Fanadihadiana Manokana

FANADIOVANA TEO AMIN’NY KAOMININA TOAMASINA : Olona tsy mpiasa nandray karama miisa 200 voatery nalàna

Niroso tamin’ny fanadiovana anatiny ny teo anivon’ny Kaominina an-drenivohitr’i Toamasina renivohitra, nanomboka ny taona 2020. Nahatratra 200 ireo olona tsy mpiasa nandray karama voatery nalàna. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fanadiovana ny sivana napetraky ny Tahirimbolam-panjakana sy ny firotsahana an-tsehatry ny Bianco, raha ny nambaran’ny ben’ny Tanànan’i Toamasina renivohitra. Fanadihadiana…

Ny ben’ny Tanànan’i Toamasina renivohitra, Nantenaina Rakotonirina.

Nambaran’ny ben’ny Tanànan’i Toamasina renivohitra,  Nantenaina Rakotonirina fa  hatramin’ny nandraisan’ny fitantanana ny tanàna, niezaka hatrany ny tenany nanatanteraka ny asa fanadiovana teo anivon’ny Kaominina niadidiany. « Nahatratra teo amin’ny 2300 ireo mpiasa eo anivon’ny Kaominina Toamasina renivohitra tany ho any amin’ny taona 2020, izay anisan’ny kaominina maro mpiasa be indrindra. Amin’izao fotoana izao, manodidina ny 2100 izany sisa, vokatry ny fanadiovana natao. Misy tamin’ireo olona tsy mpiasa nandray karama voatery nalàna », hoy izy. Nasongadiny fa  misy amin’izy ireo no tsy miasa ara-dalàna akory eo anivon’ny Kaominina an-drenivohitra Toamasina. Nisaotra ireo sampandraharaha maro, toy ny eo anivon’ny Tahirim-bolam-panjakana, nametraka ireo karazana sivana, nahafaha-nijery ireo olona izay tsy mpiasa, kanefa mandray karama eo anivon’ny Tahirimbolam-panjakana. Anisan’ny nampidangana ambony ny vola mivoaka eo anivon’ny Kaominina izany, izay mahatonga ny Kaominina an-drenivohitr’i Toamasina tratran’ny fahasahiranana matetika. Mitohy hatrany ny fanadiovana eo anivon’ny Kaominina an-drenivohitr’i Toamasina, ary efa mirotsaka an-tsehatra koa ny eo anivon’ny Bianco, amin’ny fanatontosana ny fanadiovana izay, mifanampy sy mifanome tanana. Ohatra amin’izany, nisy olona nandray karama teo anivon’ny Tahirimbolam-panjakana, izay tsy fantatra mazava akory hoe mpiasan’ny Kaominina an-drenivohitr’i Toamasina, kanefa nampiasa karapanondrom-pirenena hosoka, izy fantatra fa enjehin’ny lalàna ny seho tahaka izany. Niainga avy amin’ny tranga tahaka io, no nisian’ny fanadihadiana maro isan-karazany.

Misy ny karazana sivana atao…

Niroso tamin’ny fanadiovana ny teo anivon’ny Kaominina Toamasina renivohitra.

Efa mandray ny andraikiny tandrify azy, ny tomponanandraikitra, izay efa fantatra fa tsy eo anivon’ny Kaominina intsony ny miandraikitra momba ny fanenjehana amin’ny fakàna vola tsy ara-dalàna tahaka izany. Misy mpiasa maromaro na olon-tsotra tafiditra ao anatin’izany, izay tsy maintsy nirosoana tamin’ny resaka famotorana lalina. Vokatr’izay, nifanatona ny Kaominina ambonivohitra Toamasina sy ny eo anivon’ny Tahirim-bolam-panjakana any an-toerana, mametraka ny mason-tsivana isan-karazany, ahafaha-manatsara sy mampitombo ny fanaraha-maso atao. Tsy mijanona ny fanadiovana eo anivon’ny Kaominina an-drenivohitr’i Toamasina, manoloana ireo tsy mpiasa kanefa, mbola mandray vola, izay miteraka fahasahiranana eo anivon’ny Kaominina ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka ity. Apetraka koa ny taratasy milaza eny anivon’ireo Sampandraharaha isan-tokony manambara fa ireto ny mpiasa miasa eo anivon’izy ireo, isorohana ny mety fisolokiana sy ny fisorohana ireo olona tsy mpiasa, kanefa mandray karama. Ireo antontan-taratasy fifanekena milaza ny tena mpiasa marina, no soniavin’ny ben’ny Tanàna farany, rehefa avy mandalo amin’ireo karazana an-tanan-tohatra maro isan-karazany.

Manararao-pahefana ireo mpiasa matoatoa

Marobe ny asa efa miroso ho fanatsarana ny tanànan’i Toamasina renivohitra.

Ireo lehibe amina sampandraharaha isan-tokony no mahalala ireo tena mpiasa na tsia, mba hisorohana ireo mpiasa matoatoa. Ampahany amin’ny ezaka tanterahin’ny Kaominina an-drenivohitr’i Toamasina ireo, isian’ny fanadiovana anatiny, izay miteraka fahasahiranana tao ho ao. Mifanindran-dalana amin’izay, ny fampiakarana ny fidiram-bola sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny asa. Matetika ireo mpiasa izay karazany antsoina hoe matoatoa ireo no manararao-pahefana any ifotony sy eny anivom-piarahamonina any, izay matetika mahakely ny fidiram-bola miditra eo anivon’ny Kaominina Toamasina renivohitra, ka lasa very an-dalana, raha ny fanazavan’ny Ben’ny Tanànan’i Toamasina, Nantenaina Rakotonirina. Nanteriny, fa taorian’ireo karazana fanadiovana marobe miseho eo anivon’ny fiadidiana ny tanàna, dia tsapa fa mihatsara tsikelikely ny fidiram-bola eo anivon’ny Kaominina an-drenivohitr’i Toamasina. Antony mahatonga ny eo anivon’ny fiadidiana ny tanàna, tsy ho sahirana intsony manenjika ireo karama isam-bolana ho an’ireo mpiasa. Na izany na tsy izany, mbola misy ireo vary mangatsiaka, izay nifandovana hatramin’izay, eo anivon’ity kaominina ity, izay ezahina tsikelikely ny mamaha azy.

Miezaka mitondra fanatsarana ny tanànan’i Toamasina ny Kaominina

Isan’ireo nahazo fanohanana avy amin’ny kaominina ireo sekoly ao an-toerana.

Nasongadin’ny ben’ny Tanànan’ny Kaominina an-drenivohitra Toamasina, Nantenaina Rakotonirina fa «  miezaka manatsara ireo fotodrafitrasa eny anivon’ny fiarahamonina ny Kaominina iadidiany. Maro ireo fotodrafitrasa apetraky ny Fitondram-panjakana, tarihin’ny Filohan’ny Repoblika, raha tsy hiresaka afa-tsy ny Miami, ny Biraon’ny polisy, ny Kianja manara-penitra sy ny EPP manara-penitra sy ny maro tsy voatanisa. Isaorana manokana ny Filoha amin’ireo fotodrafitrasa maro ». Na izany aza, ny Kaominina an-drenivohitr’i Toamasina koa dia mitady lalam-bola hafa, ahafahana mahatratra ireo velirano napetraky  ny Filoha. Isan’izany ny lalana, ny jiro, izay iaraha-miasa amin’ireo sehatra tsy miankina. Manararaotra ny andro maina rahateo, ny kaominina ankehitriny, manamboatra ireo lalana misy lavaka vao miforona, satria tsy afa-manatontosa izany, raha ao anatin’ny fotoan’ny orana. Tiana ny manamarika fa maro ny lalana simba, amin’ny maha renivohitry ny toekarena an’i Toamasina. Mazava, araka izany, fa vetivety  ny lalana dia simba, mitovy tsy misy valaka amin’ny lalam-pirenena faharoa iny. Iaraha-mahita rahateo, fa ny toetr’andro ao Toamasina, dia sady mafana no be orana.

Misy ny fifampiresahana ireo mpamatsy vola namana sy mpandraharaha nanaiky nifanolo-tanana, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina (3P), miaraka amin’ny Kaominina an-drenivohitr’i Toamasina. Isan’izany koa ny fangatahana alalana amin’ny fanamboarana ny RN2 Bis, mba hifanaraka amin’ny fenitra tadiavina. Rehefa vita io, dia hikisaka eo amin’ny lalamby akaikin’ny « depôt » ny fanamboarana, raha ny fanampim-panazavana. Miezaka ny eo anivon’ny Kaominina manamboatra  tsimoramora ireo simba. Eo koa ny lafiny fahazavana ny tanàna, izay tafiditra ao anatin’ny velirano faharoan’ny Filoha. Ny fanazavana ny tanàna dia isan’ireo mampihena ny tsy fandriampahalemana.

Fanohanana marolafy…

Nanomboka niverina ny fankafizan’i Toamasina ny fanatanjahantena.

Ankoatra izay, misy koa ny fanampiana ara-pitaovana ireo sekoly amin’ny lafiny fanatanjahantena. Isan’ireo nisitraka fampitaovana izao, ny CEG Ratsimilaho, ny CEG Radama,  ny Lisea teknika sy ny lisea Jacques Rabemananjara dia nomena « maillots » baolina sy ny maro hafa. Isan’ny  nahazo izany, ny volley, basikety ary ny baolina kitra. Na ireo avy amin’ny zazalahy na avy amin’ny zazavavy, dia samy nahazo avokoa. Miezaka manentana hatrany ireo orinasa, izay mahatsapa tena ny Kaominina, mba hifanome tanana hatrany, ho fampandrosoana iraisana. Notsindriany, fa tsy terena akory, saingy ireo mahatsapa fa nahazo tombony teo anivon’ny tanànan’i Toamasina, dia mba hijery ny tanàna sy ny mponina ao aminy. Nanteriny fa tsy mangataka vola fa vinavina, amin’ny fanamboarana lalana na ny jiro na ny toa izany.

Vokatry ny fiaraha-mientana no nahavitana ity Fasan’ny Maherifo ity.

Ankoatra izay, ny kaominina koa dia manome lanja hatrany ny raiamandreny ara-panahy sy ara-drazana. Vokatry ny fitarainan’ireo Andriambo, izay ivondronan’ny foko 22, ao Toamasina. Noho ny fahatsapana fa ratsy loatra ny fisian’ny fasan’ny maherifo, dia nisy ny fandraisana andraikitra, tamin’ny alalan’ny fanentanana ireo tanora sy ny olobe niaraka tamin’ny Kaominina, ary dia vita soa aman-tsara ny Fasan’ny maherifo ao Toamasina,  noho ny fiaraha-mientana natao. Nasongadiny fa niverina ny fitiavan’i Toamasina ny fanatanjahantena satria ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina dia singa manosika amin’ny fampandrosoana satria mampiray, mampitambatra. Ny firaisankina mijery fampisehoana, manohana ekipa, na tononkalo io na mozika, dia miteraka fampikasohana ao anaty fiarahamonina. Matetika dia voazarazaran’ny tambajotra ara-tsosialy isika, kanefa amin’ny fotoana tahaka ireny dia tafatambatra anaty fotoana lavalava. Ka ireny fifandraisana ireny no hararaotina entina anatin’ny fampandrosoana.

Fermer