PolitikaSongadim-baovao
FAMPITAOVANA AVY AMIN’NY JAPONEY : Ainga vao amin’ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara.
Laharana faha-158 amin’ny firenena 180 manerantany no misy an’i Madagasikara ny taona 2019, raha ny tontolon’ny ady amin’ny kolikoly no asian-teny. Zava-dehibe, noho izany, ny manamafy io ady io. Madagasikara rahateo manana ireo karazana rafitra isan-karazany miady amin’ny kolikoly. Raha tsy hilaza afatsy ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco). Mila tohana ireny rafitra ireny. Isan’izany ny fanomezana fampitaovana hahafahana manatentaraka araka ny tokony ho izy ny asa. Izany indrindra no naharesy lahatra ny Governemanta japoney hanolotra fitaovana ho an’ny Bianco mba entina hanamafisana ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara. Fiara efatra sy fitaovana ara-informatika samihafa no natolotry ny Japoney ho an’ny Bianco, omaly, tamin’ny alalan’ny Masoivohon’ny Japon, miasa sy monina eto amintsika, Higuchi Yoshihiro. Fampitaovana izay mitentim-bidy hatramin’ny 581 974 300 Ariary, famatsiam-bola avy amin’ny tahiry “Contre-valeur Japonais (FCV).

Mpiara-miasa mahatokin’ny Bianco
Nanambara ny Tale Jeneralin’ny Bianco, Andrianirina Laza Eric, fa hampiasaina entina hanamafisana ny ady amin’ny kolikoly any amin’ny Faritra maromaro eto Madagasikara ireo fitaovana ireo. Omaly ihany dia efa natolotra ireo tompon’andraikitry ny rafitry ny Bianco any amin’ny faritra ny fanalahidin’ny fiara telo. Hampiasaina ao amin’ny Foibe etsy Ambohibao kosa ny fiara iray. Hotsinjaraina toy izany koa ireo fitaovana ara-informatika vao azo, hoy hatrany ny fanazavana. Tsara ho fantatra fa tsy vao sambany ny Governemanta Japoney no niara-niasa sy nanome tanana ny Bianco amin’ny ady amin’ny kolikoly, fa efa hatry ny ela. Isany tohana avy amin’ny japoney ohatra ny nahavitan’ny ivon-toerana vaovao misy ny Bianco ankehitriny etsy Ambohibao. Ity trano ity izay nomena anarana hoe “Batiment Tokyo”, efa notokanana ny volana Jona 2019. Ny fitaovana ara-informatika vao azo omaly, noho izany, dia anisany hampiasaina ao amin’ity ivon-toerana vaovao ity.
Veliranon’ny Filoha
Omaly no natolotra tamin’ny fomba ofisialy ireo fitaovana ireo, tetsy Ambohibao. Nanatrika izany nisolo tena ny praiministra ny minisitry ny Fitsarana, Andriamahefarivo Johnny. Ity farany izay nilaza fa “na eo aza ny adidy sy andraikitra hapetraka amina sampandraharaha iray, rehefa tsy misy ny fampitaovana sy ny fahafaha-manao izany dia zava-poana ihany”, nentiny nilazana ny maha zavadehibe izao fihetsika nataon’ny Governemanta japoney izao. Nambarany koa, nandritra ny fandraisam-pitenenany fa isany veliranon’ny Filoham-pirenena ankehitriny ny resaka ady amin’ny Kolikoly, ka izao fampitaovana ny sampana miady amin’ny kolikoly izao dia lalana iray hahafahana manatratra izany.



