PolitikaSongadim-baovao

ANTENIMIERAM-PIRENENA : Nolavin’ny Depiote ny fananganana rafitra manokana hanombana ny politikam-panjakana

Omaly no nodinihina nandritra ny fivoriambe azon’ny besinimaro natrehina teo anivon’ny Antenimieram-pirenena, ilay tolo-dalàna natolotry ny Solombavambahoaka Johasy Raharisoa Eléonore mikasika ny fanombanana ny politikam-panjakana. Voatsipaky ny maro an’isa izany, noho ny filazan’ireo fa mifanohitra amin’ny Lalàmpanorenana ny fikasana hanangana rafitra vaovao indray amin’ny fanombanana ny asan’ny Governemanta.

Nifanipaka tanteraka ny fomba fijery teo amin’ireo Solombavambahoaka omaly teo anatrehan’ny tolo-dalàna mikasika ny fanombanana ny politikam-panjakana, izay natolotry ny Solombavambahoakan’i Vangaindrano, Johasy Raharisoa Eléonore. Ity farany no namelabelatra ny maha zava-dehibe ny fandaniana ity tolo-dalàna ity, izay miantoka ny fametrahana rafitra iray manokana hisahana ny fanombanana ny politikam-panjakana. Hisy teknisianina manam-pahaizana hifanome tanana amin’ny Parlemantera ao anatin’io rafitra io hanatanteraka ny asa fanombanana, raha ny voaraikitra ao anatin’ny tolo-dalàna. Fanombanana izay tsy hifantoka fotsiny ihany amin’ny lafiny fitantanana ny tetibolam-panjakana, fa hijery ihany koa ny lafin-javatra maro hafa, toy ny fananganana fotodrafitrasa, ny sosialy, ny fahasalamana, sy ny sisa. Zava-dehibe ny fisian’io rafitra io noho ny tsy fisian’ny fotoana maharitra hahafahan’ny Governemanta sy ny Solombavambahoaka mifampiresaka, ka hirosoana amin’izany tena fanombanana izany, hoy ny Solombavambahoaka Johasy Raharisoa Eléonore, tompon’ny tolo-dalàna.

Manaisotra ny fahefan’ny Parlemantera

Tetsy ankilany, nitsipaka mari-drano ity tolo-dalàna ity ireo Solombavambahoaka maro an’isa noho ny filazan’izy ireo fa tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana izany, no sady manala ihany koa ny fahefan’ny Solombavambahoaka amin’ny fanaovana tombana ny asan’ny Governemanta. Raha ny voalazan’ny Lalàmpanorenana, ao amin’ny andininy faha-68, dia « Ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona no mandrafitra ny
Antenimiera. Izy no mandany ny lalàna sy manara-maso ny asan’ny Governemanta ary ny
fanaovana tombana ny politikam-panjakana”. Io andininy voalazan’ny Lalàmpanorenana io no isan’ny hanoheran’ireo Depiote maro an’isa ity tolo-dalàna ity. Nambaran’izy ireo fa asan’ny Solombavambahoaka sy ny Loholona no manao izany fanombanana ny politikam-panjakana izany fa tsy tokony hananganana rafitra manokana, ary tsy voalaza ao anatin’ny Lalàmpanorenana rahateo izany. Tafiditra anatin’ireo Depiote niray feo tamin’ny fanoherana ity tolo-dalàna ity ny Solombavambahoaka Idealison  avy ao Ampanihy, ny Solombavambahoaka Velontsara Paulbert avy ao Port-Bergé, ary ny Solombavambahoakan’i Farafangana Randrianantenaina Félicien.

Tahotra fanombanana?

Araka izany, nolavin’ny maro an’isa ny tolo-dalàna. Marihina fa saika ireo Solombavambahoaka manohana ny Fitondram-panjakana ankehitriny ireo nitsipaka ny tolo-dalàna. Nilaza ny Solombavambahoaka Johasy Eléonore Raharisoa, tompon’ny tolo-dalàna, fa tahotra ny firosoana amin’ny fanombanana no azo andikana izao fihetsiky ny Depiote maro an’isa izao. Alaolana fotsiny ihany ny hoe tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana, hoy izy, satria na eo anivon’ny Governemanta ihany koa aza dia maro be ireo rafitra mitsangana, izay tsy voasoratra ao anatin’ny Lalàmpanorenana ihany koa, saingy eken’ny rehetra ny fijoroany.

Tsara ho fantatra fa ity Solombavambahoaka ity no filohan’ny Vaomiera misahana ny fanombanana ny politikam-panjakana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Tamin’ity fe-potoam-piasan’ny Depiote ity vao tafapetraka io Vaomiera io, izay maneho finiavana hametraka, araka ny tokony ho izy, izany fanombanana ny asan’ny Governemanta izany.

Fermer