KolontsainaSongadim-baovao
MIHAMY MADA FASHION III: Azo atao ny mandraharaha sy mivelona amin’ny asa famoronana sy ny lamaody
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly teny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina Mahamasina, ny hetsika Mihamy Mada Fashion andiany fahatelo. Maro ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny haihaingo sy ny famoronana mandray anjara amin’ny hetsika. Tanjona rahateo, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, ny hanosehana azy ireo hiroso lalina amin’ny fandraharahana ara-kolontsaina, ka hamadihana ireo asa famoronana ho lasa antom-pivelomana.
Fanamby sy ezaka napetraka ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tamin’ny mpisehatra amin’ny tontolon’ny haihaingo sy ny famoronana manerana ny Nosy ny fanomezan-tosika azy ireo amin’ny hampiroboroboana hatrany ny asany. Tao anatin’ny telo taona izay, nifotorana tanatina fitambarana fandaharanasa maro ny fampiroboroboana sy ny fanomezana vahana ny fandraharahana ara-kolontsaina na « Industrie créative et entrepreneuriat culturel ». Isan’ireo ohatra ny « Tosik’Art », ny fananganana ny Ivo-toerana fikotrehina orinasa mifototra amin’ny kolontsaina, « Centre d’incubation Tosik’art » ary ny hetsika « Mihamy Mada Fashion ». Kendrena anatin’ity hetsika goavana ity indrindra ny fanosehana ireo mpamorona ao anatin’ny fandraharahana ara-kolontsaina.
« Mendrika ny hotohanana sy ampiana ireo mpanao haihaingo », araka ny nambaran’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo tamin’ny lahateniny, nandritra ny fanokafana ny hetsika Mihamy Mada Fashion andiany fahatelo, omaly Zoma 10 Jona, tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina. Azo atao ny mandraharaha amin’ny lafiny lamaody, hoy ihany ny tenany. Azon’ny tanora hiseharana ny tontolon’ny famoronana lamaody, amin’ny fomba mahaleo tena, noho ny hamaroan’ny akora fototra eto amintsika.
Fikarohana lalam-barotra
Mahakasika amin’izay fiseharana mahaleo tena amin’ny tontolon’ny lamaody izay, novelabelarina nandritra ny fanokafana ny hetsika Mihamy Mada Fashion ny lohahevitra miompana amin’ny « Lalam-barotry ny lamaody taloha nohavaozina », hilazana ny lalana azo izorana amin’ny famarotana ny sanganasa. Raha ny nambaran’ireo mpisehatra amin’ny haihaingo efa manana traikefa, miainga amin’ny fahafahana sy fananana aingam-panahy ny fiatombohan’ izany fandraharahana amin’ny kolontsaina izany. Malalaka ihany koa ny lalana azo ampirantiana sy amarotana izany raha ampitahaina tamin’ny vanim-potoana fahiny. Nivantana ny namarotana lamaody taloha. Amin’izao fotoana anefa, marolafy ny fomba azo ampirantiana sy ny amarotana izany. Mahazo vahana amin’izao fotoana ny fanaovana varotra ampitain-davitra (vente en ligne). Fomba maro ihany koa no azo anehoana ny zava-kanto ao amin’ny tambajotran-tserasera, toy ny fanaovana seho an-tsary. Araka izany, mahazo tombony kokoa ny tanora amin’izao vanim-potoan’ny fanatontoloana izao ny hiditra amin’ny fandraharahana amin’ny kolontsaina.
« Lamaody taloha nohavaozina »
Tahaka ny sehatrasa rehetra, manana ny lanjany sy miova isaky ny vanim-potoana ny lamaody. Tsy ny tanora ihany no nanokanana izany sehatry ny lamaody izany, fa voakasika ihany koa ny ankizy. Rehefa miresaka ny hoe lamaody, tsy ny fitafy ihany no ao anatiny, fa eo ihany koa ny zaitra, taovolo, tarehy, ny asa tanana rehetra. Ho antsika eto Madagasikara manokana, manasongadina ny maha malagasy ny sanganasa vokarin’ireo mpamokatra lamaody. Manosika azy ireny hamoha sy hitrandraka ny talentany ny fandraharahana eo amin’ny sehatry ny zava-kanto sy ny haihaingo, ary mifandray amin’izany ny lohahevitra « Lamaody taloha nohavaozina », izay noresahan’ny mpikarakara teo amin’ny seho voalohany tamin’ny hetsika Mihamy Mada Fashion andiany fahatelo.
Marihina fa fototra hampivelarana ny sanganasan’ny mpisehatra amin’ny lamaody ny hetsika Mihamy Mada Fashion, izay karakarain’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. « Tsy hijanona fotsiny amin’ny fampirantiana ny sangan’asanay ihany izahay, fa hanaparitaka sy hampivelatra izany manerana ny Faritra », raha ny lazain’ny mpamorona iray Ashley Riantsoa ANG.
Ranto Mamitiana (Mpianatra asa).




