dalàna ary hanampy amin’ny karatany faobe. Hampiditra mpiasam-panjakana vaovao hatao « Delegen’ny fananan-tany » eran’ny kaominina rehetra, hanampiana ny kaominina. Ilaina anatin’ny salan’ezaka io ny fialana amin’ny fitarazohan’ny fitsarana amin’ny alalan’ny “digitalisation”-n’ny “chaine civile”. Hamafisina ny fahafantaran’ny vahoaka ny lalàna sy ny paikady, ny fampitoviana ny anton-taratasy rehetra hialana amin’ny hosoka isan-karazany, mba hialana amin’ny fifanilihana andraikitra misy amin’ny sehatra fifampiresahana sy fifanakalozana mila apetraka. Fanamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitsarana sy ny fananan-tany : fanofana sy fizaràna fahalalàna. Eo amin’ny lafin’ny saran’ny fitsarana, nanamafy ny mpandray anjara fa mila hamaivanina. Zava-dehibe ihany koa ny famatsiam-bola mikasika ny famadihana ny karatany ho titra atao « faobe », ary ny fanaovana fanoratana tany sy fandrefesan-tany faobe.

Omen-danja ny fitsaram-pokontany am-boalohany…

Eo amin’ny lavitrezaka kosa  indray, dia tapaky ny rehetra fa homen-danja ny fitsaram-pokontany am-boalohany, amin’ny alalan’ireo fitsarana mitety vohitra, ary atao zava-dehibe ny fanaovana nomerika ireo sampandraharaham-panjakana rehetra mifandraika amin’ny fananan-tany. Mikasika ny « aires de mise en valeur rurale » (AMVR) sy olon-tsotra, ary ny « Zone d’Aménagement Foncier » (ZAF), izay natokana ho an’ny koperativa famokarana, ny tany dia tokony hanaovana famokarana na fotodrafitrasa ho an’ny olona mahazo azy, fa tsy amidy amin’ny vahiny. Nanamafy ny mpandray anjara fa tokony hanaovana fanisana ny olona nahazo « titre » amin’izany, sy ny fomba nahazoany azy tamin’ireny tany AMVR sy ZAF ireny. Rehefa fantatra kosa izany dia raisina ny fepetra momba azy ireo. Vahaolana mikasika ireo loham-baorina ny fametrahana fikambanana ara-panjakana ho an’ireo izay mipetraka amin’iny tany, ka ny fikambanana no mahafantatra ny fitsinjaran’ny tany sy mitondra ny hetaheta any amin’ny fanjakana. Ny momba ny “cadastre inachevé” dia ilaina ny fanatanterahana fitsarana mitety vohitra ao amin’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany. Nifarana omaly, ny fikaonan-doham-pirenena mikasika ny fananan-tany notanterahina teny amin’ny CCI Ivato, izay niompana tamina lohahevitra miisa dimy, dia ny fahazoana sy fisitrahana tany ho an’ny Malagasy, Tany sy ny fampandrosoana, famahana ny ady tany, fitantanana ny tany amin’ireo mpisehatra rehetra, ary ny fangaraharan’ireo antontan-kevitra mikasika ny fananan-tany. Maherin’ny 700 ireo mpandray anjara tamin’izany, izay nahitana solon-tena isam-paritra.

Fermer