SosialyToekarena
MINISITRY NY ASA TANANA Nanao antso avo ny hampiroboroboana ny fambolena ireo akora fototra ilain’ny mpisehatra
Mbola olan’ny mpanao asa tanana malagasy hatramin’izao ny resaka akora fototra. Ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa tanana sy ny haitao, hatramin’ny valo volana lasa no nankaty, dia niezaka hatrany ny nanamaivana ny fisitrahan’ireo mpisehatra amin’ny asa tanana ny akora fototra. Nanamarika ny andro maneran-tany ho an’ny Asa tanana, omaly, ny Minisitera…

Na efa voavaha amin’ny ampahany ihany aza, ny olan’ny akora fototra eo amin’ny sehatry ny fanaovana asa tanana, dia mbola anatin’ny ady amin’ny fanamorana ny fisitrahan’ireo mpisehatra rehetra ny fahazoana izany, ny minisiteran’ny Asa tanana sy ny haitao. Io akora fototra io no anisany olana goavan’ny mpanao asa tanana mandraka ankehitriny, raha tsy hilaza afa-tsy ny filàna « rafia ». Nambaran’ny Minisitry Ratsiraka Sophie, fa tsy ny fandefasana ireo akora fototra mankany ivelany no olana, fa ny ezaka fampiroboroboana ny fambolena azy eto an-toerana. Fantatra mantsy, fa ny 75%-n’ny filàna fototra amin’ny akora maneran-tany dia avy eto Madagasikara avokoa. Mifanohitra tanteraka amin’izany anefa, ny fangatahan’ireo mpanao asa tanana, izay mitady ny hampitsaharana tanteraka ny fandefasana ireo akora fototra mankany ivelany, mba hananan’izy ireo amby ampy hahafahany mamokatra hatrany. Etsy an-kilan’izany anefa, nambaran’ny Minisitra Ratsiraka Sophie, fa tsy afaka sakanana velively ny fandefasana izany mankany ivelany, noho izy mampidi-bola ho an’ny firenena sy ny Fanjakana malagasy. « Tsara ho fantatra, fa ny Malagasy ihany no mivarotra ireo akora fototra ho an’ireo vahiny, ary efa nangataka teo anivon’ny Filan-kevitry ny governemanta izahay, ny hanenana ho 10% fotsiny ho an’ny rafia, ohatra, saingy tsy afaka notanterahina izany hatreto, noho io tombontsoam-pirenena io », nanampy fanazavana ny Minisitra. Ezaka ny hampiroboroboana ny fambolena ireo akora fototra ilain’ny mpanao asa tanana, araka izany, no tanterahin’ny minisitera ankehitriny. Nambarany, fa raha mahavokatra be ireo akora fototra, tsy hijaly intsony ny tantsaha, satria ny tsy fisian’izany no miteraka tsy fahombiazan’ny Asa tanana malagasy teto hatramin’izay. « Ny fifarimbonana amin’ny fambolena sy ny famokarana ireo akora fototra dia anisany hampiroborobo sy hanasongadina hatrany ny fahaiza-manao malagasy eo amin’ny sehatry ny asa tanana ».

« Tokony hampitomboina ny tetibolan’ny minisitera… »

Mbola azo lazaina ho miady mafy ny minisiteran’ny Asa tanana sy ny haitao, manoloana ny ezaka goavana tanterahiny hameloma-maso sy hampiroboroboana io seha-pihariana mamelona Malagasy an-tapitrisany maro eto amintsika io. Nambaran’ny Minisitra tompon’andraikitra, fa na natao ankilabao hatramin’ny taona maro nifandimby aza, ny Asa tanana Malagasy, dia efa miha mahazo vahana sy miroborobo tsikelikely, ankehitriny. « Maro ny fiovana azo tsapain-tanana amin’izao, toy ny fahazoana ireo filàna andavanandro amin’ny asa tanana, izay anisany mampirindra sy mampilamina ny firenena, dia ny fisian’ireo mpisehatra rehetra mpanao asa tanana tsy an-kanavaka ». Nambaran’ny Governoran’ny faritra Analamanga, nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Andro maneran-tany ho an’ny Asa tanana, tetsy amin’ny Carlton Anosy, fa miara-miasa ary manohana hatrany ny Asa tanana malagasy ny Faritra Analamanga. Tsikariny anefa, fa maivana ny teti-bolan’ity minisitera ity, manoloana ny fiankinan’ny ankamaroan’ny fiainan’ny vahoaka Malagasy amin’ny asa tanana, ka nambarany fa « mila ampitomboina ny teti-bolan’ny Minisiteran’ny Asa tanana sy ny haitao ». Anisany nanamafy ny tokony hanenana ny fandefasana ireo akora fototra mankany ivelany koa ny Governora, Rasoamaromaka Hery, manoloana ny ezaka fampiroboroboana io seha-pihariana maneho ny maha izy azy ny Malagasy hatramin’izay io, amin’ny alalan’ny talenta ananan’ny Malagasy. Nomarihana omaly ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Asa tanana, ary anisany nankalaza izany isika, tamin’ny alalan’ny hetsika notanterahin’ny minisitera tetsy amin’ny fiantsonana lehiben’ny Carlton, amin’ny fanehoana ara-barotra fampirantiana ireo karazana asa tanana raitra sy mampalaza ny Malagasy. Haharitra efarana nanomboka omaly, ity varotra fampirantiana iantsoan’ny minisitera ny rehetra ity, hitsidihana ireo tranoeva maro ahitana sakafo sy kojakoja maro samihafa vita Malagasy.




